14 Dia nesorin’i Tamara ny akanjo namantarana hoe maty vady izy. Avy eo dia nosaronany ny lohany sady nitafy saly izy. Dia nipetraka teo amin’ny fidirana ho ao Enaima izy, teo amin’ny lalana mankany Timna. Hitany mantsy fa efa lehibe i Sela, nefa mbola tsy nomena ho vadiny ihany.+