Asabotsy 25 Oktobra
Novakin’i Safana teo anatrehan’ny mpanjaka ilay izy.—2 Tan. 34:18.
Nanomboka nanavao ny tempoly i Josia Mpanjaka rehefa lehibe. Tamin’izay no hita “ny boky misy ny Lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy.” Novakina tamin’i Josia ilay izy, dia lasa te hanao zavatra nifanaraka tamin’izay voalaza tao izy. (2 Tan. 34:14, 19-21) Ianao koa ve mba te hamaky Baiboly tsy tapaka? Raha efa manao an’izany ianao, dia manao ahoana izao ilay izy? Raisinao naoty ve izay andinin-teny mety hanampy anao? Nanao fahadisoana namoizany ny ainy i Josia tamin’izy 39 taona teo ho eo. Natoky tena izy, fa tsy nangataka ny tari-dalan’i Jehovah. (2 Tan. 35:20-25) Misy lesona ho antsika eo. Na firy taona isika na firy taona, ary na efa ela na vao haingana no nianatra Baiboly, dia tsy maintsy mitady an’i Jehovah foana. Mila mivavaka tsy tapaka, ohatra, isika mba hahazo ny tari-dalany, dia mianatra ny Teniny, ary manaraka ny torohevitry ny Kristianina matotra. Azo inoana hoe tsy dia hanao fahadisoana lehibe isika amin’izay, ary ho sambatra kokoa.—Jak. 1:25. w23.09 12 § 15-16
Alahady 26 Oktobra
Manohitra ny olona manambony tena Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy miavaka amin’ny manetry tena kosa.—Jak. 4:6.
Miresaka vehivavy miavaka be dia be ny Baiboly. Tia an’i Jehovah ry zareo sady nanompo azy. ‘Nahay nandanjalanja tamin’izay zavatra fanaony’ ry zareo, ary ‘mendri-pitokisana tamin’ny zava-drehetra.’ (1 Tim. 3:11) Mahita vehivavy kristianina matotra azony tahafina koa ny anabavy, ao amin’ny fiangonany. Ry anabavy tanora, mahalala vehivavy kristianina matotra vitsivitsy azonareo tahafina ve ianareo? Mariho ny toetra tsarany, dia diniho hoe ahoana no azonareo anehoana an’izany. Tena ilain’ny Kristianina matotra ny manetry tena. Hifandray tsara amin’i Jehovah sy amin’ny hafa ny vehivavy manetry tena. Raha tia an’i Jehovah, ohatra, izy dia hanetry tena ka hanaiky an’ilay torolalana nomen’ny Rainy any an-danitra hoe “ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Kor. 11:3) Azo ampiharina tsara eo anivon’ny fiangonana sy ny fianakaviana io torolalana io. w23.12 18-19 § 3-5
Alatsinainy 27 Oktobra
Tokony ho tia ny vadiny ny lehilahy, hoatran’ny itiavany ny tenany.—Efes. 5:28.
Manantena i Jehovah hoe ho tia ny vadiny ny lehilahy dia hamelona azy, sy ho namana tsara ho azy, ary hanampy azy hatanjaka ara-panahy foana. Hanampy anao ho vady tsara koa ny miezaka hahay hisaina sy hanaja vehivavy ary ho azo ianteherana. Mety ho lasa dada ianao rehefa manambady. Inona no azonao ianarana avy amin’i Jehovah, raha te hahay hitaiza ianao? (Efes. 6:4) I Jehovah, ohatra, tsy nisalasala nilaza tamin’i Jesosy Zanany hoe tiany izy ary nankasitrahany. (Mat. 3:17) Raha lasa dada àry ianao, dia omeo toky foana ny zanakao hoe tianao ry zareo. Derao foana koa ry zareo amin’izay zavatra tsara ataony. Manampy ny zanany ho lasa lehilahy sy vehivavy kristianina matotra ny raim-pianakaviana manahaka an’i Jehovah. Afaka miomana ho amin’izany andraikitra izany ianao dieny izao. Ahoana no atao? Miezaha ho be fitiavana rehefa mikarakara ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ny fiangonana, dia mianara mampiseho fitiavana sy fankasitrahana an-dry zareo.—Jaona 15:9. w23.12 28-29 § 17-18