4 Ento manaraka anao aho, dia andao isika hitsoaka,
Fa nentin’ny mpanjaka tao amin’ny efitranony anatiny aho!
Andao isika hiaraka hifalifaly sy hiravoravo.
Andao horesahintsika ny fomba anehoanao fitiavana, fa tsara noho ny divay ireny.
Tsy mahagaga raha tian’ny ankizivavy ianao.