11 Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra noho ny ota ho fandrakofam-pahotana,+ sy ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra varimbazaha ampiarahina aminy, izay samy ampiarahina amin’ny fanatitra zava-pisotro.+