FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 133
  • Iza moa ny Nefilima?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza moa ny Nefilima?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Nefilima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovy Amin’ny An’Andriamanitra ve ny Fomba Fijerinao Ireo Mahery Setra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Nahoana Isika no Tokony Hanahaka An’i Noa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Nanameloka Izao Tontolo Izao ny Finoan’i Noa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 133
Nefilima mahery setra

Iza moa ny Nefilima?

Valiny ara-baiboly

Zanak’ireo anjely ratsy tamin’ny andron’i Noa ny Nefilima.a Nanambady vehivavy tetỳ an-tany ireo anjely ireo dia niteraka an-dry zareo. Olona goavana be sady tena nahery setra ny Nefilima, ary mahery noho ny olombelona.

Tantarain’ny Baiboly fa “tsikaritr’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’olombelona.” (Genesisy 6:2) Anjely nikomy tamin’Andriamanitra ireo “zanak’Andriamanitra” ireo. “Nandao ny fonenana sahaza azy” tany an-danitra àry izy ireo, dia naka vatan’olombelona. “Nalain’izy ireo ho vady” avy eo izay vehivavy rehetra “nofidiny.”—Joda 6; Genesisy 6:2.

Tsy voajanahary izany fanambadian’ny anjely sy olona izany. (Genesisy 6:4) Metisy anjely àry ny zanak’izy ireo. Mpampijaly kely sady mpanjakazaka ny Nefilima, ka lasa feno herisetra ny tany tamin’izany. (Genesisy 6:13) Milaza ny Baiboly fa “olo-mahery fahiny, sady lehilahy nanan-daza” ny Nefilima. (Genesisy 6:4) Lasa nanahaka an-dry zareo koa aza ny olona tatỳ aoriana, ka nahery setra be.—Genesisy 6:5; Nomery 13:33.b

Hevi-diso momba ny Nefilima

Hevi-diso: Mbola misy Nefilima amin’izao.

Ny tena marina: Nasian’i Jehovah safodrano teto an-tany, mba handringanana ny olona mahery setra fahiny. Maty daholo àry ny Nefilima sy ny olona ratsy fanahy rehetra. I Noa sy ny fianakaviany kosa tena tian’i Jehovah, dia ry zareo ihany no tsy maty tamin’izany.—Genesisy 6:9; 7:12, 13, 23; 2 Petera 2:5.

Hevi-diso: Olombelona no ray niteraka ny Nefilima.

Ny tena marina: Antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” ny rain’ny Nefilima. (Genesisy 6:2) Hoatran’izany koa no iantsoan’ny Baiboly ny anjely. (Joba 1:6; 2:1; 38:7) Afaka naka vatan’olombelona ny anjely taloha. (Genesisy 19:1-5; Josoa 5:13-15) Nisy fotoana ny apostoly Petera niresaka momba an’ireo “fanahy tao am-ponja, izay tsy nankatò fahiny, rehefa niandry tamim-paharetana Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa.” (1 Petera 3:19, 20) Nanazava tsara koa i Joda, mpanoratra Baiboly, hoe nisy anjely “tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy.”—Joda 6.

Hevi-diso: Anjely nazera tetỳ an-tany ny Nefilima.

Ny tena marina: Milaza mazava tsara ny Genesisy 6:4 fa tsy anjely ny Nefilima, fa metisy anjely. Nisy anjely mantsy nanao firaisana tamin’ny vehivavy tetỳ an-tany dia niteraka an-dry zareo. Rehefa nalain’ireo anjely ireo “ho vady izay rehetra nofidiny”, dia nilaza i Jehovah fa handringana an’izay olona ratsy fanahy rehetra izy rehefa afaka 120 taona. (Genesisy 6:1-3) Lazain’ny Baiboly koa hoe ‘nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’olombelona ireo zanak’Andriamanitra tamin’izany andro izany’, ka niteraka “olo-mahery fahiny”, izany hoe ny Nefilima.—Genesisy 6:4.

a Toa hoe “Mpanjera” no dikan’ilay teny hebreo nadika hoe “Nefilima.” Milaza ny Wilson’s Old Testament Word Studies fa io teny io dia midika hoe olona “mibeda lehilahy dia maka an-keriny ny zavatra eny aminy, ary avy eo manjera azy.”

b Araka ny Nomery 13:33 dia nilaza fa nahita Nefilima goavana be ireo Israelita mpitsikilo. Ny Nefilima anefa tamin’izany efa an-jatony taona no maty.—Genesisy 7:21-23.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara