FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 143
  • Fahotana ve ny Mifoka Sigara?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fahotana ve ny Mifoka Sigara?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Miresaka momba ny fifohana rongony na zava-mahadomelina hafa tsindraindray ve ny Baiboly?
  • Sigara — Lavinao ve Izy Io?
    Mifohaza!—1996
  • Maninona Aho no Tsy Tokony Hifoka Sigara?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Tsy Mampaninona An’Andriamanitra ve Raha Mifoka Sigara Aho na Mihinam-paraky?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Fahotana ve ny Mifoka Sigara?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 143
Olona mifoka sigara

Fahotana ve ny Mifoka Sigara?

Valiny ara-baiboly

Tsy misy teny hoe sigaraa ao amin’ny Baiboly. Hita amin’ny toro lalana ao anefa hoe tsy tian’Andriamanitra hanao zavatra mankarary sy mandoto azy ny olona, ka heveriny ho fahotana ny mifoka sigara.

  • Hajao ny aina. “Andriamanitra ... no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina.” (Asan’ny Apostoly 17:24, 25) Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny aina ka tsy tokony hanao zavatra manafohy androm-piainana isika, ohatra hoe mifoka sigara. Anisan’ny mahafaty olona haingana, maneran-tany, ny fifohana sigara nefa azo sorohina izany.

  • Tiavo ny namanao. “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39) Tsy tia ny namany ny olona mifoka sigara. Tena atahorana ho voan’ny aretina mpahazo ny mpifoka sigara ny olona mifoka ny setroka avoakan’izy ireny.

  • Tokony ho masina ianao. “Miangavy anareo aho ... mba hatolotrareo ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra.” (Romanina 12:1) “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintianina 7:1) Tsy voajanahary amintsika ny mifoka sigara ary mahatonga antsika tsy ho masina, izany hoe mahatonga antsika tsy hadio. Manao fanahy iniana mihinana poizina tena manimba ny vatany mantsy ny mpifoka sigara.

Miresaka momba ny fifohana rongony na zava-mahadomelina hafa tsindraindray ve ny Baiboly?

Tsy manonona anarana zava-mahadomelina ny Baiboly. Hita amin’ny toro lalana ao anefa hoe tsy mety ny mampiasa an’ireny zavatra manandevo ireny. Ireto misy toro lalana hafa, ankoatra an’ireo efa voaresaka teo aloha:

  • Tokony hiasa tsara foana ny saina. “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny ... sainao manontolo.” (Matio 22:37, 38) “Aoka ianareo hisaina tsara foana.” (1 Petera 1:13) Tsy miasa tsara intsony ny saina rehefa mampiasa zava-mahadomelina, ary misy aza lasa andevoziny mihitsy. Ny hitady sy hampiasa zava-mahadomelina foana no masaka ao an-tsainy fa tsy mba mieritreritra zavatra tsara izy.—Filipianina 4:8.

  • Ankatoavy ny lalàna. ‘Ankatoavy ny fanjakana sy ny manam-pahefana mpitondra.’ (Titosy 3:1) Rarana ny mampiasa zava-mahadomelina sasany, any amin’ny tany maro. Tokony hankatò ny manam-pahefana isika raha te hampifaly an’Andriamanitra.—Romanina 13:1.

Vokany eo Amin’ny Fahasalamanao

Enina tapitrisa eo ho eo no matin’ny aretina mifandray amin’ny fifohana sigara, araka ny tombantombana nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Ny 600000 mahery amin’ireo no tsy mifoka sigara fa mifoka ny setroka avoakan’ny mpifoka sigara. Misy vokany eo amin’ny fahasalaman’ilay mpifoka sy ny fahasalaman’ny manodidina azy ny sigara. Diniho ireto:

Kansera. Misy zavatra simika 50 mahery mahavoan’ny kansera ao amin’ny setro-tsigara. Milaza ny Encyclopædia Britannica fa ny setro-tsigara no “inoana fa mahatonga ny 90 isan-jaton’ny kanseran’ny havokavoka.” Mahavoan’ny kansera amin’ny taova hafa koa ny setro-tsigara, ohatra hoe ao amin’ny vava, lalan-drivotra, lalan-kanina, tenda, lohatraoka, aty, sarakaty, ary ny tatavia.

Aretin’ny taovam-pisefoana. Mankarary ny taovam-pisefoana ny setro-tsigara, ka mahavoan’ny pnemonia sy gripa, ohatra. Raha mifoka ny setroka avoakan’ny mpifoka sigara foana ny ankizy, dia mora voan’ny asma, mora mikohaka lava, ary atahorana tsy hitombo tsara ny havokavony sady tsy hiasa tsara.

Aretim-po. Ny mpifoka sigara no tena atahorana ho tapaka lalan-dra sy harary fo. Rehefa tonga ao amin’ny havokavoka mantsy ny oksidana karbonina ao amin’ny setro-tsigara dia mora mankany amin’ny lalan-dra ka manala ny oksizenina ao. Rehefa kely indray ny oksizenina ao amin’ny ra dia tsy maintsy miasa mafy ny fo mba hamatsiana oksizenina ho an’ny vatana.

Vokany eo amin’ny vehivavy bevohoka. Mety hiteraka tsy tonga volana ny vehivavy bevohoka mifoka sigara. Tsy ho ampy lanja ilay zaza, amin’izay, na hisy takaitra, ohatra hoe sima. Mety tsy hiaina tsara koa ilay zaza na ho faty tampoka.

a Sigara be sy sigara kely na pipa no tiana horesahina eto. Azo ampiharina amin’ny zava-mahadomelina hafa koa anefa ny toro lalana ato, toy ny paraky kisoka, ravim-paraky tsakoina na trohina amin’ny orona, na zavatra hafa misy nikôtinina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara