FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbv lahatsoratra 46
  • 1 Korintianina 10:13: “Mahatoky Andriamanitra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1 Korintianina 10:13: “Mahatoky Andriamanitra”
  • Fanazavana Andinin-teny
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no tian’ny 1 Korintianina 10:13 holazaina?
  • Inona no voalazan’ny teny manodidina ny 1 Korintianina 10:13?
  • Fandresena ny Fahalemen’olombelona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Aza Manaiky ho Resin’ny Fakam-panahy
    Mifohaza!—2014
  • Fakam-panahy
    Mifohaza!—2017
  • “Mba Tsy Hidiranareo Amin’ny Fakam-panahy”
    Miambena Hatrany!
Hijery Hafa
Fanazavana Andinin-teny
ijwbv lahatsoratra 46

FANAZAVANA ANDININ-TENY

1 Korintianina 10:13: “Mahatoky Andriamanitra”

“Tsy misy fakam-panahy mahazo anareo, afa-tsy izay mpahazo ny olona. Tsy mivadika amin’ny teniny anefa Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo. Fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo an’izany.”​—1 Korintianina 10:13, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

“Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.”​—1 Korintianina 10:13, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny 1 Korintianina 10:13 holazaina?

Manasongadina toetran’Andriamanitra iray mahatonga antsika ho tia azy io andinin-teny io. Tsy inona izany fa ilay hoe tsy mivadika izy. Afaka matoky ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika fa hanampy an-dry zareo izy, indrindra rehefa misy fakam-panahy na fitsapana mahazo an-dry zareo.

“Tsy misy fakam-panahy mahazo anareo, afa-tsy izay mpahazo ny olona.” Mety ho tratran’ny fakam-panahy hanao zavatra tsy mampifaly an’Andriamanitra ny mpanompony. Na dia sarotra aza ny miatrika an’ireny fakam-panahy ireny, dia tsy vaovao ilay izy satria efa be dia be ny olona efa nandalo an’ilay izy.a Noho izany dia afaka matoky ny mpanompon’Andriamanitra fa ho vitan’izy ireo tsara ny hiatrika an’ireny fakam-panahy ireny.

“Tsy mivadika amin’ny teniny ... Andriamanitra.” Azo itokisana sy azo ianteherana i Jehovahb Andriamanitra. Nampanantena izy fa tsy hanary an’izay tia azy sy tsy mivadika aminy ary mankatò azy foana. (Deoteronomia 7:9; Salamo 9:10; 37:28) Nitana an’io teniny io foana izy. Noho izany, dia afaka matoky izay rehetra manompo azy hoe tsy hivadika amin’ireo fampanantenana roa voalaza ao amin’ny tohin’ilay andininy izy.

“Tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo [izy].” Tsy misy fitsapana avelan’Andriamanitra ho mafy loatra ka hoe tsy ho vitan’ny olona iray ny hiaritra an’ilay izy. Asehony amin’izany fa tsy mivadika amin’ny teniny izy. Fantany ny fetran’ny zavatra azon’ny mpanompony rehetra atao.​—Salamo 94:14.

“Rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo an’izany.” Azon’Andriamanitra esorina ny fitsapana, na azony atao koa ny manome an’izay ilain’ny mpanompony mba hahafahan-dry zareo miaritra an’ilay izy. Afaka mitari-dalana amin’ny alalan’ny fanahy masina, ohatra, izy, na mampionona amin’ny alalan’ny Baiboly, na koa manome fanampiana amin’ny alalan’ny mpiray finoana.​—Jaona 14:26; 2 Korintianina 1:3, 4; Kolosianina 4:11.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny 1 Korintianina 10:13?

Ao amin’ny taratasy iray nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny fiangonana tany Korinto no misy an’io andinin-teny io. Nampiasa ny tantaran’ny Israely taloha i Paoly ao amin’ny ampahany amin’io taratasy io mba hampitandremana ny Korintianina. (1 Korintianina 10:11) Nitanisa fitsapana sy fakam-panahy maromaro natrehin’ny Israelita izy, anisan’izany ny fanompoan-tsampy sy ny fitondran-tena maloto. (1 Korintianina 10:6-10) Resin’ireny fakam-panahy ireny ny sasany tamin-dry zareo. Mampahatsiahy ny Kristianina àry i Paoly mba tsy hatoky tena be loatra ka hieritreritra hoe tsy ho resin’ny fakam-panahy izany mihitsy ry zareo. (1 Korintianina 10:12) Nilaza an’ilay teny manome toky ao amin’ny 1 Korintianina 10:13 anefa izy avy eo. Vitan’ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika ny handresy rehefa misy fitsapana, na inona izany na inona.

Vakio ao amin’ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny 1 Korintianina toko faha-​10. Mora vakina io Baiboly io sady misy raki-peo, fanamarihana ambany pejy, fanondroana andininy hafa, ary fanazavana fanampiny misy sary sy sarin-tany.

Jereo ity video fohy ity raha te hanao topy maso ny bokin’ny 1 Korintianina.

a Mety ho fitsapana no tian’ilay teny grika nadika hoe “fakam-panahy” horesahina.

b Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara