FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Aogositra
    • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

      Lany andro ve?

      Araka ny pretra anglikana any Adelaide, any Aostralia, dia lany andro sady avy amin’ny loharano tsy kristiana ny fampitandremana momba ny fanaitairana ny vatana izay mety hitarika ho amin’ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady. Tamin’ny fandinihana nataony vao haingana ny amin’ny lahy sy vavy, dia nambarany fa tsy hoe tsy maintsy manota akory ny olon-droa nifanome toky hivady raha toa izy ireo ka manana firaisana alohan’ny fanambadiana. Nohantitranterin’io fandinihana io koa fa azo ekena amin’ny toe-javatra sasany ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy. Araka ny Courier Mail any Brisbane, dia “nanaiky ny hevitra fototra tao amin’ilay tatitra” ny mpitondra tenin’ny Fiangonana Mitambatra any Aostralia.

      Ambaran’ny Baiboly anefa fa ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny rehetra dia ny ‘hifadiana ny fijangajangana’ ary “ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita [lehilahy mandry amin’ny lehilahy, MN ] (...) tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Tesaloniana 4:3, 4; 1 Korintiana 6:9, 10.) Azo antoka fa izay manaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry dia miaiky fa ny fiheverany ny amin’ny lahy sy vavy dia avy amin’ilay Mpamorona hendry indrindra. Porofoin’ny vokany eo amin’izay miaina mifanaraka amin’ny fari-pitondrantena ao amin’ny Baiboly fa ilay lazaina hoe fitsipika ara-pitondrantena lany andro dia mbola mandray anjara amin’ny tsy fihilangilanan’ny fianakaviana ary manome fiarovana amin’ny holatra lalina ara-pihetseham-po sy ny aretina maharikoriko vokatry ny fahalotoam-pitondrantena.

      Ny fisorohana mialoha tsara indrindra

      Mitoetra ho zava-manahirana lehibe ny fanaranam-po amin’ny zavatra mahadomelina. Noho izany, inona no fomba tsara indrindra fiarovana ny tanora amin’ny fanaranam-po amin’ny zavatra mahadomelina? Tao amin’ny fanadinadinana navoakan’ny gazety breziliana O Estado de S.Paulo, ilay profesora sady mpitsabo aretin-tsaina frantsay atao hoe Claude Olievenstein, dia nanamafy ny ilàna fitsipika sy fanohanana feno fitiavana. Hoy izy: “Rehefa miresaka ny amin’ny zavatra mahadomelina ny olona amin’izao fotoana izao, dia hamafisina ny anjara asan’ny pôlisy sy ny fandaharana ara-pitsarana ary ny sekoly. Ny zavatra ilaina tena lehibe anefa dia ny fisorohan’ny fianakaviana [ny fampiasana zavatra mahadomelina]. (...) Ankizy maro no tsy mahafantatra ny atao hoe fahefan’ny ray. Tsy eo ny ray; toa niraviravy tanana izy.

      Rehefa nanazava ny antony maha-zava-dehibe ny fisorohana ny fanaranam-po amin’ny zavatra mahadomelina eo anivon’ny fianakaviana ny Dr. Olievenstein, dia nanampy teny toy izao: “Miaina eo anivon’ny fitambaran’olona tia tombony isika ka mahamenatra ny olona ny lalàna ara-pitondrantena. Rehefa manomboka mampiseho fihetsika sasany ny zanatsika noho ny fampiasana zavatra mahadomelina, izany dia noho tsy nampahafantarantsika azy intsony ny lalàna ara-pitondrantena. Nanjary nihamafy sy tsy mihontsina ary be taozava-baventy ny fitambaran’olona misy antsika. Tsy mihevitra afa tsy ny hiady mba ho velona ny olona.”

      Araka ny gazety Superinteressante, ny fandinihana natao tany Etazonia dia manamarina ny maha-zava-dehibe ny fahefan’ny ray aman-dreny. Izao no nambaran’ilay gazety: “Ireo zatovo izay mahazo vokatra tsara indrindra amin’ny fanadinana any an-tsekoly sy tsy miovaova ara-pihetseham-po dia avy amin’ny fianakaviana izay ampiharan’ny ray aman-dreny fahefana mba hamerana fitsipi-pitondrantena mazava sy hanomezany fahafahana ao anatin’ny faritra voafetra tsara. Toy izany koa fa, toa kely kokoa ny ampahany amin’ny zatovo mampiasa zavatra mahadomelina sy mpisotro zavatra misy alikaola avy amin’ny fianakaviana toy ireny.

      Manana antony tsara ny Baiboly rehefa mananatra ny ray aman-dreny toy izao: “Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy sy ho fifalian’ny fanahinao.” (Ohabolana 29:17). Eny, ny famaizana miorina amin’ny Baiboly dia afaka manampy ny ray aman-dreny hisoroka ny fanaranam-po amin’ny zavatra mahadomelina ary hanatsara ny fiainan’ny fianakaviana manontolo.

  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Aogositra
    • Fanontanian’ny mpamaky

      ◼ Mety amin’ny kristiana ve ny mandeha mihaza na manjono?

      Ny fihetsika isan-karazany vokatry ny fihazana dia mazàna mahatafiditra fihetseham-po lalina. Ny tena tsara ho an’ny kristiana àry dia ny miezaka hahatakatra sy hampihatra ny fomba fihevitr’i Jehovah Andriamanitra ny amin’ilay raharaha araka izay hita ao amin’ny Baiboly.

      Nomen’Andriamanitra fahefana teo amin’ny “bibi-dia” sy teo amin’ny “biby fiompy” ny taranak’olombelona. Tamin’ny voalohany, dia tsy navelan’ny Mpamorona hamono biby mba hohanina ny olombelona, ary angamba tsy nanana filàna ara-nofo ny hanao izany akory aza izy (Genesisy 1:24, 29, 30). Efa taorian’ny Safodrano ny taranak’olombelona vao nomen’Andriamanitra zo hihinana nofom-biby rehefa avy nesorina tamin’ny fomba mety ‘ny ainy (dia ny rany)’. (Genesisy 9:3, 4.) Mety ho hena avy amin’ny biby fiompy na avy amin’ny biby dia izany.

      Niompy biby toy ny ondry na omby izay azo novonoina hatao sakafo rehefa naniry hena ny Isiraelita. Nihaza sy nanjono koa izy ireo mba hahazoana sakafo (Deoteronomia 12:20-24; 14:4-20). Izany dia mifanaraka amin’ny teny ara-panoharana nataon’Andriamanitra hoe ‘haniraka mpamovo [mpanjono] maro mba hanjono ho an’ny olony sy mpihaza maro mba hihaza ho azy’ izy. (Jeremia 16:16.) Tatỳ aoriana, dia nampiditra mpanjono ho anisan’ny apostoliny i Jesosy ary nitarika asa fanjonoana mihitsy aza. — Matio 4:18-22; 17:27; Lioka 5:2-6; Jaona 21:4-7.

      Rehefa nangataka hanim-py i Isaka patriarka efa be taona, dia tapa-kevitra ny hamono zanak’osy roa mba hanaovana nahandro ho azy i Jakoba zanany lahy. I Esao kosa dia nihaza biby dia mba hanomezana hena avy amin’ny haza ho an-drainy. Mariho fa na dia nisy hena avy amin’ny biby fiompy azo nampiasaina aza teo, dia nangataka haza i Isaka. Mariho koa fa samy namono biby hatao sakafo, tsy ho an’ny tenany fa ho an’olon-kafa, ireo zanaka roa lahy. — Genesisy 27:1-19.

      Azo novonoina noho ny antony hafa ankoatra ny henany ny biby. Azo nanamboarana akanjo ny hodiny (2 Mpanjaka 1:8; Marka 1:6; Hebreo 11:37). Nanaovana firakotra fiarovan-javatra sy fitaovana koa ny hodi-biby, na dia ny an’ireo biby nambara fa maloto ka tsy nohanin’ny Isiraelita aza. — Eksodosy 39:33, 34; Nomery 24:7; Mpitsara 4:19; Salamo 56:8.

      Ny lalàn’Andriamanitra mitaky ny hanidinana amin’ny tany ny ram-biby novonoina dia tokony hampahatsiaro ny mpihaza fa avy amin’Andriamanitra ny ain’ny biby ka tokony hoentina amim-panajana, fa tsy amim-panamavoana (Levitikosy 17:13). Miharihary fa namono biby maro i Nimroda ary nirehareha ny amin’ny fahaizany mihaza, ny amin’ny habe na ny isan’ireo matiny, na ny amin’ireo zavatra notanany ho fahatsiarovana ny fahombiazany. “Mpihaza mahery teo anatrehan’i Jehovah [nanohitra an’i Jehovah, MN ] izy. — Genesisy 10:9.

      Mety hitombo ao amin’ny kristiana ny fahitana fahafinaretana toy izany eo amin’ny fihazana na famonoana biby, na eo amin’ny fanjonoana trondro. Mpihaza na mpanjono maro izay nandinika ny fony no nahita fa voan’ny ‘fahafinaretana hamono’ izy. Mifandray amin’ny tsy firaharahana tanteraka ny ain’ny biby izany fahataitairana izany. Noho izany, na dia tsy ratsy aza ny mihaza na manjono (raha toa ka hampiasain’ny olona ho sakafo na ho amin’ny antony mety iray ny biby voavono na voajono), dia tsy hety ny hanaovan’ny kristiana izany raha manana toe-tsaina mampahatsiaro an’i Nimroda izy. Misy loza anefa ankoatra ny fahitana fahafinaretana amin’ny fihazana, ny famonoana, na amin’ireo zavatra notanany ho fahatsiarovana ny fahombiazany.

      Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Janoary 1984 dia nanazava ny amin’ny antony tsy itondran’ny kristiana marina basy na itehirizany izany mba hamelezana na hiarovan-tena (pejy faha-23-26). Ny fisaintsainana izany torohevitra izany no nitarika Vavolombelona sasany hanombana indray ny fananana na dia basy fihazana aza. Tsy vitsy no nifidy ny hanary ny basiny rehetra na ny hanalavitra ny fametrahana azy ho talaky maso sy ho mora raisina. Tsy nirin’ireny kristiana ireny àry ny hiseho ho mirehareha amin’ny fitaovam-piadiana na hametraka ny fitokiany amin’izany. Ambonin’izany, ny tsy fananana na dia basim-borona aza, na ny tsy fametrahana izany amin’ny toerana mora raisina, dia mety hisakana loza. Amin’izay ny fitaovam-piadiana mahafaty dia tsy ho tonga eny am-pelatanan’ny ankizy izay mety handratra na hamono olona tsy nahy, na ho eny am-pelatanan’olona tratran’ny tahotra na fahaketrahana tafahoatra. — Jereo Ohabolana 22:3.

      Mety ho tia ny tsiron’ny hena avy amin’ny haza na trondro ny kristiana sasany, ary ny fomba tsotra indrindra hahazoana sakafo toy izany dia ny fihazana na ny fanjonoana. Ny hafa indray mifaly amin’ny rivotra sy ny fiasam-batana izay mifamatotra amin’ny fihazana any anaty ala, na mahita fa ny ora vitsivitsy milamina lany eo am-panjonoana dia manala vizana. Koa satria ny Baiboly tsy milaza zavatra manameloka izany, dia tsy misy ilàna ny hitsarana ny hafa raha mahita fahafinaretana amin’izany izy na tsia. Ary asehon’ny ohatra ny amin’i Isaka sy ireo zanany lahy fa tsy misy ilàna ny hananganana ady hevitra ny amin’ny hoe iza no hihinana haza na trondro. — Matio 7:1-5; Romana 14:4.

      Miharihary fa niraiki-po tokoa tamin’ny fanjonoana ny apostoly Petera. Teo anilan’ny trondro vitsivitsy no nanampian’i Jesosy tafatsangana azy hamakafaka ny fihetseham-pony manokana ny amin’ny trondro sy ny fanjonoana. Hoy ny fanontanian’i Jesosy: “Simona zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavanao ireto?” — Jaona 21:1-3, 9-15, MN; jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 febroary 1989, pejy faha-31.

      Toy izany koa, ny kristiana iray izay mifidy ny hihaza na hanjono amin’ny fieritreretana madio dia tokony handamina tsara ny zavatra homeny ny laharam-pahamehana. Inona no hataony, ohatra, raha toa ka misokatra ny fotoam-pihazana na fotoam-panjonoana amin’ny fotoana anaovan’ny kongregasiona fandaharam-pivoriana? Na asehon’ny teniny ve fa ireharehany ny fahaizany mihaza na manjono? Ho tsara indrindra raha toa ny kristiana matotra iray izay mifidy ny hihaza na hanjono indraindray, ka afaka miteny amim-pahatsorana hoe: “Eny, Tompoko, Hianao mahalala fa tia Anao aho [mihoatra noho ireto raharaha ireto]”. — Jaona 21:⁠16.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara