Fanamarihana Ambany Pejy
c Hoy ny ambaran’ny Textual Criticism of the Hebrew Bible, nataon’i Emanuel Tov: “Tamin’ny alalan’ny carbone 14, dia hita izao fa ny 1QIsaa [ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia] dia vita teo anelanelan’ny 202 sy ny 107 T.K. (daty paleôgrafika: 125-100 T.K.) ... Ny fomba paleôgrafika voalaza eo, izay nohatsaraina tato anatin’ireo taona faramparany, ka mamela ny hanomezana daty marina, miorina amin’ny fampitahana ny endrika sy ny toeran’ireo litera amin’ny zavatra avy any ivelany, toy ny vola vy sy soratra misy daty, dia voaporofo ho fomba azo itokiana ihany.”6