Fanamarihana Ambany Pejy
a Mety ho anisan’ilay hoe “rahalahy” koa ny vehivavy eo anivon’ny fiangonana. Nanoratra ho an’ireo “rahalahy” tany Roma i Paoly indray mandeha. Mazava hoe anisan’izany ny anabavy tao amin’ilay fiangonana, satria nanonona ny anaran’ny maromaro tamin’izy ireo izy. (Rom. 16:3, 6, 12) Efa hatramin’ny ela Ny Tilikambo Fiambenana no niantso ny Kristianina ao amin’ny fiangonana hoe rahalahy sy anabavy.