FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 81
  • Inona no Hevitra fa Tsy Mahita Hatao Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hevitra fa Tsy Mahita Hatao Aho?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsara ho fantatrao
  • Inona no azonao atao?
  • Inona no Hevitra fa Tsy Mahita Hatao ny Zanako?
    Ho An’ny Fianakaviana
  • Sorisorena ve ianao ao an-trano?
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
  • Hankaleo ve ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ahoana re no Hampahafinaritra ny Fianarako Baiboly E?
    Mifohaza!—2012
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 81
Tovolahy midaboka eo am-pandriana fa tsy mahita hatao, nefa feno fitaovana elektronika manodidina azy

MANONTANY NY TANORA

Inona no Hevitra fa Tsy Mahita Hatao Aho?

Efa tratran’izao ve ianao: Avy ny orana, dia tavela ao an-trano ianao sady tsy mahita hatao? Betsaka no tsy mahazaka an’izany. Hoy ny tanora iray atao hoe Robert: “Eo ianao dia mipetra-potsiny eo rehefa tratran’izany. Tsy hitanao izay hatao.”

Tsy mahita hatao koa ve ianao indraindray? Afaka manampy anao ity lahatsoratra ity raha izany.

  • Tsara ho fantatrao

  • Inona no azonao atao?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Tsara ho fantatrao

  • Tsy tena manampy ny fitaovana elektronika.

    Tsy misy atao ny olona sasany dia aleony mijery Internet. Tsy tena mampiasa saina anefa ianao rehefa mijery Internet, ka vao mainka ho leo. Hoy i Jeremy, 21 taona: “Variana mijery an’izay zavatra mipoitra eo fotsiny ianao, fa tsy mampiasa saina akory.”

    Izany koa no tsapan’i Elena, 23 taona. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe mba varimbariana kely ianao rehefa mijery Internet. Tsy maintsy miatrika ny zava-misy ihany anefa ianao rehefa miala eo, dia vao mainka sorena.”

  • Miankina amin’ny toe-tsaina ilay izy.

    Mety ho leo ihany ianao na be atao aza, raha tsy tianao ilay zavatra ataonao. Izao no nolazain’i Karen: “Nankaleo be an’ahy ny tany am-pianarana, na dia nisy zavatra natao foana aza izahay maraina mandra-paharivan’ny andro. Hitako hoe mila tianao mihitsy aloha ny zavatra iray, izay ianao vao tsy ho leo manao an’ilay izy.”

Fantatrao ve? Tsy voatery ho ratsy foana ny hoe “tsy misy hatao.” Amin’izay mihitsy mantsy ianao no afaka mikaroka zavatra hatao.

Tavim-boninkazo misy zavamaniry mitsiry. Misy gitara, stylo sy taratasy, ary fitaovana fanaovana hoso-doko eo amin’ny sampany

Amin’ilay “tsy misy hatao” iny mihitsy no afaka mitsiry ny hevitra. Mila tia karokaroka fotsiny ianao

Inona no azonao atao?

Manandrama zavatra vaovao. Miezaha, ohatra, hianatra zavatra mbola tsy hainao. Mitadiava koa namana vaovao, na manandrama fialam-boly mbola tsy nataonao mihitsy. Raha tia zavatra isan-karazany ny olona iray, dia hahita zavatra hatao foana izy na dia rehefa irery aza. Tsy hankaleo ny hafa koa ny miaraka aminy.

Toro lalan’ny Baiboly: “Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo.”—Mpitoriteny 9:10.

“Nanomboka nianatra teny sinoa aho vao haingana, dia miezaka mampiasa an’ilay fiteny foana isan’andro. Hitako hoe zavatra hoatran’izany mihitsy no tsy ampy amiko. Tiako rehefa misy zavatra atao foana aho fa tsy mipetra-potsiny. Mba mampiasa saina aho amin’izay sady tsy lanilany fotsiny ny fotoanako.”—Melinda.

Manàna tanjona rehefa manao zavatra. Vao mainka ho tianao ny manao an’ilay izy amin’izay. Na ny manao devoara aza tsy hankaleo be, raha mazava tsara ao an-tsainao ny antony anaovanao an’ilay izy.

Toro lalan’ny Baiboly: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny ... mifaly noho ny asa mafy ataony.”—Mpitoriteny 2:24.

“Nianatra adiny valo isan’andro aho rehefa hifarana ny taom-pianarana, satria tsy maintsy nanenjika. Tsy nankaleo an’ahy aloha ilay izy e! Notadidiko foana mantsy hoe tsy hahazo diplaoma aho raha tsy miezaka.”—Hannah.

Tadidio hoe misy zavatra tsy azonao ovana. Na tianao be aza ny zavatra iray, dia mety hisy zavatra hankaleo ihany amin’ilay izy. Na ny namanao akaiky koa aza mety tsy ho afaka tampoka amin’ny fotoananareo, dia lasa tsy misy atao indray ianao. Aza kivy raha sendra zavatra tsy azonao ovana hoatr’izany. Miezaha hijery lafy tsaran-javatra foana.

Toro lalan’ny Baiboly: “Ny olona manana fo falifaly ... toa manao fety foana.”—Ohabolana 15:15.

“Nisy namako iray niteny tamiko hoe tsy voatery ho leo be ianao rehefa irery, fa azo atao tsara ny mifalifaly. Tena ilaina, hozy izy, ny mahay mandanjalanja hoe rahoviana no hiaraka amin’ny hafa, dia rahoviana no hijanona ho irery. Niteny izy hoe tokony hahay an’izany daholo n’iza n’iza.”—Ivy.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Hannah

“Taloha aho nitsiriritra rehefa nahita olona mankafy fiainana. Tonga saina aho avy eo hoe hay ry zareo miezaka manao zavatra mahafinaritra fotsiny. Dia mba nitady zavatra hatao koa aho. Nanandrana fialam-boly mbola tsy nataoko mihitsy aho, dia nianatra zavatra mbola tsy haiko. Ho betsaka ny zavatra hahaliana anao raha tia miana-javatra ianao. Tsy ho mora leo ianao amin’izay.”—Hannah.

Caleb

“Nanao lalao video aho taloha rehefa tsisy hatao. Hitako anefa tatỳ aoriana hoe tsy mitondra mankaiza ilay izy. Tsy mipetra-potsiny aloha ianao e! Fa tsisy soa raisinao akory anefa. Nahita zavatra tsara kokoa aho mba hanoloana ny lalao video.”—Caleb.

Micaela

“Tsy mba nana-namana aho taloha, dia hoatran’ny ela be izany vao hariva ny andro. Hitako anefa tatỳ aoriana hoe izaho mihitsy aloha no mila manao zavatra, izay ny olona vao hanatona ahy. Izany no nataoko dia lasa manao zavatra miaraka amin’ny olona foana aho izao. Lasa tiako be indray aza ilay hoe irery, satria indraindray ihany aho vao mba hoatr’izany.”—Micaela.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara