Fanamarihana Ambany Pejy
a Ny kalandrie jolianina no nampiasaina tany Rosia, talohan’ilay tolom-bahoaka tamin’ny Oktobra 1917, na dia efa nanaraka ny kalandrie gregorianina fampiasantsika ankehitriny aza ny firenen-kafa. Tara 13 andro ny kalandrie jolianina, raha oharina amin’ny kalandrie gregorianina. Nanjary nanaraka ny kalandrie gregorianina koa ny Sovietika taorian’ilay tolom-bahoaka, ka nitovy tamin’ny firenen-kafa eran-tany i Rosia. Nanaraka ny kalandrie jolianina ihany anefa ny Eglizy Ortodoksa rehefa nankalaza fety, ary nantsoiny hoe kalandrie “Tranainy” izy io. Aza gaga àry raha mahare ianao hoe misy fankalazana Krismasy any Rosia rehefa 7 Janoary. Tadidio fa 7 Janoary amin’ny kalandrie gregorianina, ny 25 Desambra amin’ny kalandrie jolianina. Noho izany, dia izao no andaminan’ny Rosianina ny fetin’ny faran’ny taonany: 25 Desambra, Krismasy toy ny any an-tany hafa; 1 Janoary, Taom-baovao voalohany; 7 Janoary, Krismasy Ortodoksa; 14 Janoary, Taom-baovao araka ny kalandrie Tranainy.