Fanamarihana Ambany Pejy
a Tsy natao hesorina ireo bao, na dia rehefa tsy nihetsika tamin’ny toerany tao amin’ny tabernakely aza ny Fiara. Koa tsy azo nampiasaina tamin-javatra hafa àry ireo bao. Tsy azo nokasihina koa ny Fiara masina; nefa raha nesorina tamin’ireo mason-drojo nitoerany ireo bao, dia tsy maintsy voakasika izy io mba hampidirana azy ireo indray. Angamba manondro ny nanitsiana ny fipetrak’ireo bao talohan’ny nitondrana ilay vata navesatra tany amin’ny fitobiana vaovao, ilay teny ao amin’ny Nomery 4:6 hoe “hataony eo aminy ny baony.”