Fanamarihana Ambany Pejy
a Efa taorian’ny nahaterahan’i Absaloma i Jehovah vao nilaza tamin’i Davida hoe: “Hotendreko ny taranaka handimby anao izay haterakao, ary hataoko mafy orina tokoa ny fanjakany.” Fantatr’i Absaloma àry fa tsy izy no nofidin’i Jehovah handimby an’i Davida eo amin’ny seza fiandrianany, fa ny iray amin’ny taranaka mbola haterak’i Davida atỳ aoriana.—2 Sam. 3:3; 7:12.