Fanamarihana Ambany Pejy
a Midika ara-bakiteny hoe ‘mandalo fahadisoana’ ilay teny hebreo nadika hoe ‘mamela heloka.’ Izao no fanazavan’ny manam-pahaizana iray momba ilay teny hoe ‘mandalo fahadisoana’: ‘Izany dia toy ny olona iray mandalo amin’ny toerana iray, nefa tsy ifantohany izay zavatra tsy tiany hojerena. Tsy midika akory izany hoe tsy mijery ny fahotantsika Andriamanitra, fa tsy mifantoka amin’izany kosa izy indraindray satria te hamela heloka fa tsy te hanasazy.’