FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfs lahatsoratra 9
  • Tiako Be Ilay hoe Misionera!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tiako Be Ilay hoe Misionera!
  • Tantaram-piainan’ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahafantatra ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly izahay
  • Nametraka tanjona aho
  • Tratrako ny tanjoko
  • Niatrika zava-tsarotra sady nanao misionera
  • Nasaina niala tany amin’ilay tany nanendrena ahy!
  • Nanompo tany Honduras
  • Sambatra erỳ ianao rehefa manatratra tanjona amin’ny fanompoana
  • Miteraka Fitomboana Eran-tany ny Misionera
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • “Ny tanan’i Jehovah nomba azy ireo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Nanohana Ahy i Jehovah Nandritra ny Androm-piainako
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fampifantohana Hatrany ny Maso sy ny Fo Amin’ny Loka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Tantaram-piainan’ny Vavolombelon’i Jehovah
lfs lahatsoratra 9
Elfriede Urban.

ELFRIEDE URBAN | TANTARAM-PIAINANA

Tiako Be Ilay hoe Misionera!

Mafy be daholo ny zavatra niainako tamin’izaho mbola kely. Teraka tany Tsekoslovakia aho tamin’ny 11 Desambra 1939, izany hoe telo volana fotsiny taorianan’ny nipoahan’ny Ady Lehibe II. Maty i Neny, tapa-bolana taorian’ny nahaterahako satria saro-piterahana be izy tamin’izy niteraka an’ahy. I Dada anefa talohan’io efa nandeha niasa tany Alemaina. Soa ihany fa teo Bebenay sy Dadabenay avy amin’ny neninay, dia ry zareo no nitaiza an’ahy. Mbola nitaiza ny nenifaranay telo koa anefa ry zareo, izany hoe ny zandrin’i Neny anankitelo.

Miaraka amin’i Dadabe sy Bebe

Nifarana tamin’ny 1945 ny ady, kanefa mbola mafy be ny fiainana taorianan’izay. Izahay koa mantsy Alemà, dia noroahina hiala tany Tsekoslovakia dia nalefa tany Alemaina. Be dia be anefa ny tanàna ravarava tany, sady nahantra faraidiny ny olona. Nisy fotoana ny nenifaranay nijoro sy nilahatra sakafo nandritra ny alina tontolo nefa sakafo kely fotsiny no azony avy eo. Indraindray koa izahay nandeha naka voaroimainty sy holatra tany anaty ala, dia natakalonay mofo ilay izy. Faran’izay kely ny anjara sakafo nomena ny olona tsirairay ka na ny biby ao an-trano aza very, satria nangalarin’ny olona nataony sakafo. Matetika izahay no mandry fotsy rehefa alina.

Nahafantatra ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly izahay

Katolika i Dadabe sy Bebe kanefa izahay aza tsy nanana Baiboly akory. Tsy nety nivarotra Baiboly tamin’i Dadabenay mantsy ny mompera. Mihaino Lamesa fotsiny, hono, no tokony hataon’ny mpiangona tsotra. Be dia be àry ny zavatra tsy azon’i Dadabe momba an’Andriamanitra.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah anankiroa tonga tao aminay indray andro. Fito taona aho tamin’izay. Nampiasa Baiboly izy ireo dia novaliany daholo ny fanontanian’i Dadabe, ohatra hoe momba ny Andriamanitra telo izay iray, ny afobe, ary hoe manao ahoana ny olona rehefa maty. Hitan’i Dadabe hoe tena nazava tsara ny fanazavan’ny Baiboly sady nahafa-po, ka resy lahatra izy hoe io no fahamarinana. Nanaiky hianatra Baiboly tsy tapaka tamin’izay mpivady Vavolombelon’i Jehovah izay daholo izahay mianakavy avy eo.

Nametraka tanjona aho

Lasa vao mainka tia an’i Jehovah aho, na dia mbola ankizivavikely aza. Tiako be mihitsy ny namaky lahatsoratra momba an’ireny misionera manompo an’i Jehovah any lavitra be ireny. Hozy aho tamin’izany hoe: ‘Mba hoatran’ny ahoana àry ny fiainan’ireny? Mba hoatran’ny ahoana re izany mitory amin’ny olona mbola tsy mahafantatra ny anaran’i Jehovah izany mihitsy e?’

Elfriede tamin’ny mbola kely, mipetraka ao am-pianarana.

Taloha kelin’ilay izaho nanao tanjona ny ho misionera

Tapa-kevitra aho, tamin’izaho 12 taona fa hanao misionera rehefa lehibe, dia nataoko daholo izay azoko natao hanatratrarako an’izay tanjoko izay. Niezaka ho lasa mpitory mazoto aloha izaho. Dia avy eo tamin’ny 12 Desambra 1954 aho natao batisa. Nanao mpisava lalana koa izaho taorian’izay. Kely sisa tamin’izay dia tratrako ny tanjoko!

Fantatro hoe mila mahay miteny anglisy aho raha te hanao Sekolin’i Gileada sy ho lasa misionera, dia niezaka nianatra teny anglisy indray aho. Hozy aho hoe: ‘Ireny miaramila amerikanina eto Alemaina ireny angamba no handeha hanaovako fampiharana.’ Indray andro àry aho nanatona miaramila iray izay dia hozy aho taminy hoe: “Izaho no Kristy!” Nijery an’ahy izy avy eo dia tsara fanahy erỳ izy namaly hoe: “‘Izaho Kristianina’ angamba no tianao hotenenina e?” Tena mbola tsy nahay anglisy araka ny noeritreretiko kay izaho!

Nifindra tany Angletera aho tamin’izaho 20 taona mahery kely teo. Nitaiza ny zanak’izay fianakaviana Vavolombelona izay no asako tany isaky ny amin’ny maraina, dia amin’ny hariva aho mitory isan-trano. Lasa afaka nampihatra ny teny anglisy tsara aho tamin’izany. Lasa nahay niteny anglisy be aho, herintaona taorian’ny nahatongavako tany Angletera.

Niverina tany Alemaina aho tamin’ny Oktobra 1966, dia voatendry ho mpisava lalana manokana tany Mechernich. Nangatsiaka be hoatran’ny toetrandro tany ihany anefa ny olona tany. Tsy tia ny hafatra ao amin’ny Baiboly mantsy ry zareo. Tsy mba mampandroso izany mihitsy koa ry zareo na mangatsiaka be hoatran’ny inona aza ny andro. Matetika aho tamin’izany no nivavaka tamin’i Jehovah hoe: “Raha avelanao ho lasa misionera aho indray andro any, dia eo mba alefaso any amin’ny tany mafana.”

Tratrako ny tanjoko

Volana vitsivitsy fotsiny aho no mpisava lalana manokana, dia notanterahin’i Jehovah ny fanirian’ny foko. Nahazo fanasana hanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-44 aho, dia tamin’ny 10 Septambra 1967 ny fizarana diplaomanay. Taiza hozy ianareo aho no voatendry? Tany Nikaragoà. Tany mafana sady tsara tarehy any Amerika Afovoany izy io. Efa nisy misionera tany tamin’izany, ary faly erỳ ry zareo nandray anay sy ny namako telo hafa. Hoatran’ilay tsapan’ny apostoly Paoly mihitsy no tsapako tamin’izany. Rehefa tonga nitsena azy mantsy ny mpiara-manompo, dia “nisaotra an’Andriamanitra” izy “ary nahazo hery.”​—Asan’ny Apostoly 28:15.

Elfriede sy ny mpiara-mianatra taminy tamin’ny Sekolin’i Gileada, mijery sarintany.

Tamin’ny Sekolin’i Gileada (Izaho ilay eo ankavia), miaraka amin’i Francis sy Margaret Shipley, mpiara-mianatra taminay

Tany amin’ilay tanàna milamindamina atao hoe León aho no voatendry. Tapa-kevitra ny hianatra teny espaniola haingana araka izay azoko natao indray aho. Sahirana mihitsy aho tamin’ilay fiteny, na dia efa nianatra an’ilay izy adiny 11 be izao aza isan’andro, nandritra ny roa volana!

Indray andro aho nisy olona nanome fresco. Izany no fiantson’ny olona any Nikaragoà ny ranom-boankazo. Te hiteny aho hoe “rano notatavanina” ihany no azoko sotroina, ary noheveriko hoe izay mihitsy no voateniko. Hitako hafahafa anefa ny endrik’ilay ramatoa. Efa andro vitsivitsy tatỳ aoriana vao fantatro hoe hay “rano nohamasinina” ilay noteneniko. Tsy hita moa fa mbola nibadabada aho tamin’izany rehefa niteny espaniola e! Soa ihany fa mba nihanahay ihany aho tatỳ aoriana.

Elfriede sy Marguerite, mitaingina soavaly.

Miaraka amin’i Marguerite, ilay misionera namako nandritra ny 17 taona

Matetika no tonga dia fianakaviana iray no nampianariko Baiboly. Tiako be ny nampianatra Baiboly tamin’ny hariva, indraindray aza hatramin’ny 10 alina mihitsy. Tsy nisy natahorana mihitsy mantsy tany León. Efa saika fantatro anarana daholo ny ankamaroan’ny olona tany. Rehefa nody aho dia noarahabaiko daholo ny mpiray tanàna rehetra, dia niresadresaka teo izahay. Ry zareo koa sariaka be rahateo. Matetika ry zareo no nankafy tsio-drivotra amin’ny hariva, dia nipetrapetraka amin’ny seza teo ivelan’ny tranony.

Be dia be ny olona nampiako hahalala ny fahamarinana tany León. Anisan’izany i Nubia. Renim-pianakaviana izy ary valo mirahalahy kely ny zanany. Nianatra tsara foana izahay, hatramin’ny 1976. Voatendry hanompo tany Managoà indray mantsy aho tamin’io. Tsy afaka nifandray tamin’i Nubia sy ny zanany intsony aho, raha tsy rehefa niverina nanatrika fivoriambe tany León indray, 18 taona tatỳ aoriana. Nisy tovolahy be dia be tonga teo amiko nandritra ny fiatoana. Iza hozy ianareo? Ny zanak’i Nubia! Faly erỳ aho hoe vitan’i Nubia ny nitaiza ny zanany tao amin’ny fahamarinana.

Niatrika zava-tsarotra sady nanao misionera

Niova be ny tany Nikaragoà tamin’ny 1979 tany ho any, na ny resaka fiaraha-monina na ny ara-politika. Mbola nitory araka izay fara herinay foana anefa izahay. Tany Masaya, tany atsimon’ny renivohitra, ny faritaniko tamin’izay. Matetika izahay no sendra olona nitokona sady nirongo fitaovam-piadiana. Tany am-pivoriana izahay indray alina izay, dia nifampitifitra ny Antoko Sandinista sy ny mpiambina ny mpitondra fanjakana, ka voatery natory tamin’ny tany izahay sao dia voatifitra tsy nahy.a

Indray andro koa, tamin’izaho teny amin’ny fanompoana, dia nisy lehilahy iray anisan’ny Antoko Sandinista nanao saro-tava dia nitifitra mpiambina anankiray. Niezaka nitsoaka aho fa tonga dia nisy lehilahy hafa be dia be nanao saro-tava koa nipoitra. Sady nitsoaka aho no nanaraka sisin-dalana, fa tena tsy nisy fomba nandosirana mihitsy. Lasa nisy helikoptera maromaro avy amin’ny fanjakana, nitifitra variraraka avy eny ambony. Tampoka teo tonga dia nisy rangahy nisintona an’ahy hiditra tao an-tranony. Tena i Jehovah mihitsy no nanavotra ahy tamin’izay!

Nasaina niala tany amin’ilay tany nanendrena ahy!

Nanompo tany Masaya foana aho hatramin’ny 20 Martsa 1982. Tsy hadinoko mihitsy io andro io. Handeha hisakafo maraina izahay sy ny misionera dimy namako indray maraina, no nisy miaramila sandinista maromaro nitam-basy nankao ambadiky ny tranonay. Tonga dia niditra an-keriny tao amin’ny efitra fisakafoanana ry zareo, dia nisy anankiray tamin-dry zareo nibetroka be anay hoe: “Omenay adiny iray ianareo hangoronanareo ny entanareo tsirairay, dia andao daholo manaraka anay!”

Nentin-dry zareo tany amin’izay toeram-pambolena sy fiompiana izay izahay dia notazoniny tany efa adiny firy. Nentin-dry zareo tao amin’izay bisy kely izay izahay avy eo, dia tsy nijanona raha tsy tany amin’ny sisin-tanin’i Costa Rica. Noroahina tao amin’ilay firenena izahay. Rehefa nandeha ny fotoana, dia 21 ny fitambaranay misionera nalefa.

Noraisin’ny mpiara-manompo tany Costa Rica izahay, dia tody tany amin’ny biraon’ny sampana any San José ny ampitson’iny. Tsy nijanona ela tao izahay, fa folo andro teo ho eo ihany dia nalefa tany Honduras indray ny valo taminay. Tany no fanendrena vaovao nomena anay.

Nanompo tany Honduras

Tany Tegucigalpa ny faritaniko, rehefa tany Honduras. Efa 33 taona aho no nanompo tany. Fiangonana iray ihany no nisy tany, tamin’izaho vao tonga, fa efa valo amin’izao. Nampalahelo fa lasa feno herisetra tany Tegucigalpa. Be mpanendaka be tany, dia imbetsaka aho no voaendaka. Imbetsaka koa no nisy andian-jiolahy nangataka vola tamiko. “Hetran’ady” moa no fiantsoan-dry zareo an’ilay izy. Dia hozy aho mantsy an-dry zareo hoe: “Manana zavatra sarobidy lavitra noho ny vola aho”, dia nomeko taratasy mivalona izy na gazety. Navelan-dry zareo nandeha foana aho avy eo!

Olona tia fihavanana sy tsara fanahy ny ankamaroan’ny mponina any Tegucigalpa. Nisinisy ihany ny olona nampiako hahita ny fahamarinana. Nisy an’izay mpianatra Baiboly atao hoe Betty izay, ohatra, nampiako. Tena hoatran’ny hoe handroso be mihitsy ny fahitako azy. Diso fanantenana anefa aho fa hozy izy, indray andro, hoe handeha hiangona any amin’ny Fiangonana Ara-pilazantsara, hono, izy. Niala tany anefa izy roa taona tatỳ aoriana, dia niverina niara-nianatra Baiboly indray izahay. Fa naninona hozy ianareo izy no niverina? Nalahelo be an’ilay fifankatiavana mafana be teo amin’ny fiangonana, hono, izy. (Jaona 13:34, 35) Hozy izy tamiko hoe: “Ny anareo raisinareo tsara daholo izay tonga manatrika ny fivorianareo, na manan-karena ilay olona na mahantra. Tena hafa mihitsy ianareo.” Natao batisa i Betty tatỳ aoriana.

Nikatona ilay tranona misionera tany Tegucigalpa tamin’ny 2014. Voatendry tatỳ Panama indray mantsy aho. Miara-mipetraka amina misionera efatra efa ela nanompoana aho izao atỳ.

Sarintanin’i Amerika Afovoany, mampiseho ny toerana nipetrahan’i Elfriede sy nitoriany: Tegucigalpa, Honduras; León sy Masaya, Nicaragua; Costa Rica; ary Panama.

Sambatra erỳ ianao rehefa manatratra tanjona amin’ny fanompoana

Efa 55 taona aho izao no misionera. Tsy tena mahavita be hoatran’ny taloha intsony aho izao satria marary. Mbola ampian’i Jehovah hazoto hampianatra ny olona momba azy anefa aho.

Afaka nanao zavatra hafa aho teo amin’ny fiainako, nefa matiantoka be aho raha nanao an’izany. Be dia be mihitsy mantsy ny fitahiana azoko, ohatra hoe manan-janakalahy sy zanakavavy 50 mahery aho izao ao amin’ny fahamarinana, ary izaho no nanampy an-dry zareo. Mana-namana be dia be koa aho. Ankoatra an’ireo “fianakaviako be dia be” ireo, dia faly aho fa tia be sy manohana ahy ny nenitoanay, Steffi. Mipetraka any Alemaina izy.

Tsy nanambady mihitsy aho nefa tsy mbola nahatsiaro hoe irery izany mihitsy. Teo foana tsinona i Jehovah. Mana-namana mahafinaritra be dia be koa aho, ohatra hoe i Marguerite Foster. Izy no namako, niara-nanao misionera tamiko nandritra ny 17 taona. Be dia be ny zavatra mahafinaritra niainanay niaraka, dia hatramin’izao izahay mbola mpinamana be foana.​—Ohabolana 18:24.

Ny tena mahafaly ahy indrindra anefa dia hoe nampiasaiko tamin’ny fomba tsara indrindra ny fiainako, satria nanompoako an’i Jehovah araka izay fara heriko. Tanteraka ilay nofinofiko tamin’ny mbola kely, ary be dia be ny zavatra tsara hitako teo amin’ny fiainako. Tena sambatra aho, ary tsy andriko ny hanompoana an’i Jehovah mandrakizay.

a Nalaza tany Nikaragoà ny Antoko Sandinista Mikatsaka ny Fahafaham-pirenena, tamin’ny taona 1979 tany ho any. Nahavita nanongana an’ilay fanjakana efa nitondra nandritra ny 40 taona mahery ry zareo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara