FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbv lahatsoratra 26
  • Salamo 46:10: “Mitsahara, ka Aoka ho Fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Salamo 46:10: “Mitsahara, ka Aoka ho Fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra”
  • Fanazavana Andinin-teny
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no tian’ny Salamo 46:10 holazaina?
  • Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Salamo 46:10?
  • Salamo 37:4: “Aoka NY TOMPO no Iravoravoanao”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana 3 sy 4
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Salamo 23:4: “Na dia Mandeha Mamakivaky ny Lohasaha Aloky ny Fahafatesana aza Aho”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Tena Amin’ny An-tsipiriany ny Faminaniana Momba ny Mesia
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
Hijery Hafa
Fanazavana Andinin-teny
ijwbv lahatsoratra 26

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Salamo 46:10: “Mitsahara, ka Aoka ho Fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra”

“Ekeo hoe resy ianareo, ary fantaro fa izaho no Andriamanitra. Hisandratra eo amin’ireo firenena aho, ary hisandratra eran-tany.”​—Salamo 46:10, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

“Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.”​—Salamo 46:10, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Salamo 46:10 holazaina?

Mampirisika ny olona rehetra Andriamanitra mba hanompo azy sy hanaiky hoe izy no manana zo hitondra ny tany. Tsy maintsy manaiky ny heriny sy ny fahefany izay rehetra te hiaina mandrakizay.​—Apokalypsy 4:11.

“Ekeo hoe resy ianareo, ary fantaro fa izaho no Andriamanitra.” Misy fandikan-tenin’ny Baiboly sasany mandika ny tapany voalohany amin’io fehezanteny io hoe “mitsahara.” Lasa diso àry ny fandraisan’ny olona an’ilay andinin-teny. Ny dikan’io, hono, dia hoe mila manajanaja be na mangina ianao rehefa any am-piangonana. Inona anefa no tena hevitr’ireo teny hebreo nadika hoe “ekeo hoe resy ianareo, ary fantaro fa izaho no Andriamanitra”? I Jehovaha Andriamanitra mihitsy eo no mampirisika ny olona avy amin’ny firenena rehetra hoe tsy tokony hanohitra azy intsony izy ireo fa hanaiky hoe izy irery ihany no mendrika hivavahana.

Misy fampirisihana mitovitovy amin’izany koa ao amin’ny Salamo faha-2. Mampanantena Andriamanitra ao hoe horinganiny izay manohitra azy. Izay manaiky ny fahefany kosa miantehitra aminy mba hahazoana tari-dalana sy hery ary fahendrena. “Mialoka aminy” izy ireo ka sambatra sy milamin-tsaina, indrindra rehefa ao anatin’ny sarotra.​—Salamo 2:9-12.

“Hisandratra eo amin’ireo firenena aho, ary hisandratra eran-tany.” Efa nisandratra i Jehovah Andriamanitra taloha, tamin’izy nampiasa ny heriny mba hamonjena ny vahoakany. (Eksodosy 15:1-3) Mbola hisandratra avo kokoa anefa izy amin’ny hoavy rehefa hanaiky ny fahefany sy hanompo azy daholo ny olona rehetra eto an-tany.​—Salamo 86:9, 10; Isaia 2:11.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Salamo 46:10?

Misy boky iray miantso ny Salamo faha-46 hoe “hira ankalazana an’ilay Andriamanitra mahery mpiaro ny vahoakany.” Rehefa mihira ny Salamo faha-46 ny vahoakan’Andriamanitra, dia mampiseho ny fatokisany hoe vitan’i Jehovah ny miaro sy manampy azy ireo. (Salamo 46:1, 2) Mampahatsiahy an-dry zareo ireo teny ao hoe eo foana i Jehovah hanohana azy ireo.​—Salamo 46:7, 11.

Mampirisika azy ireo hisaintsaina ny asa lehibe nataon’i Jehovah ilay salamo, amin’izay ry zareo vao mainka hatoky hoe manana hery hiarovana azy ireo izy. (Salamo 46:8) Nasongadiny manokana ilay hoe mahavita mampitsahatra ny ady izy. (Salamo 46:9) Azo lazaina hoe nampitsahatra ady i Jehovah taloha rehefa niaro ny vahoakany tamin’ny fahavalony. Mampanantena anefa ny Baiboly fa mbola hanao zavatra lehibe lavitra noho izany izy tsy ho ela, satria ny ady eran-tany mihitsy no hatsahany.​—Isaia 2:4.

Mbola manampy ny mpanompony ve i Jehovah amin’izao? Ie. Nampirisika mafy ny Kristianina ny apostoly Paoly mba hiantehitra amin’i Jehovah rehefa mila fanampiana. (Hebreo 13:6) Rehefa mandinika ny hevitra resahin’ny Salamo faha-46 isika, dia hatoky kokoa hoe manana hery hiarovana antsika Andriamanitra. Vao mainka isika hihevitra azy ho “fialofana sy hery ho antsika.”​—Salamo 46:1.

Vakio ny Salamo faha-46, dia jereo koa ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanondroana andininy hafa.

Jereo ity video fohy ity raha te hanao topy maso ny bokin’ny Salamo ianao.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara