FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Betsileo
  • Androany

Alarobia 29 Oktobra

Hidera an’i Jehovah aho! Aoka hidera ny anarany masina ny tenako manontolo.​—Sal. 103:1.

Tia an’Andriamanitra ny olona tsy mivadika, ka te hidera ny anarany amin’ny fo manontolo. Fantatr’i Davida Mpanjaka hoe midera an’i Jehovah ihany izy rehefa midera ny anarany. Tafiditra amin’ny anaran’ i Jehovah ny lazany, ka mampahatsiahy antsika an’ireo toetra tsarany rehetra sy ny zavatra mahatalanjona nataony. Te hanamasina ny anaran’ny Rainy i Davida, sady te hidera azy io. Te hanao an’izany tamin’ny ‘tenany manontolo’ izy, izany hoe tamin’ny fony manontolo. Nitarika ny fiderana an’i Jehovah koa ny Levita. Nanetry tena izy ireo dia niaiky hoe tsy misy teny tena mahalaza ny fiderana mendrika ny anarana masin’i Jehovah. (Neh. 9:5) Azo antoka hoe nahafaly ny fon’i Jehovah izany teny fiderana feno fanetren-tena sy vokatry ny fo izany. w24.02 9 § 6

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 30 Oktobra

Efa misy fandrosoana vitantsika ..., ka andao isika hiezaka handroso hoatr’izany foana.​—Fil. 3:16.

Aza manahy fa tsy hieritreritra i Jehovah hoe tsy mahomby ianao, raha tsy mahatratra tanjona sarotra loatra aminao. (2 Kor. 8:12.) Tadidio izay efa vitanao. Milaza ny Baiboly hoe ‘tsy mba manao ny tsy rariny Andriamanitra, ka hanadino an’izay nataonareo.’ (Heb. 6:10) Tsy tokony hanadino an’izany koa àry ianao. Saintsaino izay tsara efa vitanao, ohatra hoe ninamana kokoa tamin’i Jehovah, niresaka momba azy tamin’ny olona, na natao batisa. Efa nandroso sy nanatratra tanjona ara-panahy ianao taloha, dia mbola afaka mandroso sy miezaka manatratra an’ilay tanjonao amin’izao koa. Rehefa ampian’i Jehovah ianao, dia afaka ny hanatratra ny tanjonao. Rehefa miezaka manatratra an’ilay tanjonao ianao, dia ankafizo ny fanampiana sy ny fitahiana omen’i Jehovah anao eny an-dalana eny. (2 Kor. 4:7) Raha tsy kivy ianao fa miezaka foana, dia vao mainka hotahiny.​—Gal. 6:9. w23.05 31 § 16-18

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Zoma 31 Oktobra

Tia anareo ... ny Ray, satria ianareo efa tia ahy ka nino fa avy tamin’ny Ray aho sady solontenan’Andriamanitra.​—Jaona 16:27.

Tia mampiseho amin’ireo akaikin’ny fony i Jehovah hoe ankasitrahany ry zareo. Resahin’ny Soratra Masina fa indroa Izy no niteny tamin’i Jesosy hoe Zanany malala sy ankasitrahany izy. (Mat. 3:17; 17:5) Tianao ve ny haheno an’i Jehovah hanome toky anao fa ankasitrahany ianao? Tsy miresaka amintsika mivantana izy, fa amin’ny alalan’ny Teniny. Rehefa mamaky ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara isika, dia hoatran’ny maheno an’i Jehovah miteny hoe: ‘Ankasitrahako ianao.’ Nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy. Nisy fotoana, ohatra, izy nampiseho tamin’ireo mpanara-dia azy tsy nivadika hoe mankasitraka an-dry zareo izy, na dia tsy lavorary aza ry zareo. Rehefa mamaky an’izany àry isika, dia afaka maka sary an-tsaina an’i Jehovah milaza an’ireo teny ireo amintsika koa. (Jaona 15:9, 15) Tsy hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra intsony anefa isika rehefa miaritra fitsapana. Amin’ireny kosa isika no afaka manaporofo hoe tia be an’Andriamanitra sady tena matoky azy.​—Jak. 1:12. w24.03 28 § 10-11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara