Fanamarihana Ambany Pejy
a Noho izy roa lahy ireo, dia mora kokoa ny nianatra an’ireo teny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany. Namoaka boky misy ny fitsipi-pitenenana hebreo i Reuchlin tamin’ny 1506. Nahafahana nandalina kokoa ny Soratra Hebreo izany. Namoaka ny Soratra Grika Kristianina amin’ny teny grika i Érasme, tamin’ny 1516. Io no nampiasain’ireo mpandika Baiboly tatỳ aoriana.