FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 88
  • Inona no Azoko Atao mba ho Tia Manao Fanatanjahan-tena Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Azoko Atao mba ho Tia Manao Fanatanjahan-tena Aho?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no ilaina ny fanatanjahan-tena?
  • Inona no misakana ahy tsy hanao fanatanjahan-tena?
  • Inona no azoko atao?
  • Mahaiza mandanjalanja
  • Ampy Fanatanjahan-tena ve Ianao?
    Mifohaza!—2005
  • Fomba 3—Mampiasà Vatana
    Mifohaza!—2011
  • Nahoana Aho no Tokony Hitandrina Fahasalamana?
    Mifohaza!—2010
  • Inona no Hataoko mba ho Salama Foana Aho?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 88
Ankizilahy iray miala eo amin’ny sezany ary manomboka mihazakazaka

MANONTANY NY TANORA

Inona no Azoko Atao mba ho Tia Manao Fanatanjahan-tena Aho?

  • Nahoana no ilaina ny fanatanjahan-tena?

  • Inona no misakana ahy tsy hanao fanatanjahan-tena?

  • Inona no azoko atao?

  • Mahaiza mandanjalanja

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Nahoana no ilaina ny fanatanjahan-tena?

Lasa tsy dia mampiasa vatana ny tanora, any amin’ny tany sasany. Mety hisy vokany ratsy amin’ny fahasalaman’izy ireo anefa izany. Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly hoe ‘mahasoa ny fampiasan-tena.’ (1 Timoty 4:8) Inona ny soa horaisinao raha manao fanatanjahan-tena ianao?

  • Ho falifaly kokoa ianao. Mamokatra andôrfinina ny atidohanao rehefa manao fanatanjahan-tena ianao. Zavatra simika mahatonga anao hilamin-tsaina sy ho falifaly izy io. Misy milaza hoe fanafodin’ny hakiviana ny fanatanjahan-tena.

    “Mahavita zavatra kokoa aho mandritra ny andro, rehefa mihazakazaka maraina. Lasa mahafinaritra koa ny tontolo androko. Manampy ahy ho falifaly ilay mihazakazaka.”—Regina.

  • Manatsara ny toe-batanao izy io. Hatanjaka sy ho salama kokoa ianao rehefa manao fanatanjahan-tena, sady hatoky tena kokoa.

    “Faly erỳ aho izao fa mahavita manao [paompy] folo. Tamin’ny herintaona anefa aho tsy nahavita na dia iray aza. Fa ny tena mahafaly an’ahy, dia ilay hoe mikarakara ny fahasalamako aho.”—Olivia.

  • Ho ela velona kokoa ianao. Misy vokany tsara amin’ny fo sy ny lalan-dra ary ny taovam-pisefoanao ny fanatanjahan-tena. Tsy dia atahorana ho tratran’ny aretim-po koa ianao. Voalaza fa ny aretim-po no anisan’ny mahafaty olona be indrindra, na lahy na vavy.

    “Rehefa zatra manao fanatanjahan-tena ianao, dia asehonao hoe mankasitraka ny Mpamorona ianao. Izy mantsy no nanome antsika ny vatantsika.”—Jessica.

Tadidio àry izao: Tena mahasoa anao ny fanatanjahan-tena, na amin’izao na amin’ny hoavy. Hoy i Tonya: “Tsy hiteny mihitsy ianao hoe ‘tahaka izay aho tsy nanao an’iny dia an-tongotra iny, na hoe tahaka izay aho tsy nandeha nihazakazaka.’” Nilaza koa izy hoe: “Mahita antony tsy hanaovana fanatanjahan-tena aho indraindray, fa miezaka manao ihany. Tsy manenina mihitsy aho avy eo.”

Ankizilahy iray mijery ny fiarany simba satria tsy nokarakarainy tsara

Ho simba ny fiara raha tsy karakaraina. Hoatr’izany koa no hiafaran’ny vatanao raha tsy manao fanatanjahan-tena ianao

Inona no misakana ahy tsy hanao fanatanjahan-tena?

Ireto misy antony sasany misakana ny olona tsy hanao fanatanjahan-tena:

  • Tsy mazoto. “Mieritreritra ny tanora sasany hoe tsy harary izany mihitsy izy, satria mbola matanjaka. Ny olon-dehibe ihany, hono, no marary.”—Sophia.

  • Tsy manam-potoana. “Be zavatra atao be aho. Sahirana aho vao mahita fotoana hisakafoanana sy hatoriana, mainka moa fa hoe fotoana hanaovana fanatanjahan-tena.”—Clarissa.

  • Tsy manam-bola. “Andoavam-bola ny toerana sasany fanaovana fanatanjahan-tena, sady amin’izay lafo be.”—Gina.

Eritrereto izao:

Inona no tena misakana anao tsy hanao fanatanjahan-tena? Mety tsy ho mora ny mandresy an’ilay izy. Tsy ho very maina anefa ny ezaka ataonao.

Inona no azoko atao?

Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy:

  • Aza miandry ny hafa fa manaova zavatra mba hahasalama anao.—Galatianina 6:5.

  • Aza mitady fialan-tsiny. (Mpitoriteny 11:4) Betsaka ny fanatanjahan-tena tsy andoavam-bola. Mila mifidy iray amin’ireny fotsiny ianao, dia manao an’ilay izy tsy tapaka.

  • Anontanio ny hafa hoe ahoana no ataony.—Ohabolana 20:18.

  • Manaova fandaharam-potoana matotra tsara. Miezaha hanana tanjona, dia soraty izay efa vitanao. Hazoto foana ianao amin’izay.—Ohabolana 21:5.

  • Mitadiava namana hanao fanatanjahan-tena miaraka aminao. Hazoto kokoa ianao amin’izay, sady hahavita hanaraka ny fandaharam-potoananao.—Mpitoriteny 4:9, 10.

  • Tadidio hoe tsy maintsy hisy foana ny sakantsakana, nefa aza atao mahakivy anao izany.—Ohabolana 24:10.

Mahaiza mandanjalanja

Milaza ny Baiboly fa tokony ‘hahay handanjalanja eo amin’izay zavatra fanaontsika’ isika. (1 Timoty 3:2, 11) Mila mahay mandanjalanja àry isika amin’ny resaka fanatanjahan-tena. Tsy hisy dikany ilay izy raha lasa tafahoatra. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Julia: “Tsy manintona mihitsy ny lehilahy iray raha bokona be nefa tsy misaina akory.”

Mitandrema koa amin’ny torohevitra sasany. Misy, ohatra, milaza hoe: ‘Tohizo foana na dia efa hoatran’ny ho faty aza ianao.’ Mety harary anefa ianao raha manao an’izany, sady tsy hifantoka amin’izay “zava-dehibe kokoa.”—Filipianina 1:10.

Misy zavatra sasany koa eritreretin’ny olona hoe handrisika anao, nefa vao mainka manakivy anao. Izao, ohatra, no nolazain’ny tovovavy iray atao hoe Vera: “Be dia be ny ankizivavy mitahiry ny sarin’ny olona tiany halaina tahaka. Mijery an’ireny sary ireny ry zareo rehefa mitady ho kivikivy. Lasa mampitaha ny tenany amin’ireny olona ireny anefa ry zareo, dia kivy avy eo. Izay hahatonga anao ho salama kokoa àry no tokony hataonao tanjona, fa tsy izay hahatsara ny bikanao fotsiny.”

Ny hevitry ny tanora toa anao

Yasmine

“Tia mihazakazaka aho satria manampy ahy tsy hiady saina ilay izy. Mitepo haingana kokoa ny foko rehefa mihazakazaka aho, sady miasa tsara ny vatako. Matanjaka kokoa aho rehefa avy mihazakazaka, sady lasa matoky tena kokoa.”—Yasmine.

Joel

“Anisan’ny fanatanjahan-tena ankafiziko ny baskety. Tiako ilay izy, dia tsy hoatran’ny fanatanjahan-tena intsony ny fiheverako azy. Elaela aloha ianao vao tena hahay sy hankafy an’ilay fanatanjahan-tena ataonao e! Handray soa anefa ianao raha miezaka.”—Joel.

Lily

“Tena mety amiko ilay manao dia an-tongotra sady mijery zavaboary. Lasa milamin-tsaina sy salama kokoa mantsy aho. Manana olana hoatran’ny olona rehetra aho. Rehefa manao dia an-tongotra anefa aho, dia mahavita misaina tsara sady mahazo hery indray. Tsy isan’andro ianao no mahatsapa an’izany, amin’ity fiainana mirotoroto ity.”—Lily.

Miles

“Be dia be ny antony mahatonga ny olona hieritreritra hoe mafy be ilay manao fanatanjahan-tena. Tsy mafy akory anefa ilay izy rehefa tsy mifantoka amin’izany ianao. Mandreraka, ohatra, ilay manao baskety. Tsy izany anefa no ifantohako fa ilay lalao. Mora mahazo namana koa aho rehefa manao baskety.”—Miles.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara