FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwhf lahatsoratra 3
  • Asehoy Azy hoe Tianao Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Asehoy Azy hoe Tianao Izy
  • Ho An’ny Fianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsara ho fantatrao
  • Inona no azonao atao?
  • Mahatsapa firaiketam-po amin’i Jehovah ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • ‘Mifanehoa Firaiketam-po Lalina’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Tianao ve Raha Sambatra ny Tokantranonao? Asehoy Amin’ny Vadinao hoe Tianao Izy
    Ho An’ny Fianakaviana
  • Fahitana ny Fanalahidin’ny Firaiketam-pon-drahalahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ho An’ny Fianakaviana
ijwhf lahatsoratra 3
Lehilahy iray mamihina ny vadiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA

Asehoy Azy hoe Tianao Izy

Tsy dia mifaneho fitiavana hoatran’ny tamin’ny voalohany intsony ny mpivady sasany, rehefa mandeha ny fotoana. Ary ahoana ny aminareo roa? Hoatr’izany koa ve? Nahoana anefa ianareo no tena mila mifaneho fitiavana foana?

  • Tsara ho fantatrao

  • Inona no azonao atao?

Tsara ho fantatrao

Tena ilaina ny maneho fitiavana raha tiana haharitra ny tokantrano. Mila misakafo sy misotro rano matetika isika raha te hatanjaka sy ho salama tsara. Hoatr’izany koa fa mila asehonao matetika amin’ny vadinao hoe tianao izy, raha tianao haharitra ny tokantranonareo. Samy mila mahatsapa foana, na ny lehilahy na ny vehivavy, hoe tena tia azy sady mitady izay hahasoa azy ny vadiny, na dia efa ela aza izy roa no niaraka.

Tsy mitady izay hahasoa ny tenany ny olona tena tia. Izay hahasambatra ny vadiny no tadiaviny. Tsy hoe rehefa taitaitra fotsiny àry izy vao mampiseho amin’ny vadiny hoe tiany izy. Tonga dia fantany kosa rehefa mila an’izany ny vadiny, dia miezaka izy mampiseho aminy avy hatrany hoe tia azy.

Ny vehivavy no mila fitiavana kokoa raha oharina amin’ny lehilahy. Mety ho tena tia ny vadiny ny lehilahy iray. Mety tsy ho tsapan’ilay vadiny anefa izany, raha amin’ny maraina sy amin’ny alina ihany ilay lehilahy no mampiseho an’izany, na rehefa hanao firaisana. Tokony hanao zavatra matetitetika izy isan’andro, mba hampisehoany hoe tiany ny vadiny. Izay no tsara indrindra.

Inona no azonao atao?

Teneno izy hoe tianao izy. Na teny tsotra fotsiny aza no lazainao, dia efa mety hahatsapany hoe tena tianao izy. Teneno fotsiny, ohatra, izy hoe: “Tiako ianao”, na hoe: “Tsisy atakaloko anao.”

Toro lalan’ny Baiboly: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.”—Matio 12:34.

Soso-kevitra: Tsy voatery hoe tenenina foana ilay izy, fa azo soratana koa. Azonao atao, ohatra, ny mandefa teny mamy amin’ny e-mail, na SMS, na taratasy kely.

Manaova zavatra mba hampisehoana hoe tianao izy. Ho hitany hoe tena avy amin’ny fonao ilay hoe “Tiako ianao” raha sady arahinao fihetsika kely, ohatra hoe manoroka azy, na mamihina azy, na mitazona ny tanany. Ho tsapany koa hoe tena tia azy ianao raha mba misafosafo kely azy, na mba mangata-maso kely any aminy, na manao fanomezana tsindraindray. Azon’ny lehilahy atao koa ny manampy ny vadiny amin’ny raharaha, ohatra hoe mitondra ny entany, mamoha varavarana ho azy, manasa vilia, manasa lamba, na mikarakara sakafo. Tsy hoe manampy ny vadiny fotsiny izy amin’izany, fa mampiseho mihitsy hoe tena tia azy.

Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka isika ... tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny, fa amin’ny atao.”—1 Jaona 3:18.

Soso-kevitra: Tiavo sy karakarao foana ny vadinao, hoatran’ny tamin’ianareo vao niaraka.

Manokàna fotoana mba hiarahanareo roa irery. Hifankatia kokoa ianareo amin’izay, ary ho tsapan’ny vadinao hoe mahafinaritra anao ny miaraka aminy. Mety ho sarotra aminareo anefa ny manokana fotoana hiarahana irery, raha manan-janaka ianareo na be asa be isan’andro. Maninona raha manao zavatra tsotsotra, ohatra hoe mba miaraka mandehandeha matetitetika, dia ianareo roa irery?

Toro lalan’ny Baiboly: “[Fantaro] tsara izay zava-dehibe kokoa.”—Filipianina 1:10.

Soso-kevitra: Misy mpivady be atao nefa ataony ao anaty fandaharam-potoanany hoe mba mampiaraka kely, ohatra hoe takariva iray isan-kerinandro na faran’ny herinandro iray isam-bolana, na ankoatra an’ireo.

Mpivady misakafo any amin’ny hotely

Fantaro tsara ny vadinao. Tsy mitovy ny zavatra ilain’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mila mifampiresaka àry ianareo roa hoe inona no tianao hatao aminao, dia inona no tiany hataonao aminy. Anontanio koa izy hoe inona no mbola mila iezahanao, ary tonga dia ataovy ilay izy sady ataovy matetika. Tadidio hoe tena ilaina ny maneho fitiavana raha tiana haharitra ny tokantrano.

Toro lalan’ny Baiboly: “Ny fitiavana ... tsy mitady izay hahasoa ny tenany.”—1 Korintianina 13:4, 5.

Soso-kevitra: Aza terena haneho fitiavana ny vadinao. Eritrereto kosa hoe: ‘Inona no azoko atao mba hahatonga azy ho vonona kokoa hampiseho amiko hoe tia ahy izy?’

Douglas sy Debra

“Nianatra ny tsy hifantoka be loatra amin’ny zavatra tiako sy ilaiko aho, fa niezaka nankasitraka ny zavatra efa ataon’ny vadiko ho an’ny tokantranonay. Dia hitako koa hoe rehefa miezaka foana aho mampiseho aminy hoe tiako izy, dia vao mainka izy mampiseho koa hoe tiany aho.”—Debra, miaraka amin’i Douglas vadiny.

Aron sy Flavia

“Miezaka foana izahay mitadidy hoe inona no ilain’ny ankilany. Faly, ohatra, ny vadiko rehefa asehoko hoe tiako ny zavatra ataony ho ahy. Izay no ahalalany hoe tena tiako izy. Dia ny ahy indray tiako rehefa miezaka mamantatra ny fihetseham-poko izy. Izay no ahitako hoe izy kay tena tia an’ahy.”—Flavia, miaraka amin’i Aron vadiny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara