FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwwd lahatsoratra 15
  • Ny Lelan’ny Saka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Lelan’ny Saka
  • Nisy Namorona Ve?
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Sakadia Tsy Fahita Firy
    Mifohaza!—2013
  • Ireo Saka Lasa Mpirenireny
    Mifohaza!—2004
  • Lela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Volombavan’ny Saka
    Mifohaza!—2015
Hijery Hafa
Nisy Namorona Ve?
ijwwd lahatsoratra 15
Saka milelaka ny tongony ilany.

NISY NAMORONA VE?

Ny Lelan’ny Saka

Tia manadio ny vatany amin’ny lelany ny saka. Efa ho ny ampahefatry ny fotoanany no laniny hanadiovana ny vatany, rehefa tsy matory izy. Mahavita manadio tsara ny vatany ny saka satria hafakely ny fomba nanamboarana ny lelany.

Diniho izao: Misy zavatra kely matsokotsoko miisa 290 eo amin’ny lelan’ny saka. Samy misy karazana tatatra kely daholo ao anatin’izy ireny. Rehefa ampidirin’ny saka ao am-bavany ny lelany, dia tonga dia misy rora miditra ao amin’ilay tatatra. Isaky ny milelaka ny volony àry ny saka, dia mandalo eo amin’ilay volo ilay zavatra matsokotsoko kely eo amin’ny lelany, dia mamoaka rora mankany amin’ny hodiny.

Zavatra matsokotsoko amin’ny lelan’ny saka

Afaka mitatitra rora 48 mililitatra eo ho eo isan’andro mankany amin’ny hodiny sy ny volony ny lelan’ny saka. Misy anzima manala loto ao amin’iny rora iny. Rehefa lasa etona koa ilay rora, dia manampy ny vatan’ny saka mba ho lasa mangatsiatsiaka. Tena ilain’ny saka izany satria vitsy ihany ny fihary hatsembohana ao amin’ny vatany.

Rehefa misy miraikitra ny volon’ilay saka, ka midona eo ny iray amin’ireo zavatra matsokotsoko amin’ny lelany, dia midina lalina kokoa any anaty volony any ilay izy, dia mihamatanjaka, dia mahavita manasaratsaraka an’ilay volo. Rehefa manadio ny vatany koa ny saka, dia mikasoka ny hodiny ny tendron’ireo zavatra matsokotsoko amin’ny lelany. Misy vokany tsara amin’ny hodiny izany. Naka tahaka ny lelan’ny saka ny mpikaroka, dia nanandrana nanamboatra borosim-bolo tsy mitovy amin’ny borosim-bolo mahazatra. Mora diovina kely ilay izy, sady tsy voatery misintona mafy ianao rehefa mampiasa azy. Mora bangoina kely koa izay volo miraikitra rehefa tratrany. Mieritreritra ny mpikaroka hoe mety hanampy an-dry zareo hahita hevitra tsara ny lelan’ny saka, ohatra hoe mba hanamboarana fitaovana mety tsara hanadiovana toerana feno volo, na mba hanatsarana ny fomba fanosorana ranon-javatra na fanafody amin’ny hoditra misy volo.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny lelan’ny saka, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara