Fanamarihana Ambany Pejy
b Tranolay lehibe izy io, ary mahitsizoro. Hazo maromaro no narafitra mba hampitsangana azy. Akora tena tsara no nanaovana azy, toy ny hoditra faoky, lamba misy peta-kofehy tsara tarehy, ary hazo lafo vidy nasiana volamena sy volafotsy. Mahitsizoro koa ny tokotaniny, ary nisy alitara lehibe fanaovana sorona. Nasiana efitrano hafa ho an’ny mpisorona teny amin’ny sisin’ny tranolay, tatỳ aoriana. Tao amin’ny iray amin’ireny angamba i Samoela no natory.