Fanamarihana Ambany Pejy
a Tsy misy mpanoritra voafaritra eo amin’ireo teny hoe “voalohany” sy “farany”, ao amin’ny Isaia 44:6, araka ny teny hebreo tany am-boalohany. Misy mpanoritra voafaritra kosa amin’ilay filazan’i Jesosy ny tenany, ao amin’ny Apokalypsy 1:17, araka ny teny grika tany am-boalohany. Manondro anaram-boninahitra àry ny Apokalypsy 1:17, raha ny fitsipi-pitenenana no jerena. Milaza ny maha Andriamanitra an’i Jehovah kosa ny Isaia 44:6.