GEORGIY PORCHULYAN | TANTARAM-PIAINANA
“Tsy ho Nahavita Niaritra Aho Raha Tsy Noho ny Fitiavako An’i Jehovah”
Vao 23 taona aho tamin’izaho nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tany Magadan, any Siberia. Nampijaly be ny fiainana tany. Vao herintaona talohan’io aho no vita batisa, izany hoe lasa Vavolombelon’i Jehovah. Vao mba nanandrana nitory ny zavatra ninoako aho tamin’izany, dia saika niady tamin’ny olona niara-nigadra tamiko. Izaho mantsy tsy dia nisaina tsara sady mbola vao haingana kely no lasa Vavolombelona.
Fa inona no nahatonga ahy hanaraka an’io fivavahana io, nefa kominista aho taloha, sady ilay fivavahana koa niaraha-nahalala hoe fahavalom-panjakana? Nahoana no lasa nihatsara ny toetrako, nefa nasaina niasa an-terivozona sy nalefa sesitany an-taonany maro aho? Nahoana no nanampy ahy tamin’izany ny fitiavan’i Jehovah sy ny fampiofanany?
Nitady rariny sy fiadanan-tsaina
Teraka tamin’ny 1930 aho, tany Tabani, tanàna mahantra any amin’ny faritra avaratr’i Moldavia. Niasa mafy tany amina toeram-piompiana iombonana ny ray aman-dreniko mba hamelomana anay enina mianadahy. Tena nahantra izahay tamin’izany. Mpivavaka tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Rosianina ny reniko, fa ny dadako Katolika. Nifamaly be foana izy mivady noho ny zavatra nanafintohina be nataon’ny mpitondra fivavahana.
Lasa mpikambana tao amin’ilay fikambanana tanora atao hoe Komsomol aho, rehefa nahavita fianarana, tamin’izaho 18 taona. Natao hampielezana ny fampianarana kominista izy io, sady natao hampiofanana tanora mba ho lasa mpikambana ao amin’ny Antoko Kominista. Vao niditra kelikely tao aho, dia lasa sekretera tao amin’ilay fikambanana, fa tany aminay ihany. Nampianarina anay tao hoe mpirahalahy daholo ny olona rehetra sady mitovy daholo, dia tsy tokony hasiana tombo sy hala. Tiako izany, fa diso fanantenana anefa aho nahita hoe nanjaka ny tsy rariny sy ny kolikoly.
Noho izaho mpikambana tao amin’ny Komsomol, dia tsy nanan-tsafidy aho, fa tsy maintsy nanaiky ny didy navoakan’ny Firaisana Sovietika.a Namoaka didy ry zareo hoe akatona daholo ny fiangonana dia foanana ny antokom-pivavahana rehetra. Nisy Vavolombelon’i Jehovah anefa tao an-tanànanay. Voamariko hoe nanao ny marina ry zareo sady tsy mba tia niady tamin’olona. Nafana fo loatra koa anefa ny fahitako azy. Tsy nampoiziko hoe hay ry zareo no hahavaly ny fanontaniako, tsy ela taorian’izay. Nanana fanontaniana be dia be aho, dia voavalin’ny iray tamin-dry zareo daholo.
Vavolombelon’i Jehovah ny dadatoako. Dimitriy no anarany, dia teny akaikinay izy no nipetraka. Nanontaniany aho, indray mandeha tamin’ny Mey 1952, hoe: “Georgiy a, inona no tena eritreretin’ialahy hatao any aoriana any?” Izy irery no mba nieritreritra momba an’ahy tamin’izany, dia nanontany an’ahy hoatr’izany. Fa izaho koa anefa efa nanana fanontaniana be dia be nanitikitika ny saiko. Lasa saina foana, ohatra, aho hoe: ‘Raha misy Andriamanitra, dia nahoana no avelany hijaly be hoatr’izao isika?’ Novalian’i Dimitriy avy tao amin’ny Baiboly ny fanontaniako rehetra avy eo, nandritra ny valo andro. Indraindray aza izahay hatramin’ny telo ora maraina mbola tsy natory fa variana niresaka momba an’Andriamanitra!
Georgiy sy Dimitriy nifampiresaka momba ny Baiboly, hatramin’ny alina be mihitsy indraindray
Tapa-kevitra handalina ny Baiboly aho taorian’ny resakay. Lasa fantatro hoe hay misy Raiko tena tia ahy any an-danitra. (Salamo 27:10) Mbola kely ihany ny zavatra haiko tao amin’ny Baiboly, nefa efa lasa tena tia an’i Jehovah aho, dia nisy fanapahan-kevitra hentitra noraisiko. Niala tao amin’ny Antoko Kominista aho, na dia nandrahona ahy aza ny tompon’andraikitra tao amin’ilay izy. Nanokan-tena ho an’i Jehovah aho, dia natao batisa tamin’ny Septambra 1952. Vao efa-bolana aho tamin’izay no nianatra Baiboly.
Notsapaina ny fitiavako an’i Jehovah
Voarara ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Tiako naseho anefa hoe tiako i Jehovah, dia nanolo-tena hanatitra boky sy gazety tany amin’ny mpiara-manompo aho. Nampidi-doza be izany satria vao tsy mahafantatra anao fotsiny ny olona ao amin’ny tanàna sasany, dia mety hiahiahy anao dia hitoroka anao any amin’ny manam-pahefana. Na ny Vavolombelona sasany aza tamin’izany tsy natokitoky ahy, satria natahotra ry zareo sao polisy miafina aho fa mody nilaza hoe rahalahy. Soa ihany fa taoriana kelin’izay ihany dia efa nazava hoe tsy mpitsikilo aho. Nosamborina aho mantsy dia nogadraina, roa volana monja taorian’ny batisako, satria tratra nanatitra boky sy gazety voarara.
Efa ho herintaona aho no notanana am-ponja vonjimaika, dia nanaovana famotorana im-be dia be. Nataon’ny manam-pahefana mantsy izay hampivadika ahy. Efa tena tia an’i Jehovah Andriamanitra anefa aho tamin’izany, dia tsy nanaiky hivadika mihitsy. Niakatra fitsarana tany Odessa, any Ukraine aho, tatỳ aoriana. Nampanantsoina tany amin’ilay fitsarana koa ny ray aman-dreniko sy ny iray tam-po amiko. Mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah ry zareo tamin’izany.
Nolazaina nandritra an’ilay fitsarana hoe voafitaka aho, dia lasa nanaraka sekta mampidi-doza. Tian’ny manam-pahefana hino ny ray aman-dreniko sy ny iray tam-po amiko hoe lasa adala aho. Dia natahotra be ny ray aman-dreniko. Nitomany be ry zareo sady niangavy ahy hiala tsy ho Vavolombelona intsony. Tony foana anefa aho. Noteneniko mamanay hoe: “Aza matahotra fa tsy voafitaka izany aho. Io no efa notadiaviko hatramin’izay. Efa hitako izao ilay izy, dia tsy hialako izany intsony.” (Ohabolana 23:23) Mbola tsy tena nahay Baiboly aho tamin’izany, nefa efa betsabetsaka ihany no fantatro momba an’i Jehovah, dia nahavita tsy nivadika taminy aho. Lasa nazava kokoa tamin’ny ray aman-dreniko ny zavatra ninoako, enin-taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah koa ry zareo.
Nampangain’ny fitsarana teo imason’ny ray aman-dreniny i Georgiy hoe lasa nanaraka sekta mampidi-doza
Voaheloka hanao asa an-terivozona 15 taona aho, dia nalefa tamin’ny lamasinina nankany Kolyma, any Siberia. Nisy toby fiasana an-terivozona be dia be tany. Izay no nampahalaza an’io faritra io. Nampijalijaly anay ny mpiambina sy ny manam-pahefana tany. Zara raha nomen-dry zareo sakafo koa izahay. Lasa saina aho tamin’ny voalohany hoe mbola ho tafavoaka velona avy any ihany ve.
Nokarakarain’Andriamanitra sady nampiofaniny
Efa nisy Vavolombelona 34 teo ho eo tao amin’ilay toby. Vao tonga aho, dia nanontany ahy moramora ny sasany hoe: “Misy Jonadaba angaha ao aminareo?” Tonga dia haiko avy amin’io tenin-dry zareo io hoe mpiara-manompo amiko ry zareo. Tsy nisy afa-tsy ry zareo mantsy no nampiasa teny avy amin’ny Baiboly hoatr’izany! Rahalahy efa ampy traikefa daholo izy rehetra. Nampianariny ahy hoe ahoana no hampiharana ny torolalan’ny Baiboly rehefa misy fitsapana. Nampiany hanana toetra tsara koa aho, ohatra hoe hahay handinika tsara.
Mpikirakira milina no asako tao amin’ilay toby. Nisy mpiara-miasa tamiko anankiray atao hoe Matphey nirehareha be hoe nahay tsianjery anarana olo-masina 50. Nilaza zavatra ratsy momba an’ireo olona nolazainy hoe olo-masina ireo anefa aho, dia tonga dia notifiriny totohondry fa tafatsoaka aho. Nalahelo be aho avy eo satria nihomehy ireo rahalahy niara-nigadra tamiko. Nanontaniako ry zareo hoe: “Fa maninona ianareo no mihomehy? Izaho ange mba te hitory fotsiny e!” Dia nampahatsiahivin-dry zareo moramora aho hoe hitory ny vaovao tsara no tanjontsika fa tsy hampahatezitra olona. (1 Petera 3:15) Gadra politika i Matphey, nefa gaga izy hoe manaja be an’ireo mpiambina sy ny manam-pahefana hafa ny Vavolombelona. Lasa te hianatra Baiboly izy tatỳ aoriana. Mbola tadidiko foana ilay indray alina izay. Natao batisa mangingina tao anaty barìka nofenoina rano mangatsiaka izy tamin’izay.
Vao tonga kelikely tao amin’ilay toby aho, dia nasaina nanatrika kilasy fianarana momba ny politika, niaraka tamin’ny rahalahy tanora roa hafa. Tsy nanaiky hanatrika an’ilay izy izahay tamin’ny voalohany satria nieritreritra hoe lasa miditra amin’ny politika raha manao an’izany, nefa tsy mety amin’ny Kristianina izany. (Jaona 17:16) Nalefa tao amina efitra fanasaziana àry izahay nandritra ny tapa-bolana. Maizina be tao. Rehefa afaka tao izahay, dia nanazava moramora taminay ny rahalahy hafa hoe tsy voatery hidika hoe lasa manao politika izahay raha manatrika fotsiny an’ilay kilasy. Afaka manararaotra mitory aza izahay rehefa mankany. Hita hoe be fitiavana sady tsara fanahy ny rahalahy niara-nigadra taminay, satria nampian-dry zareo izahay mba hahay handinika sy hahay handanjalanja kokoa.
Nanam-paharetana koa ry zareo nampiofana anay, dia hitako hoe tsy hoe tia ahy fotsiny i Jehovah fa nanampy ahy koa. Nisy mpitondra fivavahana izay izao, ohatra, voatendry ho lehiben’ny mpanao kaonty tao am-ponja. Isaky ny nifanena tamiko izy rehefa nisakafo izahay, dia izao foana no teniny: “Manahoana ry zanaky ny Devoly a!” Nisy gadra nanoro hevitra ahy mba hamaly faty azy, dia hiteny hoe: “Manahoana Dada a!” Dia narahiko tokoa ny toroheviny, kanjo ady sy totohondry ny vokany. Voa mafy mihitsy aho tamin’izay. Henon’ireo rahalahy niara-nigadra tamiko avy eo ny nahazo ahy, dia nampisaintsainin-dry zareo aho hoe tsy nety ny nataoko. (Ohabolana 29:11) Niala tsiny tamin’ilay mpitondra fivavahana aho taorian’izay.
Andro alina na vao maraina be aho no nanatrika fivoriana kristianina, talohan’ny nandefasana ahy tany amin’ny toby fiasana an-terivozona. Niafina koa izahay rehefa nanao an’izany. Tao amin’ilay toby anefa tena tsy nisy toerana azo niafenana mihitsy. Mody nitangorongorona àry izahay rahalahy rehetra tao amin’ilay toby isan’andro, na dia nahita anay aza ny mpiambina. Niara-nandinika andinin-teny no nataonay tamin’izany. Efa nosoratanay mialoha tamin’ny taratasy kely ilay izy. Ny hahay tsianjery andinin-teny betsaka araka izay azo atao no tanjonay, dia avy eo tadidina foana ilay izy. Vao nanatona anay ny mpiambina dia natelinay haingana ilay taratasy kely.
Tsy nisy niafenana mihitsy tao amin’ilay toby fiasana an-terivozona, dia teo imason’ny mpiambina ny Vavolombelona no namaky Baiboly
Nalefa sesitany fa mbola tsy narian’Andriamanitra
Georgiy efa afaka tany amin’ilay toby fiasana an-terivozona, taoriana kelin’ny 1960
Nafahana aho tamin’ny 1959, dia nalefa sesitany tany Karaganda, any Kazakhstan. Mbola narahin’ny manam-pahefana maso aho tamin’izany, nefa niera tamin-dry zareo hoe tsy ho eo kely mandritra ny 20 andro fa hanambady. Nankany Tomsk, any Rosia aho. Nisy an’izay anabavy hoe Maria izay mantsy tany. Tsy nivadika tamin’i Jehovah izy sady nahafinaritra be. Vao nihaona taminy aho dia tonga dia novantaniko ny resaka, hoatran’ny efa fanaoko hatramin’izay ihany. Noteneniko izy hoe: “Maria a, tsy mba manam-potoana hoe hifaneraserana kely aminao aho, fa andao tonga dia hivady!” Nanaiky izy, dia natao tsotsotra ny mariazinay. Nanohina ny fon’i Maria ny nahafantatra hoe efa niaritra fitsapana be dia be aho, dia te hanampy ahy tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy izy.—Ohabolana 19:14.
Tsy afaka tena hoe nitory isan-trano izahay tamin’izany, dia niezaka niresaka tamin’olona ny zavatra ninoanay isaky ny afaka nanao an’izany. Rehefa nisy nanasa, ohatra, izahay na nandeha vakansy, dia noresahinay tamin’ny olona hoe manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany izahay. Nitady fomba hiresahana tamin’olona foana koa izahay. Rehefa nisy trano namidy, ohatra, dia notsidihinay ilay izy sady nampiresahanay moramora ilay tompony sao mba liana amin’ny Baiboly. Lasa afaka nampianatra Baiboly olona enina izahay sy Maria vokatr’izany, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah ry zareo tatỳ aoriana.
Afaka nitory koa izahay indraindray tamin’ny fotoanan’ny fifidianana. Nisy polisy miafina tonga, ohatra, tao amin’ny orinasa niasanay sy ny rahalahy vitsivitsy hafa. Nanontanian’ireo polisy ireo teo anatrehan’ny mpiara-miasa 1 000 teo ho eo izahay hoe maninona ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy manao politika. Tonga dia niaro anay ilay injeniera lehibenay sy ny mpiasa maromaro hafa. Nohazavain-dry zareo tamin’ireo polisy hoe azo atokisana izahay sady mazoto miasa. Lasa sahy nanazava ny antony tsy anaovanay politika izahay avy eo. Nampiasainay izay andinin-teny tadidinay tsianjery. Nisy vokany tsara ny fahasahianay satria lasa nisy mpiasa efatra liana tamin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia tsy ampy herintaona tatỳ aoriana, dia natao batisa.
Be dia be ny olona lasa Vavolombelon’i Jehovah tany Kazakhstan taoriana kelin’ny 1970. Nieritreritra àry izahay hoe tokony hasiana fivoriambe amin’izay tany. Niady saina anefa izahay hoe ahoana no hanaovana an’izany mba tsy ho tratran’ny manam-pahefana. Nisy mariazy tao amin’ny tanàna kely iray tany akaikin’i Almaty, dia nohararaotinay natao niaraka tamin’ilay izy ilay fivoriambe. Fivoriambe iray andro ilay izy. Tena mariazy no natao fa tsy sarintsariny, sady fivoriambe koa! Nahatratra 300 mahery ny mpanatrika. Nanaingo an’ilay toerana sy nikarakara sakafo matsiro ny vadiko sy ny anabavy vitsivitsy. Tena niasa mafy ry zareo tamin’izay. Fa fantatrareo ve hoe inona no tena tian’ny mpanatrika tamin’ilay fandaharana? Ny lahateny ara-baiboly nohenoin-dry zareo. Rahalahy 12 teo ho eo no nandaha-teny, anisan’izany aho. Sambany aho tamin’izay vao hoe nanao lahateny ara-baiboly teo imason’olona be dia be.
Nasehon’i Jehovah foana hoe tia anay izy nandritra ny fiainana nodiavinay
Georgiy sy Maria vadiny ary Lyudmila zanany vavy
Tsy nanary ahy mihitsy i Maria, vady malalako, fa nanampy ahy foana tamin’izy mbola velona. Nalemy fanahy izy sady tsy mba mafy loha. Ny asan’ilay Fanjakana foana no nataony loha laharana. Natanjaka be mihitsy izy nefa indrisy fa lasa tratran’ilay aretin’ny taolana antsoina hoe ostéoporose, dia tsy tafatsangana teo am-pandriana intsony efa ho 16 taona. Soa ihany fa teo i Lyudmila zanakay vavy. Nahay nangoraka be io zanakay io, dia izy no nanampy ahy hikarakara an’i Maria mandra-pahafatin’i Maria tamin’ny 2014.
Tena tsy hitako izay natao rehefa nihetsika ny aretin’ilay vady malalako. Niara-namaky Baiboly sy lahatsoratra mampahery foana anefa izahay roa, mandra-pahafatiny. Matetika koa izahay no nifampiresaka momba ny tontolo vaovao. Nisy fotoana aho nitomany mangina teo akaikin’i Maria, fa isaky ny avy namaky ny fampanantenana tsara be omen’i Jehovah anefa izahay roa, dia lasa tony indray sady natanja-tsaina indray, dia nahavita niaritra.—Salamo 37:18; 41:3.
Georgiy sy Lyudmila any amin’ny toeram-pivoriana iray
Nahatsapa foana aho hoe nampian’i Jehovah sy nokarakarainy, nanomboka tamin’ilay andro voalohany nahatsapako hoe tia ahy izy. (Salamo 34:19) Tamin’izaho mbola tovolahy, ohatra, sady mbola tsy nahita fiainana, dia hitako hoe tena tia ahy i Jehovah satria nisy olona nasainy nanampy ahy mba hanatsara ny toetrako. Nanam-paharetana be ry zareo nanampy ahy. Tsapako koa tamin’izaho nijaly tany amin’ny toby fiasana an-terivozona sy tany an-tsesitany hoe nampiasain’i Jehovah ny Teniny mba hampaherezana ahy. Nomeny hery koa aho mba hahavitako hikarakara an’i Maria, vady malalako, mandra-pahafatiny. Tena tsy ho nahavita niaritra aho raha tsy tia ahy i Jehovah.—Salamo 31:19.
a Anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha i Kazakhstan sy Moldavia ary Ukraine talohan’ny 1991.