FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 62
  • Inona no Mahatsara ny Mianatra Fiteny Hafa?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Mahatsara ny Mianatra Fiteny Hafa?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no tsara ny mianatra fiteny hafa?
  • Inona no mety ho zava-tsarotra?
  • Inona ny soa horaisinao?
  • Tsara ny Mianatra Teny Vahiny!
    Mifohaza!—2007
  • Moa ve Ianao Te Hianatra Fiteny Vahiny?
    Mifohaza!—2000
  • Manompo Miaraka Amin’ny Fiangonana Miteny Vahiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Hainao Tsara ve ny Miteny ny “Fiteny Madio”?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 62
Olona manoratra ny dikan’ny teny tsirairay

MANONTANY NY TANORA

Inona no Mahatsara ny Mianatra Fiteny Hafa?

Ho hita raha mahay mifehy tena sy mahay manetry tena ianao rehefa mianatra fiteny hafa. Mila ezaka be mantsy ilay izy. Ho afa-po tokoa anefa ve ianao rehefa miezaka hianatra fiteny hafa? Betsaka ny tanora hamaly hoe eny! Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe nahoana izy ireo no tia mianatra fiteny hafa.

  • Nahoana no tsara ny mianatra fiteny hafa?

  • Inona no mety ho zava-tsarotra?

  • Inona ny soa horaisinao?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Nahoana no tsara ny mianatra fiteny hafa?

Maro no mianatra fiteny hafa satria tsy maintsy ianarana any am-pianarana ilay izy. Ny an’ny sasany indray safidy ilay izy. Jereo, ohatra, ireto:

  • Nanapa-kevitra ny hianatra teny letonianina i Anna, tovovavy any Aostralia. Io mantsy no fitenin-drazan’ny reniny. Hoy izy: “Handeha ho any Letonia izahay, dia tiako raha mba afaka mifampiresaka amin’ireo havanay any aho rehefa mamangy an-dry zareo.”

  • Nianatra Tenin’ny Tanana Amerikanina (ASL) i Gina. Vavolombelon’i Jehovah avy any Etazonia izy, ary nifindra any Belize mba hitory any. Hoy izy: “Vitsy ny olona mahay tenin’ny tanana, dia izy ireny ihany no mba azon’ny marenina ifampiresahana. Tena faly àry ny marenina rehefa ilazako fa nianatra ASL aho mba hampianarana azy ireo Baiboly.”

Fantatrao ve? Nilaza mialoha ny Baiboly fa hotorina amin’ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny” ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 14:6) Maro àry ny tanora Vavolombelon’i Jehovah mianatra fiteny hafa mba hitoriana bebe kokoa any amin’ny tany misy azy na any an-tany hafa.

Inona no mety ho zava-tsarotra?

Tsy mora ny mianatra fiteny hafa. Hoy ny tanora iray atao hoe Corrina: “Nieritreritra aho hoe mianatra teny vaovao fotsiny ilay izy. Hay kay mianatra kolontsaina vaovao sy fomba fisainana vaovao mihitsy ianao rehefa mianatra fiteny hafa. Tsy vita vetivety izany.”

Mila manetry tena koa ianao. Hoy i James, tovolahy nianatra teny espaniola: “Tsy maintsy manao diso be dia be ianao, dia ihomehezo fotsiny ilay izy. Izany mantsy ilay hoe mianatra.”

Tadidio izao: Raha tsy mora kivy ianao rehefa manao diso, dia azo inoana fa ho vitanao ny hianatra an’ilay fiteny.

Soso-kevitra: Aza kivy raha elaela kokoa noho ny hafa ianao vao mahay an’ilay fiteny. Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ... ny tsirairay samy handinika izay ataony avy. Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.”—Galatianina 6:4.

Inona ny soa horaisinao?

Betsaka ny soa horaisinao rehefa mianatra fiteny hafa ianao. Hoy i Olivia: “Lasa mahazo namana ianao sady mahay mifandray amin’ny olona betsaka kokoa rehefa mianatra fiteny hafa.”

Lasa natoky tena kokoa ny tanora iray atao hoe Mary rehefa nianatra fiteny hafa. Hoy izy: “Sarotra amiko ilay hoe faly rehefa misy zavatra vitako. Izao anefa aho faly be isaky ny mahay teny vaovao amin’ilay fiteny ianarako. Lasa matoky tena kokoa aho.”

Lasa faly kokoa i Gina, ilay voaresaka tetsy aloha, rehefa mampianatra Baiboly amin’ny tenin’ny tanana. Nilaza izy hoe: “Faly be ny olona rehefa iresahako Baiboly amin’ny fiteniny. Dia ilay mahita an’izany no valisoa lehibe indrindra ho an’ahy.”

Tadidio izao: Raha mianatra fiteny hafa ianao, dia hanana namana bebe kokoa, hatoky tena kokoa, ary ho faly kokoa rehefa mitory sy mampianatra. Ny mianatra fiteny hafa mantsy no fomba iray lehibe ahafahana mitory ny vaovao tsara amin’ny “firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.”—Apokalypsy 7:9.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Monica

“Raha mora kivy ianao rehefa mianatra fiteny hafa, dia hoatran’ny hoe mitondra fiara vaky pne. Tsy hahavita handeha na aiza na aiza mihitsy ianao raha tsy soloanao ilay pne. Hoatr’izany koa fa mila tsy kivikivy fa matoky tena ianao rehefa mianatra fiteny hafa, na dia misy zava-tsarotra aza.”—Monica.

Ethan

“Hoatran’ny hoe mitrandraka vatosoa ianao rehefa mianatra fiteny. Mety hoe tsy tonga dia hahita vatosoa ianao na dia efa mitrandraka ela be aza. Azo antoka anefa fa hahita ihany ianao raha tsy mijanona mihitsy. Hoatr’izany koa fa raha miezaka foana ianao rehefa mianatra fiteny, dia tsy maintsy ho hainao ihany ilay izy.”—Ethan.

Jessica

“Niezaka be ianao nianatra an’ilay fiteny, dia hainao tsara izao ny mifampiresaka amin’ny olona miteny an’ilay izy. Izany no valisoanao lehibe indrindra. Ho hitanao amin’izay hoe tsy very maina mihitsy ny fotoana laninao sy ny ezaka mafy nataonao mba hianarana an’ilay fiteny.”—Jessica.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara