Fanamarihana Ambany Pejy
a Fahita eo amin’ny Ranomasin’i Galilia ny rivo-mahery tampoka. Ambany be ilay ranomasina (200 metatra eo ho eo ambanin’ny haabon’ny ranomasina), ary mafana kokoa noho ny rivotra manodidina azy ny rivotr’ilay ranomasina, ka mampikorontana ny rivotry ny habakabaka. Misy rivo-mahery midina avy any amin’ny Tendrombohitra Hermona, any avaratra, manaraka ny Lohasahan’i Jordana. Mety hivadika sy hisy rivo-mahery tampoka ilay toetrandro tony.