Fanamarihana Ambany Pejy
b Mbola manan-kery hatramin’izao ny fifanekena tamin’i Abrahama, ary tsy anisan’izy io ny fifanekena ny amin’ny famorana. Nanomboka nanan-kery ny fifanekena tamin’i Abrahama tamin’ny 1943 T.K., rehefa niampita an’i Eofrata mba ho any Kanana i Abrahama (Abrama tamin’izany). Efa 75 taona izy tamin’izay. Tatỳ aoriana kosa ny fifanekena ny amin’ny famorana, izany hoe tamin’ny 1919 T.K., rehefa 99 taona i Abrahama.—Gen. 12:1-8; 17:1, 9-14; Gal. 3:17.