Fanamarihana Ambany Pejy
a Tsy afaka mihetsika ara-dalàna ny olona tratran’io karazan’aretina io. Mety hifanintona koa izy, na halain-komana, na hazoto homana loatra, ary mety tsy hahay hiteny tsara. Antsoina hoe quadriplégie spastique ilay mahazo an’i Jairo, ary io no karazany ratsy indrindra amin’ilay aretina. Mety hihinjitra be ny tanan’ilay olona sy ny tongony, ary mety halezolezo ny tendany.