FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwex lahatsoratra 1
  • “Manao Izay Vitako Aho”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Manao Izay Vitako Aho”
  • Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fomba Hanoratana Taratasy
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Nahazo Fanampiana Ireo Mpiara-manompo Tra-boina Tany Karaiba
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Lazao hoe Tianao Izy Ireo
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • “Mbola Tsy Nahatsapa Fitiavana toy Izao Aho”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwex lahatsoratra 1
Irma manoratra taratasy

“Manao Izay Vitako Aho”

Mipetraka any Alemaina i Irma ary efa ho 90 taona izy izao. Nianjera indroa izy ary nodidiana imbetsaka ka tsy afaka mitory isan-trano hoatran’ny taloha intsony. Manoratra taratasy amin’ny havany sy ny olom-pantany i Irma mba hiresahana ny zavatra inoany. Voarain’ny olona ny taratasy fampaherezana alefan’i Irma ary matetika izy ireo no miantso azy an-telefaonina hoe rahoviana indray no ho tonga ny taratasy manaraka. Mandefa taratasy fisaorana any aminy koa ny olona sady mangataka azy handefa taratasy indray. Hoy i Irma: “Izany rehetra izany no mahatonga ahy ho falifaly sy hitory foana.”

Irma

Mandefa taratasy any amin’ny trano fitaizana be antitra koa i Irma. Mitantara izy hoe: “Nisy vehivavy be taona niantso ahy an-telefaonina dia nilaza hoe tena nampahery azy ny taratasiko rehefa maty ny vadiny. Nataony ao anaty Baiboliny ilay taratasy ary matetika ilay izy no vakiny rehefa hariva. Nisy vehivavy maty vady vao haingana koa nilaza hoe ny taratasy nalefako, hono, no nanampy azy kokoa raha oharina amin’ny toriteny nataon’ny mpitondra fivavahana. Te hitsidika ahy, hono, izy satria misy zavatra be dia be tiany hanontaniana.”

Nifindra trano lavitra be ny vehivavy iray ary nangataka an’i Irma mba hanoratra taratasy ho azy. Nilaza i Irma hoe: “Notehiriziny daholo ny taratasiko. Niantso ahy ny zanany vavy taorian’ny nahafatesany sady nilaza hoe novakiny daholo ny taratasy nalefako ho an’ny reniny. Niangavy ahy izy mba hanoratra taratasy misy hevitra avy ao amin’ny Baiboly ho azy koa.”

Tena tian’i Irma ny fanompoany. Hoy izy: “Mangataka amin’i Jehovah aho mba homeny hery hahafahako manompo azy foana. Manao izay vitako aho, na dia tsy afaka mitory isan-trano intsony aza.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara