Zoma 31 Oktobra
Tia anareo ... ny Ray, satria ianareo efa tia ahy ka nino fa avy tamin’ny Ray aho sady solontenan’Andriamanitra.—Jaona 16:27.
Tia mampiseho amin’ireo akaikin’ny fony i Jehovah hoe ankasitrahany ry zareo. Resahin’ny Soratra Masina fa indroa Izy no niteny tamin’i Jesosy hoe Zanany malala sy ankasitrahany izy. (Mat. 3:17; 17:5) Tianao ve ny haheno an’i Jehovah hanome toky anao fa ankasitrahany ianao? Tsy miresaka amintsika mivantana izy, fa amin’ny alalan’ny Teniny. Rehefa mamaky ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara isika, dia hoatran’ny maheno an’i Jehovah miteny hoe: ‘Ankasitrahako ianao.’ Nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy. Nisy fotoana, ohatra, izy nampiseho tamin’ireo mpanara-dia azy tsy nivadika hoe mankasitraka an-dry zareo izy, na dia tsy lavorary aza ry zareo. Rehefa mamaky an’izany àry isika, dia afaka maka sary an-tsaina an’i Jehovah milaza an’ireo teny ireo amintsika koa. (Jaona 15:9, 15) Tsy hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra intsony anefa isika rehefa miaritra fitsapana. Amin’ireny kosa isika no afaka manaporofo hoe tia be an’Andriamanitra sady tena matoky azy.—Jak. 1:12. w24.03 28 § 10-11
Asabotsy 1 Novambra
Avy amin’ny vavan’ny ankizy sy ny zaza no amoahanao fiderana.—Mat. 21:16.
Raha manan-janaka ianao, dia ampio ny zanakao mba hanomana valin-teny mifanaraka amin’ny taonany. Hevitra lehibe indraindray no dinihina mandritra ny fianarana, ohatra hoe olana ao an-tokantrano na momba ny fitondran-tena. Na amin’ireny aza anefa, dia mety hisy fehintsoratra iray na roa azon’ny zanakao anomezana valin-teny. Ampio koa ny zanakao hahatakatra hoe tsy voatery ho voatondro foana izy isaky ny manangan-tanana. Tsy ho diso fanantenana izy amin’izay, raha olon-kafa no voatondro fa tsy izy. (1 Tim. 6:18) Afaka manomana valin-teny manome voninahitra an’i Jehovah sy mampahery ny hafa daholo isika. (Ohab. 25:11) Marina hoe afaka manome valin-teny fohy momba ny zavatra niainantsika isika indraindray. Tsy tokony hiresaka be loatra momba ny tenantsika anefa isika. (Ohab. 27:2; 2 Kor. 10:18) Hiezaka kosa isika hifantoka amin’i Jehovah sy ny Teniny ary ny vahoakany amin’ny ankapobeny.—Apok. 4:11. w23.04 24-25 § 17-18
Alahady 2 Novambra
Andao ... isika tsy hatory hoatran’ny olon-kafa, fa hiambina foana sady hisaina tsara foana.—1 Tes. 5:6.
Tena ilaina ny fitiavana raha tiantsika ny hifoha foana sy hisaina tsara foana. (Mat. 22:37-39) Ny fitiavana an’Andriamanitra no hanampy antsika hanohy hitory, na dia mety hahitantsika olana aza izany. (2 Tim. 1:7, 8) Tiantsika na dia ny olona mbola tsy manompo an’i Jehovah aza, ka tohizintsika ny fitoriana. Mitory an-telefaonina sy an-taratasy mihitsy aza isika! Manantena isika hoe hiova ny olona indray andro any, ka hanomboka hanao ny tsara. (Ezek. 18:27, 28.) Tiantsika koa ny rahalahy sy anabavintsika, ka miezaka “hifampahery sy hifanampy foana” isika. (1 Tes. 5:11) Mifampahery foana isika, hoatran’ny miaramila mifanohana any an’ady. Tsy hanao fanahy iniana handratra ny fihetseham-pon’ny rahalahy sy anabavintsika isika, na hamaly ratsy ny ratsy. (1 Tes. 5:13, 15) Maneho fitiavana koa isika rehefa manaja an’ireo rahalahy mitarika ao amin’ny fiangonana.—1 Tes. 5:12. w23.06 10 § 6; 11 § 10-11