Fanamarihana Ambany Pejy
b Ny apostoly ihany, amin’ny ankapobeny, no afaka mampita amin’olon-kafa an’ireo fahaizana mahagaga avy amin’ny fanahy masina. Maningana kosa ity indray mandeha ity, satria toa nanome fahefana an’i Ananiasy i Jesosy mba hampita izany tamin’i Saoly. Taorian’ny niovany, dia nitokana ela be tany an-toeran-kafa i Saoly ka tsy nihaona tamin’ny apostoly 12. Azo inoana anefa fa nanao zavatra izy nandritra an’io fotoana io. Toa nataon’i Jesosy àry izay hananany ny hery nilainy, mba haharetany amin’ny asa fitoriana nanirahana azy.