FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ireo Lehilahy sy Vehivavy Manambady Tena Miresaka Amin’ny Fomba Samy Hafa ve Izy
    Mifohaza!—1994 | 8 Jolay
    • Ireo Lehilahy sy Vehivavy Manambady Tena Miresaka Amin’ny Fomba Samy Hafa ve Izy Ireo?

      ERITRERETO fotsiny hoe miditra mitaritarika fandeha ao amin’ny biraon’i Andry, i Jery, miharihary fa kivy noho ny havesatr’ireo fanahiany. Mijery amin-katsaram-panahy itỳ namany i Andry ary miandry azy hiresaka. “Tsy fantatro raha afaka ny ho tonga amin’ny fifanarahana aho amin’io raharaha io”, hoy i Jery nisento. “Be loatra ireo fahasahiranana tsy nampoizina, ary ny ao amin’ny foibe dia tena manery ahy.” “Inona no mampanahy anao momba izany ry Jery?”, hoy i Andry nanontany tamin-toky. “Fantatrao fa ianao no mahay indrindra ilay raharaha, ary fantatry ry zareo mpitantana koa izany. Makà fotoana fotsiny. Mihevitra ve ianao fa zava-manahirana ilay izy? Jereo fotsiny tamin’ny volana lasa iny...” Nitantara ny tsipiriany mahatsikaiky momba ny tsy fahombiazana kely manokana hitany i Andry, ka tsy ela ilay namany dia nandao ilay birao, nihomehy sady maivamaivana. Faly i Andry afaka nanampy azy.

      Ary eritrereto koa hoe tamin’io tolakandro io, rehefa tonga tany an-tranony i Andry dia nahatsapa avy hatrany fa sorisorena koa i Bakoly vadiny. Niarahaba azy tamim-pahamiramiranana kokoa noho ny mahazatra izy ary avy eo dia niandry azy hamoaka izay tao am-pony. Taorian’ny fanginana mavesatra, dia niloa-peo tampoka izy hoe: “Tsy tantiko intsony! Ilay lehibenay vaovao dia mpampahory mihitsy!” Nasain’i Andry nipetraka izy, nosakambininy ary nilazany hoe: “Malala a, aza sorena tahaka izao ianao e. Asa fotsiny ange io e. Tahaka izany daholo ireo lehibe. Raha mba renao mantsy ny fimenomenonan’ny lehibeko tamiko foana androany. Raha tsy zakanao anefa, maninona raha miala fotsiny.”

      “Tsy mba miraharaha izay tsapako mihitsy ianao!”, hoy i Bakoly nirintona. “Tsy mihaino ahy mihitsy ianao! Ahoana no ahafahako miala! Ny vola entinao ato an-trano tsy ampy!” Nihazakazaka tany amin’ny efitrano fandriana izy nanala ny fony. Nijoro tao ambadiky ny varavarana nirindrina i Andry, ankona, nanontany tena ny amin’izay nitranga. Nahoana no fihetsika mifanohitra toy ireo no nasetry ny teny fampiononana nataon’i Andry?

      Noho ny tsy fitovian’ny lehilahy sy ny vehivavy ve?

      Ny olona sasany dia hanazava ny mahatonga ny tsy fitoviana eo amin’ireo ohatra roa ireo amin’ny zava-misy tsotra iray ihany: I Andry dia lehilahy; ary i Bakoly dia vehivavy. Mino ireo mpikaroka momba ny fiteny fa matetika ny fahasahiranana amin’ny fampitana hevitra eo amin’ny mpivady dia vokatry ny tsy fitovian’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ireo boky tahaka ilay hoe Tsy Azonao Fotsiny ny Hevitro (anglisy) sy ilay hoe Avy any Amin’i Mars ny Lehilahy, avy any Amin’i Vénus ny Vehivavy (anglisy), dia mampirisika ilay teoria ilazana fa na dia mampiasa fiteny mitovy aza ny lehilahy sy ny vehivavy, dia manana fomba fampitana hevitra samy hafa miavaka izy ireo.

      Tsy misy iadian-kevitra fa rehefa namorona ny vehivavy avy tamin’ny lehilahy i Jehovah, dia tsy hoe modely namboarina kely fotsiny izy. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia novolavolaina tamin’ny fomba mahafinaritra sy tamim-pisainana mba hifameno — ara-batana, ara-pihetseham-po, ara-tsaina sy ara-panahy. Anampy ireo tsy fitoviana voajanahary ireo ny fitambaran-javatra maro mahaforona ny fitaizana ny olona iray sy ny fanandraman-javatra eo amin’ny fiainana ary ny famolavolan’ny kolontsaina, ny tontolo iainana, sy ny fomba fihevitry ny fitambaran’olona momba izay toetra mampiavaka ny lehilahy sy ny vehivavy. Noho ireo fitaomana ireo, dia mety ho azo singanina ny modely sasany amin’ny fomba fampitan’ny lehilahy sy ny vehivavy hevitra. Nefa ilay fialana amin’ny hoe “toe-dahy” na “toe-bavy” dia mety tsy hisy afa-tsy ao anatin’ireo boky momba ny psikolojia.

      Voamarika amin’ny fomba miavaka noho ny toetrany mora mihetsi-po ny vehivavy, kanefa lehilahy maro no maneho fitiavana maha-te hidera eo amin’ny fifandraisany amin’olona. Mety hoheverina fa toetran-dehilahy kokoa ny fisainana lojika, kanefa vehivavy maro matetika no mahatakatra hevi-dalina amim-pahaiza-mitsikera sy amin’ny fomba matsilo. Koa na dia tsy azo atao aza ny manavaka izay mety ho lafin-toetra hoe manokana an’ny lehilahy na an’ny vehivavy, dia zavatra iray loha no azo antoka: Ny fahazoana ny fomba fihevitry ny hafa dia mety ho zava-dehibe eo amin’ny fisian’ny fiaraha-monina tsy misy raorao sy ny fisian’ny ady, indrindra ao anatin’ny fanambadiana.

      Ny fampitana hevitra eo amin’ny lehilahy sy vehivavy manambady dia zava-tsarotra iray atao isan’andro. Lehilahy mahay manavaka maro no afaka manamarina fa ilay fanontaniana toa tsotra hoe “Ahoana no fahitanao ny taovoloko vaovao?” dia mety hahitan-doza. Vehivavy manambady mahay mandanjalanja maro no mianatra mifehy tena tsy hanontany foana ny vadiny hoe “Nahoana ianao raha manontany fotsiny hoe aiza ny lalana?” rehefa manjary very eny am-pandehanana izy. Toy izay hanivaiva ireo fomba hafahafan’ny vady sady hifikitra amim-pikirizana amin’ny fomba hafahafan’ny tena, satria hoe “izany no maha-izy ahy”, ireo mpivady mifankatia kosa dia hijery ny ao ambadiky ny miseho ivelany. Izany dia tsy fandinihana mangatsiaka ny fomba fampitana hevitra eo amin’izy samy izy, fa fizahana mafana kosa izay ao am-po sy ao an-tsain’ny andaniny avy.

      Toy ny mampiavaka ny olona tsirairay, dia tahaka izany koa ny fitambaran’ny olon-droa ao anatin’ny fanambadiana. Tsy vokatry ny kisendrasendra ny tena firaisan-tsaina sy firaisam-po, fa mitaky ezaka mafy noho ny toetrantsika olombelona tsy tanteraka. Ohatra, mora erỳ ny mihevitra fa manana fomba fijery zavatra tahaka ny antsika ny hafa. Matetika isika no manome fahafaham-po izay ilain’ny hafa amin’ny fomba izay itiavantsika hanomezany fahafaham-po antsika, angamba amin’ny fiezahana hanaraka ilay Fitsipika Volamena hoe “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. (Matio 7:12). Tsy te hilaza anefa akory i Jesosy fa izay tianao dia voatery ho tsara ho an’ny hafa. Tsy izany, fa irinao kosa ny hanomezan’ny hafa izay ilainao na tianao. Noho izany, dia tokony hanome izay ilain’izy ireo ianao. Tena zava-dehibe indrindra izany ao anatin’ny fanambadiana, satria ny tsirairay dia nanao voady mba hanome fahafaham-po izay ilain’ny vadiny amin’ny fomba feno araka izay azo atao.

      Nanao izany voady izany i Bakoly sy i Andry. Ary sambatra ny fanambadian’izy ireo tao anatin’izay roa taona izay. Na dia tsapan’izy ireo aza anefa fa mifankafantatra tsara izy, indraindray dia mipoitra ny tarehin-javatra izay mampiseho hantsana mitanatana eo amin’ny fampitana hevitra, izay tsy azon’ny fikasana tsara irery aravona. “Ny fon’ny hendry mahahendry ny vavany sady manampy fahendrena eo amin’ny molony”, hoy ny Ohabolana 16:23. Eny, ny fahaizana mahatakatra hevi-dalina eo amin’ny fampitana hevitra no fanalahidy ilaina. Aoka hojerentsika izay varavarana vohainy ho an’i Andry sy i Bakoly.

      Fomba fahitan’ny lehilahy iray zavatra

      Ao amin’ny tontolo iray tia fifaninanana no misy an’i Andry, ka ao ny lehilahy tsirairay dia tsy maintsy maka ny toerany eo amin’ny rafi-piaraha-monina, na ambany fahefan’ny hafa izy na ambony ny toerany arakaraka ny tarehin-javatra. Ny fampitana hevitra dia miasa mba hampiorenana ny toerany, ny fahaizany, na ny mampisy vidiny azy. Sarobidy aminy ny fahaleovan-tenany. Koa rehefa omena baiko amin’ny fomba mandidindidy i Andry, dia mahita ny tenany manohitra izy. Ny filazana tsy mivantana hoe “Tsy manao ny asanao ianao” dia mahatonga azy hanohitra, na dia ara-dalàna aza ilay fangatahana.

      Amin’ny fotony, i Andry dia miresaka mba hifanakalo fahalalan-javatra. Tiany ny miresaka momba ny zava-misy, ny hevitra, sy ny zava-baovao nianarany.

      Rehefa mihaino i Andry dia mahalana izy no manapaka ilay miresaka aminy, na dia amin’ny valin-teny fohy toy ny hoe “hmm hmm ia” fotsiny aza, satria variana tanteraka amin’ny fandraisana ilay fahalalana izy. Nefa rehefa tsy manaiky izy, dia mety tsy hisalasala hilaza izany, indrindra amin’ny namana iray. Izany dia mampiseho fa liana amin’izay lazain’ny namany izy, amin’ny fizahana ny mety ho tombany rehetra.

      Raha manan-java-manahirana i Andry, dia aleony mitady ala olana samy irery. Koa mety hihataka amin’ny rehetra izy. Na mety hitady fanarian-dia sasany izy mba hanadinoana vetivety ilay zava-manahirana. Raha tsy efa mitady torohevitra ihany izy vao hiresaka momba izany.

      Raha misy lehilahy manan-java-manahirana manatona an’i Andry, toy ny nataon’i Jery, dia heveriny fa andraikiny ny manampy azy, ka mitandrina izy mba tsy hanao izay hahatsiarovan’ilay namany fa tsy mahay. Mazàna izy no mampiaraka ny toroheviny amin’ny filazana ireo fanahiana sasany nahazo azy mba tsy hahatsiarovan’ilay namany tena ho irery.

      Tian’i Andry ny manao zavatra miaraka amin’ny namana. Aminy, ny fisakaizana dia midika ho fanaovan-javatra miaraka.

      Ho an’i Andry dia fialofana amin’ny sehatr’asa eny ivelany ny ao tokantrano, toerana izay tsy mahavoatery azy intsony hampiseho ny fahaizany, toerana izay anekena, itokiana, itiavana, sy ankasitrahana azy. Na dia toy izany aza, dia hitan’i Andry indraindray fa ilainy ny fitokanana. Mety tsy hisy fifandraisana amin’i Bakoly izany na amin’izay mety ho nataony. Mila fotoana sasany fotsiny izy mba ho irery. Hitan’i Andry ho sarotra aminy ny manambara ny tahotra tsapany, ny fananany ahiahy, sy ny alahelony amin’ny vadiny. Tsy ta hampanahy azy izy. Andraikiny ny mikarakara sy miaro azy, ary tiany hatoky ny amin’izany i Bakoly. Na dia mitady fanohanana aza i Andry, dia tsy mitady fiantrana. Izany dia mahatonga azy hahatsiaro tena ho tsy mahay na tsy mahasoa.

      Fomba fahitan’ny vehivavy iray zavatra

      Ao anatin’ny tontolo iray misy fifandraisana amin’ny hafa no ahitan’i Bakoly ny tenany. Aminy, dia zava-dehibe ny fanorenana sy ny fanamafisana ireny fatoram-pifandraisana ireny. Ny resaka dia fomba iray lehibe hamoronana sy hanamafisana ny fifankahazoana am-po.

      Amin’ny maha-vehivavy azy dia mahatsapa fiankinana i Bakoly. Mahatsiaro ho tiana izy rehefa takatr’i Andry ny fomba fiheviny alohan’ny handraisany fanapahan-kevitra, na dia tiany aza hoe i Andry no handray ny fitarihana. Rehefa tokony handray fanapahan-kevitra izy, dia tiany ny maka hevitra amin’ny vadiny, tsy hoe mba hilazany aminy izay tokony hatao, fa mba hampisehoana amin’ny vadiny fifankahazoana am-po sy fianteherana aminy kosa.

      Tena sarotra ho an’i Bakoly ny miresaka amin’ny fomba mivantana ka hilaza fa misy zavatra ilainy. Tsy ta hanorisory an’i Andry amin’ny fitarainan-dava izy na hanao izay hahatsapan’i Andry fa hoe tsy sambatra. Aleony miandry mba ho voamarika na hanolo-kevitra an-kolaka.

      Rehefa miresaka i Bakoly, dia mahaliana azy ny tsipiriany kely ka manao fanontaniana maro izy. Ara-dalàna izany noho izy mora mihetsi-po sy liana fatratra amin’ny olona sy ny fifandraisana amin’olona.

      Rehefa mihaino i Bakoly dia mitsatsaingoka ny tenin’ilay miresaka aminy amin’ny teny manambara ny fihetseham-po, amin’ny fanehoana fanekena, na amin’ny fanaovana fanontaniana mampiseho fa manaraka sy miahy ny amin’izay lazain’ilay miresaka aminy izy.

      Miezaka mafy izy mba hahatakatra ho azy izay ilain’ny olona. Ny fanolorana fanampiana tsy angatahina dia fomba mahafinaritra iray hanehoana fitiavana. Tiany indrindra ny manampy ny vadiny mba handroso sy hihatsara.

      Rehefa manan-java-manahirana i Bakoly, dia mety hahatsapa ho tototra izy. Tsy maintsy miresaka izy, tsy hoe mba hitadiavana ala olona loatra, fa mba hanambarana ny fihetseham-pony. Ilainy ny mahafantatra fa misy olona mahazo ny heviny sy miahy azy. Rehefa mihetsi-po izy, dia miteniteny tafahoatra sy manaitra. Tsy tena mihevitra ara-bakiteny izay lazainy izy rehefa manao hoe: “Tsy mba mihaino ahy mihitsy ianao!”

      Ny sakaiza fahazaza sarobidy indrindra tamin’i Bakoly dia tsy ilay niarahany nanao zavatra fa ilay niarahany niresaka ny zava-drehetra kosa. Koa rehefa ao anatin’ny fanambadiana izy dia tsy liana loatra amin’ny asa atao any ivelany noho ny amin’ny olona iray mihaino, izay mahatakatra ny fomba fiheviny sady azony izarana ny fihetseham-pony.

      Ho an’i Bakoly, ny tokantrano dia toerana ahafahany miresaka ka tsy hotsaraina. Tsy mihambahamba izy manambara amin’i Andry ny tahotra tsapany sy ny fanahiany. Raha mila fanampiana izy, dia tsy menatra ny miaiky izany, satria matoky izy fa eo ny vadiny hikarakara azy sy miahy ny hihainoana azy.

      Mazàna i Bakoly no mahatsiaro ho tiana sy tsy manana ahiahy ao anatin’ny fanambadiany. Nefa indraindray, tsy hita izay antony miharihary, dia manomboka mahatsiaro ho manana ahiahy sy tsy tiana izy ka mitady fanomezan-toky indray sy fisakaizana amim-pahadodonana.

      Eny, samy hafa tanteraka i Andry sy i Bakoly na dia mifameno aza. Ny tsy fitoviana eo amin’izy ireo no miteraka ny mety hisian’ny tsy fifankahazoan-kevitra lehibe, na dia samy mety hanana fikasana tsara indrindra ny haneho fitiavana sy fanohanana aza izy ireo. Raha afaka nandre ny fomba fihevitry ny andaniny avy momba ilay tarehin-javatra tetsy ambony isika, dia inona no ho nolazain’izy ireo?

      Izay hitan’izy ireo tamin’ny fomba fijeriny manokana

      “Vao nandingana ny varavarana aho, dia afaka nahita fa sorisorena i Bakoly”, hoy ny filazan’i Andry. “Nihevitra aho fa rehefa ho vonona amin’izany izy, dia hilaza amiko ny antony. Toa tsy dia lehibe loatra ilay zava-manahirana tamiko. Noheveriko fa raha nampiako fotsiny izy hahita fa tsy tokony ho sorena loatra toy izao ary fa mora ny ala olana, dia tsy dia haninona izy. Tena tohina aho nilazany hoe ‘Tsy mba mihaino ahy mihitsy ianao!’ nefa avy nihaino azy aho. Tsapako fa toa izaho no nomeny tsiny noho ny fahadisoam-panantenany rehetra!”

      “Nahatsiravina ny andro iray manontolo”, hoy ny fanazavan’i Bakoly. “Fantatro fa tsy fahadisoan’i Andry izany. Nefa rehefa nody izy miramirana erỳ, dia nihevitra aho fa nodiany tsy hita ny fahasorisorenako. Nahoana izy no tsy nanontany ahy momba izay tsy nandeha tsara? Rehefa nolazaiko taminy ilay zava-manahirana, dia tena te hilaza izy fa izaho no ketrina, fa zavatra tsy misy antony akory ilay izy. Tsy mba nilaza tamiko izy fa mahazo izay tsapako, fa izy ilay mpamboatra izay simba dia nilaza tamiko ny fomba hanamboarana ilay zava-manahirana. Tsy ala olana no iriko, fa fiaraha-miombona amin’ny fihetseham-poko!”

      Na dia teo aza ny fisehoan’io fahatapahana nihelina teo amin’ny fifandraisan’izy roa io, dia mifankatia tokoa i Andry sy i Bakoly. Fahatakarana hevi-dalina inona no hanampy azy ireo hampiseho mazava izany fitiavana izany?

      Fijeren-javatra amin’ny fomba fijerin’ny andaniny avy

      Tamin’i Andry dia ho fitsabahana amin’ny raharahan’i Bakoly ny hanontaniana azy izay zavatra tsy nandeha, koa nanao tsotra taminy izay ho niriny hataon’ny hafa ho azy izy. Niandry azy hiresaka malalaka izy. I Bakoly izao dia sorisorena, tsy noho ilay zava-manahirana fotsiny, fa noho i Andry toa nody tsy nahita ny fiangaviany hahazo ny fanohanany. Tsy nahita ny fanginan’i Andry ho toy ny fihetsika maneho fanajana feno halemem-panahy izy fa ho toy ny tsy firaharahana. Rehefa niteny i Bakoly tamin’ny farany, dia nihaino azy i Andry, tsy nanapaka ny teniny. Tamin’i Bakoly anefa, dia tsy tena nihaino ny fihetseham-pony izy. Avy eo izy dia nanolotra, tsy fahaiza-mahazo ny heviny, fa ala olana iray. Tamin’i Bakoly izany dia nidika hoe: ‘Tsy mitombina ny fahasorenanao; tafahoatra ny ataonao. Jereo, tsy mora erỳ ve ny mandamina io zava-manahirana kely io?’

      Ho toy inona moa ny tsy fitovian-javatra raha samy afaka nahita zavatra araka ny fomba fijerin’ny andaniny ilay ankilany! Nety ho tahaka izao no ho fandehany:

      Tonga ao an-trano i Andry mahita an’i Bakoly sorisorena. “Inona no zavatra tsy mandeha ry malala?”, hoy izy manontany amim-pahalemem-panahy. Manomboka mijoy ny ranomaso ary mamboraka ny zava-manahirana azy i Bakoly. Tsy milaza i Bakoly hoe: “Ianao daholo no mahatonga izao!” na manao safeli-teny fa tsy ampy ny ataon’i Andry ho azy. Mamihina azy i Andry ary mihaino azy amim-paharetana. Rehefa avy miteny izy dia hoy i Andry aminy: “Malahelo aho fa ory ianao. Tsapako ny antony mahasorisorena anao toy izao.” Mamaly azy toy izao i Bakoly: “Misaotra anao indrindra aho nihaino ahy. Mahatsiaro ho metimety kokoa aho mahafantatra fa azonao ny fihetseham-poko.”

      Mampalahelo anefa fa toy izay handamina ny tsy fifanarahany, dia mifidy fotsiny ny hamarana ny fanambadiany amin’ny fisarahana, ny mpivady maro. Ny tsy fisian’ny fampitana hevitra no fositra manimba ny tokantrano maro be. Mipoaka ireo fifamaliana izay manozongozona ny fototry ny fanambadiana indrindra. Ahoana no hitrangan’izany? Ny lahatsoratra manaraka dia milaza ny fomba hitrangan’izany sy ny fomba hisorohana azy.

  • Fitsikerana ny Fifamaliana Iray
    Mifohaza!—1994 | 8 Jolay
    • Fitsikerana ny Fifamaliana Iray

      ILAIN-DRAMATOA ny mampiseho ny fihetseham-pony. Tian-drangahy kosa ny manome ala olana. Ny fifamaliana an-tapitrisany maro eo amin’ny mpivady hatramin’izay dia mety hanana feo maro samy hafa, nefa matetika izy ireny no fiovaovana amin’ny loha hevitra fototra vitsivitsy monja. Ny fahazoana ny fomba fahitan’ny vadinao zavatra na ny fomba fampitany hevitra samy hafa amin’ny anao dia mety hanampy mba hampihena ireny doro tanety miredareda ireny ho tonga vainafo mamirapiratra ao amin’ny fatan’ny tokantrano sambatra iray.

      “Aza tantananao ny fiainako!”

      Ny sarin’ilay vehivavy manambady mandidindidy sy mila kisa dia mety ho marina amin’ny toe-javatra misy ny lehilahy maro manambady, izay mahita ny tenany ho voafehifehy mafy amin’ireo torohevitra sy fangatahana ary fanakianana. Manamarika ny fihetseham-po toy izany ny Baiboly rehefa milaza hoe: “Ny ady ataon’ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.” (Ohabolana 19:13). Mety hisy fangatahana hataon’ny vehivavy manambady iray amin’ny vadiny izay toherin’itỳ farany amin’ny tsy famaliana noho ny antony tsy fantatr’ilay ramatoa. Mihevitra izy fa tsy ren’ny vadiny izay nolazainy, ka amin’itỳ indray mitoraka itỳ dia milaza aminy izay tokony hataony izy. Vao mainka henjana ny fanoherany. Vehivavy manambady mila kisa sy lehilahy manambady entin’ny vadiny amin’ny sangany ve? Sa olon-droa tsy nifampiresaka mazava fotsiny?

      Amin’ny fomba fijerin’ny vehivavy manambady iray, dia fanehoana tsara indrindra ny fitiavany ny vadiny ny fanolorany torohevitra mahasoa. Amin’ny fomba fijerin’ny vadiny kosa, dia mibaikobaiko azy izy ary te hilaza fa tsy mahay izy. Ho an’ny vehivavy, ny hoe “Aza hadinoina ny kitaponao” dia fanambarana ny fiahiany, amin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa any aminy izay ilainy. Mampahatsiahy an-dralehilahy ny reniny miantso azy eny am-baravarana toy izao kosa izany: “Efa nentinao ve ny satrokao?”

      Ny vehivavy manambady vizana iray dia mety hilaza amim-pahalemem-panahy toy izao: “Te hisakafo hariva any amin’ny hotely ve ianao?” izay midika toy izao raha ny tena izy: “Tsy hitondra ahy hisakafo any ivelany ve ianao? Sasatra loatra aho ka tsy ho afaka hahandro.” Nefa mety hanararaotra io fotoana io mba hiderana azy noho ny nahandrony ny vadiny be fandavan-tena ary hanantitrantitra fa aleony ny nahandrony toy izay ny an’ny hafa rehetra. Na mety hihevitra izy hoe: ‘Mitady hifehy ahy izy!’ Ao anatin’izany fotoana izany ihany dia mety hilaza an-dolompo anakampo toy izao ny vehivavy manambady iray: ‘Nahoana no tokony ho izaho foana no hanontany?’

      “Tsy tia ahy ianao!”

      “Ahoana no ahafahany mieritreritra izany?”, hoy ny vady iray diso fanantenana sy sanganehana miteny mafy. “Miasa aho mba hanomezana ny vola handoavana ny fandaniana ataonay, ary indraindray aza dia mitondra voninkazo ho azy!”

      Na dia ilain’ny olombelona rehetra aza ny fahatsapana fa tiana, dia ilain’ny vehivavy manokana ny hahazo toky miverimberina ny amin’izany. Mety tsy hilaza izany amin’ny feo avo izy, nefa ao anatiny ao izy dia mety hahatsapa ho tahaka ny enta-mavesatra tsy irina, indrindra raha manome azy fahaketrahana tsy maharitra ny fadimbolany. Amin’ny fotoana toy ireny dia mety hihataka ny vadiny, amin’ny fiheverana fa tiany ny hanana fotoana sasany hitoerana irery. Aminy kosa, ny hevitry ny fitokanany dia mety ho fanamafisana ny tahotra tsapany ratsy indrindra — tsy tia azy intsony ralehilahy vadiny. Mety handevilevy azy izy, amin’ny fitadiavana hanery azy ho tia sy hanohana azy.

      “Inona no tsy mandeha ry malala a?”

      Ny fomba handaminan’ny lehilahy ny zava-manahirana iray mampihenjana dia mety ho ny fitadiavana toerana milamina mba hieritreretana momba izany. Mety ho tsapan’ny vehivavy iray ho azy ny fisian’ny fihenjanana, ka hanao zavatra kosa izy amin’ny fiezahana hampirisika azy hiresaka. Kanefa, na dia atosiky ny fikasana tsara aza izany ezaka izany, dia mety hahita izany ho toy ny fitsabahana amin’ny raharahany sy fampietrena azy, ny lehilahy manambady iray. Rehefa mihataka izy mba handinika ny zava-manahirana azy, dia manopy ny masony ao aoriany mba hahita ny vadiny be fandavan-tena mamindra mipitipitika manaraka azy amim-pahatapahan-kevitra. Reny ilay feo be fitiavana mikiry manao hoe: “Ry malala a, tsy maninona ve ianao? Inona no tsy mandeha? Handeha horesahintsika ilay izy.”

      Raha tsy misy valin-teny dia mety halahelo ny vehivavy manambady iray. Rehefa manan-java-manahirana izy, dia tiany ny miara-miresaka momba izany amin’ny vadiny. Nefa ilay olon-tiany dia tsy te hizara aminy ny fihetseham-pony. Mety hanatsoaka hevitra izy hoe: “Tsy tia ahy intsony izy.” Koa rehefa mitranga avy ao amin’ny tontolony anaty ilay lehilahy tsy miahiahy amin’ny farany, afa-po amin’ny ala olana hitany, dia mahita koa izy, tsy ilay vady tia be fiahiana nosakanany tsy hiditra tao amin’ny fitadiavany ala olana, fa vady tezitra iray vonona ny hihantsy azy noho ny nanilihany azy.

      “Tsy mihaino ahy mihitsy ianao!”

      Toa mahatsikaiky ilay fiampangana. Amin-dralehilahy dia toa tsy misy afa-tsy ny mihaino no ataony. Nefa rehefa miresaka ny vehivavy manambady, dia mahatsapa miharihary izy fa voasivana sy voafakafakan’ny ordinatera mitady ala olana matematika ny teniny. Voamarina ny ahiahiny rehefa milaza toy izao ny vadiny eo antenatenan’ny teny ataony: “Maninona fotsiny moa raha...?”

      Rehefa miresaka amin’ny vadiny momba ny zava-manahirana azy ny vehivavy manambady iray, matetika tokoa izy no tsy mitady hanome tsiny azy na mitady ala olana. Ny iriny indrindra dia sofina mihaino tsara, izay tsy hihaino ireo zava-misy amin’ny maha-izy azy fotsiny, fa ny fihetseham-pony momba azy io kosa. Avy eo dia tiany, tsy ny hahazo torohevitra, fa ny fanamarinana ny fihetseham-pony. Izany no antony nahatonga ny lehilahy manambady maro tsara fikasa hamelona fipoahana rehefa tsy nilaza afa-tsy izao izy: “Ry malala a, tokony tsy hanao tahaka izao ianao. Tsy dia zava-dehibe loatra izany.”

      Matetika ny olona no manantena ny hamakian’ny vadiny izay ao an-tsainy. “Efa hatramin’ny 25 taona no nivadianay”, hoy ny lehilahy iray. “Matoa mbola tsy fantany foana izay tadiaviko hatramin’izao, dia tsy miraharaha na tsy mihevitra ahy izy.” Nanambara toy izao, tao amin’ny bokiny momba ny fifandraisana eo amin’ny mpivady, ny mpanoratra iray: “Rehefa tsy mifampilaza izay tadiaviny ny mpivady ary mifanakiana foana noho tsy nifanaovana zavatra nety teo amin’izy samy izy, dia tsy mahagaga raha manjavona ny toe-tsaina misy fitiavana sy fiaraha-miasa. Maka ny toerany (...) ny ady ho amin’ny fifaninanana, izay aneren’ny mpivady tsirairay ilay hafa mba hanome fahafaham-po izay ilainy.”

      “Tsy mahatsapa ny andraikitrao mihitsy ianao!”

      Angamba tsy hilaza mivantana toy izany amin’ny vadiny ny vehivavy manambady iray, nefa mety ho te hilaza izany mazava izy amin’ny toe-peony. Ny hoe: “Nahoana ianao no tonga tara loatra?” dia azo heverina ho toy ny fangataham-panazavana. Azo inoana kokoa anefa fa ny fijeriny miampanga sy ny fitehenany kiho dia milaza tsy mivantana amin’ny vadiny hoe: “Ry zazalahy kely tsy mahatsapa andraikitra, nampitaintaina ahy ianao. Nahoana no tsy niantso an-telefaonina? Tena tsy mihevitra ny hafa mihitsy ianao! Simba fotsiny izao ny sakafo hariva!”

      Mazava ho azy fa marina ny azy raha ny momba ny sakafo hariva. Nefa raha mitranga ny fifamaliana, tsy mety ho simba koa ve ny fifandraisan’izy ireo? “Mitranga ny ankamaroan’ireo fifamaliana, tsy hoe satria tsy mitovy hevitra ny olon-droa, fa satria, na tsapan’ilay lehilahy fa tsy ankasitrahan-dravehivavy ny fomba fiheviny na tsy ankasitrahan-dravehivavy ny fomba niresahan’ny vadiny taminy”, hoy ny fanamarihan’ny Dr. John Gray.

      Mihevitra ny sasany fa tsy tokony hosakanana tsy hiteny malalaka izay tiany ny olona iray any an-tokantrano. Nefa ny mpampita hevitra tsara iray dia mitady izay hahitana marimaritra iraisana sy hahatongavana ho amin’ny filaminana, amin’ny fiheverana ny fihetseham-pon’ilay mihaino azy. Ho azontsika atao angamba ny hampitaha izany resaka izany amin’ny fanolorana rano mangatsiaka eran’ny vera amin’ny vady amin’ny fanipazana izany eny amin’ny tarehiny. Afaka hilaza isika fa ny fahasamihafana dia eo amin’ny fomba fanolorana.

      Ny fampiharana ireo teny ao amin’ny Kolosiana 3:12-14 dia hanafoana ireo fifamaliana ary hitarika ho amin’ny tokantrano sambatra iray: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo [“Jehovah”, NW ] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.”

      [Sary, pejy 8]

      Miaro ny zava-misy ny lehilahy, miaro ny fihetseham-po kosa ny vehivavy

  • Tokantrano Sambatra Ahitana ny Roa Tonga Iray
    Mifohaza!—1994 | 8 Jolay
    • Tokantrano Sambatra Ahitana ny Roa Tonga Iray

      RAHA toa ka hanorina trano iray mafy sy tsy hanananao ahiahy ary hampiadana ianao, fitaovam-panorenana inona avy no hampiasainao? Hazo ve? Biriky ve? Sa vato? Ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly eto dia manoro hevitra toy izao: “Fahendrena no anaovana trano; ary fahalalinan-tsaina [“fahaiza-manavaka”, NW ] no mampaharitra azy; sady fahalalana no hamenoana ny efitrano amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.” (Ohabolana 24:3, 4). Eny, mitaky fahendrena, fahaiza-manavaka sy fahalalana ny fanorenana tokantrano sambatra.

      Iza no manao ny trano? “Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ny tànany.” (Ohabolana 14:1). Marina koa izany ho an’ny lehilahy hendry izay mahita fa miankina aminy ny hahatonga ny fanambadiany ho mafy sy sambatra na ho marefo sy feno alahelo. Anton-javatra inona avy no zava-dehibe? Mahaliana fa ny fanoloran-kevitr’ireo mpanolo-tsaina sasany momba ny fanambadiana amin’ny andro ankehitriny, dia mifanitsy akaiky erỳ amin’ny fahendrena tsy tontan’ny ela raketin’ny Tenin’Andriamanitra, izay nosoratana an’arivony taona maro lasa izay.

      Fihainoana: “Ny tena fihainoana dia iray amin’ireo fanehoana fankasitrahana lehibe indrindra azonao aseho amin’ny olon-kafa iray ary tena zava-dehibe mba hamatorana sy hanolokoloana fifandraisana misy fifankahazoana am-po”, hoy ny boky fianarana iray mikasika ny fanambadiana. Ambaran’ny Ohabolana fa ‘ny sofin’ny hendry mitady fahalalana’. (Ohabolana 18:15). Koa satria tsy hita toy ny maso na vava misokatra ny sofina misokatra, ahoana no ahafahanao mampiseho amin’ny vadinao fa mihaino marina ianao? Fomba iray dia ny famerenana toy ny amin’ny fitaratra ny teny atao na ny fihainoana amim-paharisihana. — Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-11.

      Fahatsorana sy fifankahazoana am-po: “Miasa mifanohitra amin’ny fahatsorana ny kolontsaina azontsika”, hoy ny fanamarihan’ilay boky hoe Iray Mifanohitra Amin’ny Iray — Fahazoana Ireo Fifandraisana Manokana (anglisy). “Ampianarina aloha be isika mba tsy hisalovana loatra amin’ny raharahan’ny hafa — mba hahatam-bava momba ny vola, ny hevitra, ny fihetseham-po, (...) izay zavatra rehetra momba antsika manokana. Tsy misinda tsotra izao izany fianarana izany, na dia rehefa ‘raiki-pitia’ aza isika. Raha tsy misy ezaka mitohy atao mba hisian’ny fahatsorana, dia tsy afaka ny hivelatra ny fifankahazoana am-po.” “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina” hoy ny fanamarihan’ny Ohabolana, “fa ao amin’ny mino anatra [“miara-midinika”, NW ] no misy fahendrena.” — Ohabolana 13:10; 15:22.

      Tsy fivadihana sy fitokiana: Nifanao voady teo anatrehan’Andriamanitra mba tsy hivadika ny lehilahy sy ny vehivavy manambady. Ny fitiavana dia tsy voasembantsemban’ny fiahiahiana, ny avonavona, ny toe-tsaina tia fifaninanana, na ny fanahiana tafahoatra hahazo izay tokony ho an’ny tena, rehefa mifampatoky ireo mpivady fa tsy mivadika ny fifankatiavany.

      Fiaraha-mizara: Mihamafy ny fifandraisana amin’ny fiarahana mizara fanandraman-javatra. Rehefa mandeha ny fotoana, dia afaka mamitrana lamba sarobidy misy tantara izay lalain’ny tsirairay, ny mpivady. Tsy azo saintsainina akory ny fiheverana handriatra izany fatoram-pisakaizana izany. “Misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.” — Ohabolana 18:24.

      Hatsaram-panahy sy fahalemem-panahy: Mampihena ny tsy fifanarahana sy mahalefy ny avonavona ireo asa feno hatsaram-panahy. Ny toetra mampiseho hatsaram-panahy, raha latsa-paka, dia tsy voatohina mihitsy na dia rehefa miakatra aza ny fientanam-po mandritra ny tsy fifanarahana, ka mampihena ny fahavoazana araka izany. Ny fahalemem-panahy dia mamorona rivo-piainana mafana izay ahafahan’ny fitiavana mivelatra. Na dia mety ho sarotra indrindra ho an’ny lehilahy aza ny mampiseho fahalemem-panahy, dia hoy ny Baiboly: “Ny zavatra faniry ao amin’ny olona dia ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana.” (Ohabolana 19:22, NW ). Ho an’ny vehivavy tsara manambady iray dia “ny lalàn’ny hatsaram-panahy miharo fitiavana no eo amin’ny lelany”. — Ohabolana 31:26, NW.

      Fanetren-tena: Fanafody fanefitra amin’ny poizin’ny avonavona ny fanetren-tena, izay manosika hiala tsiny avy hatrany sy haneho fisaorana matetika. Ahoana raha tena tsy manan-tsiny ny amin’ny fanafintohinana nambara taminao ianao? Nahoana raha milaza amim-pahalemem-panahy hoe: “Aza fady raha sorena mafy ianao”? Manehoa fiahiana ny toetra mora mihetsi-po ananan’ny vadinao, avy eo dia jereo miaraka ny fomba hanarenana izay tsy mandeha. “Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady.” — Ohabolana 20:3.

      Fanajana: “Ny teny fototra amin’ny fanekena ireo tsy fitoviana eo amin’ny tsirairay avy sy ny fiarahana mitady ala olana amin’izy ireny, dia ny fanajana. Izay zava-dehibe amin’ny vady dia mety tsy ho toy izany ho an’ilay iray. Afaka manaja mandrakariva ny fomba fihevitr’ilay andaniny anefa ny ankilany.” (Fihazonana ny Firaisan’ny Fianakaviana Rehefa Misaratsaraka Izao Tontolo Izao, anglisy). “Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; fa ao amin’ny mino anatra [“miara-midinika”, NW ] no misy fahendrena.” — Ohabolana 13:10.

      Fahaizana mandray zavatra amim-pihomehezana: Mety hisava amin’ny fiarahana mihomehy amim-pahatsorana ny rahona matevin’ny fotoan-tsarotra. Manamafy ny fatoram-pitiavana izany ary manamaivana ny fihenjanana, izay matetika tsy ahafahana manana fisainana tony. “Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy”. — Ohabolana 15:13.

      Fanomezana: Tadiavo amin’ny fomba manorina ireo zavatra tokony hankasitrahana ao amin’ny vadinao ary aza mitsitsy teny fiderana. Mety hitondra fankasitrahana lehibe kokoa noho ny fanaovana fanomezana karavato iray na akanjo, ireny fiahiana irina fatratra ireny. Mazava ho azy fa mbola afaka mifampividy na mifanao zavatra mahafinaritra ianareo. Nefa “ny fanomezana lehibe indrindra azonao omena”, hoy ilay boky hoe Fahaizana Ilain’ny Olon-dehibe sy ny Ankizy eo Amin’ny Fiainana (anglisy), “dia tsy ireo zavatra ara-nofo. Izany dia ny fanehoanao fitiavana sy fankasitrahana, ny fampaherezana ataonao, sy ny fanampianao.” “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” — Ohabolana 25:11.

      Raha azo oharina amin’ny biriky fanorenana fifandraisana eo amin’ny mpivady ireny toetra tsara ireny, ny fampitan-kevitra kosa dia ny rihitra ilaina mba hanamafisana azy miaraka. Koa inona no azon’ireo mpivady atao rehefa mipoitra ny tsy fifanarahana? “Aza heverina ho toy ny loharano iavian’ny fifanoherana ny fomba fijery samy hafa ananan’ny vadinao (...) ataovy ho toy ny loharano ahazoana fahalalana izy ireny. (...) Manjary loharano miboiboika hahazoana fahalalan-javatra ireo tsipiriany amin’ny fiainana andavanandro”, hoy ilay boky hoe Fahazoana ny Fitiavana Tadiavinao (anglisy).

      Hevero ho toy ny fahafahana sarobidy hahatakatra hevi-dalina ao amin’ilay olon-tianao àry ny fotoana rehetra itrangan’ny tsy fifanarahana, fa tsy fihantsiana ho amin’ny ady. Aoka ianareo hiara-manaiky ny zava-tsarotra momba ny fahitana ala olana amin’ireo tsy fitoviana ary mandrosoa ho amin’ny fialofan’ny firindrana, ka amin’izany fomba izany no anamafisanareo ny fatorana sy hahatonga ny fitiavana izay mampiray ny roa, ho lalina.

      Mahita toetra tsara dia tsara lehibe ao amin’ny fiaraha-miasa i Jehovah Andriamanitra, ka noho izany dia nampiditra azy io teo amin’ny asa famoronany — tao amin’ny tsingerina oksizenina omena sy alain’ireo zavamaniry sy biby, ny orbitan’ireo tenan-javatra eny amin’ny lanitra, ny fifandraisam-piainana ifanasoavan’ireo bibikely sy voninkazo. Noho izany koa, eo amin’ny firaisan’ny mpivady, dia mety hisy tsingerina mafana izay hanomezan’ny lehilahy manambady toky ny vadiny ny amin’ny fitiavany azy, amin’ny teny sy ny atao; ary hanarahan’ny vehivavy manambady matoky sy be fitiavana amim-pahafaham-po ny fitarihany. Araka izany, dia tena manjary iray ihany ny roa, ka mitondra fifaliana ho an’izy samy izy sy ho an’ilay Mpamorona ny fanambadiana, dia i Jehovah Andriamanitra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara