11 Nalain’i Hamana àry ilay akanjo ka nampanaoviny an’i Mordekay.+ Nalainy koa ilay soavaly ka nampitaingeniny an’ilay izy i Mordekay, dia nentiny teny amin’ny tany malalaky ny tanàna. Ary niantsoantso teo alohany izy hoe: “Izao no atao amin’ny lehilahy tian’ny mpanjaka homena voninahitra!”