Fanamarihana Ambany Pejy
c Ilay ombimanga resahina ao amin’ny Baiboly dia azo inoana fa karazana ombidia atao hoe aurochs (latinina: urus). Roa arivo taona lasa izay, dia hita tany Gaule (Frantsa ankehitriny) ireo biby ireo. Nanoratra izao manaraka izao i Jules César raha nilazalaza ny mombamomba azy ireo: “Latsaka kely fotsiny amin’ny an’ny elefanta ny haben’ireo uri ireo, kanefa ny toetoetrany sy ny lokony ary ny bikany, dia toy ny an’ny omby. Lehibe ny tanjak’izy ireo, ary malaky be ny hafainganam-pandehany: tsy amelàny na olona na biby raha vao hitan’ny masony.”