FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Alatsinainy 3 Novambra

Tsy [hotanterahin’i Jehovah] ve izay nolazainy?​—Nom. 23:19.

Manatanjaka ny finoantsika isika rehefa misaintsaina ny vidim-panavotana. Antoka avy amin’Andriamanitra izy io hoe tena ho tanteraka ny fampanantenany. Inona no vokany rehefa saintsainintsika tsara ny antony nanomezan’i Jehovah ny vidim-panavotana sy izay rehetra nafoiny mba hanomezana azy io? Vao mainka isika lasa mino ny fampanantenany hoe hanome antsika fiainana tsy misy farany izy ao amin’ny tontolo iray tsara kokoa. Maninona isika no milaza an’izany? Inona marina moa no nafoin’i Jehovah mba hanomezana ny vidim-panavotana? Nalefany avy any an-danitra ilay Zanany lahimatoa tena tiany sady akaiky azy indrindra, mba ho teraka etỳ an-tany ka ho lasa olombelona lavorary. Niaritra an’izao karazana fahoriana rehetra izao i Jesosy tetỳ. Nijalijaly sy tena nanaintaina izy avy eo rehefa novonoina. Novidin’i Jehovah lafo àry isika! Ilay Andriamanitsika be fitiavana ve dia ho namela ny Zanany hijaly sy ho faty, mba hampetipety ny fiainantsika mandritra ny fotoana fohy fotsiny? (Jaona 3:16; 1 Pet. 1:18, 19) Matoa àry i Jehovah nahafoy zavatra sarobidy be hoatr’izany, dia azo antoka fa hataony izay hahazoantsika fiainana tsy mety tapitra ao amin’ny tontolo vaovao. w23.04 27 § 8-9

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Talata 4 Novambra

Aiza koa ianao izay manindrona eo, ry Fahafatesana ô?​—Hosea 13:14.

Maniry hanangana ny maty ve i Jehovah? Azo antoka izany. Nisy mpanoratra Baiboly vitsivitsy nasainy nanoratra an’ilay fampanantenany hanangana ny maty. (Isaia 26:19; Apok. 20:11-13) I Jehovah koa rehefa mampanantena, dia tanterahiny foana ilay izy. (Jos. 23:14) Efa tsy andriny mihitsy aza ny hamelona an’ireo efa maty. Diniho ny tenin’ilay loham-pianakaviana atao hoe Joba. Natoky izy fa tsy ho andrin’i Jehovah ny hahita azy velona indray, raha sanatria maty izy. (Joba 14:14, 15, f.a.p.) Tsy i Joba irery no tiany ho hita indray, fa ny mpanompony rehetra efa nodimandry. Efa tsy andriny ny hamelona an-dry zareo, ary tiany ho salama sy sambatra ry zareo. Ary ahoana ny amin’ireo an’arivony tapitrisa efa maty nefa mbola tsy afaka nianatra ny marina momba an’i Jehovah? Tian’ilay Andriamanitsika be fitiavana hatsangana koa ireny olona ireny. (Asa. 24:15) Tiany ho lasa namany sy hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireny.​—Jaona 3:16. w23.04 9 § 5-6

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 5 Novambra

Hahazo hery avy amin’Andriamanitra izahay.​—Sal. 108:13.

Inona no hanampy anao hatoky kokoa ny fanantenanao? Raha manantena hiaina mandrakizay eto an-tany, ohatra, ianao, dia vakio sy saintsaino izay resahin’ny Baiboly momba an’ilay Paradisa. (Isaia 25:8; 32:16-18) Eritrereto ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao. Ataovy hoatran’ny hoe efa any ianao. Raha mifantoka foana amin’ilay fanantenana hiaina ao amin’ny tontolo vaovao isika, dia ho “vetivety sy maivana” ny olana mahazo antsika. (2 Kor. 4:17) Hanatanjaka anao izany fanantenana omen’i Jehovah izany. Efa nanome an’izay rehetra ilainao i Jehovah mba hahazoanao hery. Mivavaha aminy àry rehefa mila fanampiana ianao mba hahafahanao hamita ny asa nanendrena anao, na hiaritra fitsapana, na ho falifaly foana. Miezaha koa mianatra samirery mba hahazoanao ny tari-dalany. Raiso ny fampaherezana omen’ireo rahalahy sy anabavy, ary ataovy mazava tsara ao an-tsainao ny fanantenanao. Raha manao an’izany ianao, dia ‘hampiasa ny heriny be voninahitra Andriamanitra, ka hanatanjaka anao sy hanome anao an’izay hery rehetra ilainao! Amin’izay ho vitanao ny hiaritra ny zava-drehetra, sady hanam-paharetana sy ho falifaly.’​—Kol. 1:11. w23.10 17 § 19-20

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara