Fanamarihana Ambany Pejy
a Samy asa soratra jiosy teo anelanelan’ny taonjato fahatelo al.f.i. ka hatramin’ny taonjato voalohany am.f.i. ny Apokrifa (ara-bakiteny: “miafina”), sy ny Pseudigraphes (ara-bakiteny: “asa soratra lazaina fa nosoratan’ny mpanoratra iray”). Eken’ny Eglizy Katolika ho anisan’ny kanônan’ny Baiboly ara-tsindrimandry ny Apokrifa, nefa lavin’ny Jiosy sy ny Protestanta kosa. Matetika no manazava tantara ara-baiboly amin’ny an-tsipiriany ny Pseudigraphes, ary lazaina fa nosoratan’ny olo-malaza sasany resahina ao amin’ny Baiboly.