-
Mahità fahasambarana, tohano ny oryNy Tilikambo Fiambenana—1987 | 15 Janoary
-
-
Mahità fahasambarana, tohano ny ory
“Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; fa endrey ny fahasambaran’izay mamindra fo amin’ny ory!” — OHABOLANA 14:21.
1, 2. Inona no nitranga tamin’ny fianakaviana telo tany Philippines, ary mitarika antsika hametraka fanontaniana hoe ahoana avy izany?
RAHA nanatrika fivoriana kristiana ny fianakaviana telo tany Philippines, nonina tao amin’ny provans’i Pangasinan, dia namoy ny tranon’izy ireo, ravan’ny haintanàna. Rehefa tafaverina izy ireo dia tsy nanana na inona na inona hohanina intsony ary tsy nanam-pialofana. Rehefa nandre ny loza aman’antambo ny kristiana sasany dia dodona ny hitondra sakafo ho azy ireo ary nanao fandaharana mba hisy mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona hampiantrano ireo fianakaviana ireo. Ny ampitso maraina, dia nisy kristiana tonga nitondra volotsangana sy fitaovana fanorenana hafa. Nanaitra ny sain’ny manodidina tokoa izany fitiavan-drahalahy izany, ary voatohina aoka izany koa ny fon’ireo fianakaviana telo ireo. Ravan’ny afo ny tranon’izy ireo, nefa mbola tao ihany ny finoany sy ny toetra kristiana hafa ary nohatanjahina aza noho ny fihetsika feno fitiavana nasehon’ireo rahalahiny. — Matio 6:33; jereo I Korintiana 3:12-14.
2 Tsy mampahery ve ny toe-javatra karazan’izany? Izany dia manatanjaka ny finoantsika ny hatsaram-pon’ny olona ary indrindra fa ny herin’ny tena kristianisma (Asan’ny apostoly 28:2). Fantatsika ve anefa ny antony araka ny Baiboly manosika antsika “hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”? (Galatiana 6:10.) Ary ahoana no mety ho azontsika anaovana betsaka kokoa eo amin’ny lafiny manokana?
Ohatra tsara dia tsara
3. Afaka matoky ny amin’inona isika raha ny amin’ny fomba ikarakaran’i Jehovah antsika?
3 Milaza amintsika toy izao i Jakoba mpianatra: “Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony.” (Jakoba 1:17). Marina tanteraka izany, satria Jehovah manome be dia be mba hahasambatra antsika ara-panahy sy ara-nofo. Inona anefa no omeny ny toerana voalohany? Ny zavatra ara-panahy. Araka izany, dia nomeny antsika ny Baiboly mba handraisantsika soa amin’ny fitarihana ara-panahy sy hananantsika fanantenana. Ny fototr’izany dia ny fanomezan’ny Zanany izay ny sorony dia mahatonga antsika ho afaka hahazo ny famelan’Andriamanitra sy hanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay. — Jaona 3:16; Matio 20:28.
4. Nahoana moa no miharihary fa mihevitra koa izay ilaintsika ara-nofo Andriamanitra?
4 Miahy ny amin’ny hahasambatra antsika ara-nofo koa Jehovah. Niresaka ny amin’io raharaha io tamin’olona tao amin’ny tanànan’i Lysitra fahiny ny apostoly Paoly. Tsy mpivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina izy ireny, kanefa tsy azony nolavina fa ny Mpamorona dia ‘manisy soa antsika, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho antsika sady manome taon-jina ka mahavoky ny fontsika amin’ny hanina sy ny fifaliana’. (Asan’ny apostoly 14:15-17.) Noho ny fitiavany, Jehovah dia manome izay ilaintsika ara-panahy sy izay ilaina amin’ny fiainantsika ara-batana. Tsy heverinao ve fa izany dia manao azy ho ilay “Andriamanitra finaritra”? — I Timoty 1:11.
5. Inona no mety ho fantatsika avy amin’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely fahiny?
5 Ny fifandraisana notanan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely fahiny dia manazava tsara ny fiheverany amim-pandanjalanjana na, izay ilaina ara-panahy, na ny toerana ara-nofon’ireo mpivavaka aminy. Nomeny Lalàna aloha ny olony. Tokony hanao kopian’io Lalàna io manokana ireo mpanjaka isiraelita, ary nivory ara-potoana ny vahoaka mba hihaino ny famakiana izany (Deoteronomia 17:18; 31:9-13). Ny Lalàna dia nanomana ny amin’ny hisian’ny tabernakely na tempoly mbamin’ny mpisorona nanolotra fanatitra, mba hahafahan’ny vahoaka mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Ireo Isiraelita dia nivory tsy tapaka tamin’ireo andro firavoravoana ara-panahy, izay nanamarika isan-taona ny fanompoam-pivavahan’izy ireo (Deoteronomia 16:1-17). Noho izany rehetra izany, ny Isiraelita dia afaka isam-batan’olona ny hanan-karena teo imason’Andriamanitra.
6, 7. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah tao amin’ny Lalàna fa niahy ny amin’ny ilain’ny Isiraelita ara-batana izy?
6 Ny Lalàna anefa dia nahitana koa taratry ny fiahian’Andriamanitra ny toe-piainan’ireo mpanompony ara-batana. Angamba izany mahatonga anao hieritreritra ny amin’ny lalàna sasany nomena ny Isiraely momba ny fitandremam-pahasalamana sy ireo fandaharana tokony hatao mba hamerana ny areti-mifindra (Deoteronomia 14:11-21; 23:10-14). Tsy tokony hohadinoina koa ireo fandaharana manokana nataon’Andriamanitra mba hanampiana ny mahantra sy ny ory. Nety ho tonga nahantra ny Isiraelita iray noho ny faharatsian’ny fahasalamany na taorian’ny loza aman’antambo toy ny haintrano na ny tondra-drano. Tao amin’ny Lalàny àry, dia niaiky Jehovah fa tsy hitovy eo amin’ny lafiny ara-toe-karena ny rehetra (Deoteronomia 15:11). Tsy nianina tamin’ny fangorahana noho ny fahorian’ny mahantra sy ny ory anefa izy. Nataony izay hanampiana azy ireny.
7 Alohan’ny zavatra rehetra, ireny olona ireny dia hila sakafo. Koa nandidian’Andriamanitra ny hanomezan-dalana ireo mahantra teo amin’ny Isiraely mba hitsimpona teny an-tanimboly sy tanin’oliva ary tanimboaloboka (Deoteronomia 24:19-22; Levitikosy 19:9, 10; 23:22). Ireo fandaharana nataon’Andriamanitra dia tsy namporisika ny Isiraelita ho kamo na hivelona amin’ny fiantran’ny vahoaka, kanefa izy ireny afaka niasa. Ny Isiraelita nitsimpom-bokatra dia tsy maintsy nanao fiezahana, angamba nandany ora maro teo amin’ny hainandro nivaivay mba hahazoana ny sakafo tao anatin’ilay andro. Tsy tokony hohadinoina fa nomen’Andriamanitra tamim-piheverana toy izany izay nilain’ireo mahantra. — Jereo Rota 2:2-7; Salamo 69:33; 102:17.
8. Namporisihina hanao inona isam-batan’olona moa ny Isiraelita ho an’ireo rahalahiny (jereo Jeremia 5:26, 28)? b) Inona no tsapantsika raha ampitahaintsika amin’izay fahita amin’izao andro izao izay notakin’Andriamanitra tamin’ny Isiraelita?
8 Nosoritan’i Jehovah koa ny tena fiheverany ireo ory tamin’ny fanaovana fanambarana sasany toy ny voatantara ao amin’ny Isaia 58:6, 7. Tamin’ny fotoana toa nifadian’ny Isiraelita sasany afa-po tamin’ny tenany hanina, dia nanambara toy izao ilay mpaminanin’Andriamanitra: ”Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny (...) handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirimbelona amin’ny namanao hianao?” Amin’izao andro izao, ny sasany dia miaro izay ho azo antsoina hoe faritra mampiadana azy. Vonona izy ireny ny hanampy ireo sahirana raha tsy mitaky fahafoizan-tena manokana mihitsy avy aminy ihany izany na tsy miteraka fatiantoka ho azy ireny mihitsy. Toe-tsaina hafa tanteraka noho izany no asongadina ao amin’ireo teny notononin’Andriamanitra tamin’ny alalan’Isaia. — Jereo koa Ezekiela 18:5-9.
9. Inona no nanoroan’ny Lalàna hevitra ny amin’ny fampisamboram-bola, ary fihetsika nanao ahoana no namporisihan’Andriamanitra mba haseho?
9 Afaka nampiseho ny Isiraelita iray fa niahy an’ireo rahalahiny nahantra izy tamin’ny fanekena hampisambo-bola azy. Afaka nanantena ny handray zanabola izy rehefa nampisambo-bola olona naniry hanangana na hanitatra raharaham-barotra. Noraran’i Jehovah kosa anefa ny fakana zanabola tamin’ny rahalahy nahantra iray, satria noho ny famoizam-pony, dia nety ho voan’ny fakam-panahy hanao ratsy izy io (Eksodosy 22:25; Deoteronomia 15:7, 8, 11; 23:20, 21; Ohabolana 6:30, 31, MN ). Ny fihetsik’Andriamanitra eo anoloan’ny ory dia tokony hampiasaina ho ohatra ho an’ny olony. Manana izao fampanantenana izao aza isika. “Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany kosa.” (Ohabolana 19:17). Tsapanao ve izany: izany dia toy ny fampisamborana an’i Jehovah amin’ny fananana toky fa hahazo valisoa be dia be.
10. Rehefa avy nijery ny ohatra nomen’Andriamanitra isika, inona avy moa no fanontaniana azontsika apetraka amin’ny tenantsika?
10 Tokony hanontany tena toy izao àry isika rehetra: Heveriko ho zava-dehibe ve ny fomba fiheveran’Andriamanitra sy fitondrany ireo ory? Moa ve aho naka fianarana avy amin’ny ohatra tanteraka omeny ary moa ve aho miezaka manaraka izany? Afaka mandroso ve aho raha ny amin’ny maha-araka ny endriny ahy amin’io lafiny io? — Genesisy 1:26.
Taha-dray
11. Tamin’ny ahoana moa ny fiahian’i Jesosy no nifanitsy tamin’ny an’ny Rainy (II Korintiana 8:9)?
11 Jesosy Kristy dia ‘famirapiratan’ny voninahitr’i Jehovah sy endriky ny tenany indrindra’. (Hebreo 1:3.) Tsy maintsy ampoizina àry ny hanomezany taratry ny fiahian’ny Rainy ny olombelona izay mihevitra ny fanampoam-pivavahana marina. Izany tokoa no nataony. Nasehon’i Jesosy fa ny fahantrana tokony hitadiavana fanafodiny dia ny fahantrana ara-panahy voalohany indrindra. Hoy izy: “Sambatra izay mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:3, MN; jereo Lioka 6:20). Nanambara toy izao koa Kristy: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37). Koa ny nahalalana azy indrindra dia tsy tamin’ny fahagagana nataony na tamin’ny naha-mpanasitrana azy, fa tamin’ny naha-Mpampianatra azy (Marka 10:17-21; 12:28-33). Jereo amin’izany ny voasoratra ao amin’ny Marka 6:30-34. Nitady toerana nitokana i Jesosy mba hialana sasatra. Tamin’izay izy no ‘nahita vahoaka betsaka tahaka ny ondry tsy nanana mpiandry’. Nanao ahoana ny fihetsiny? “Nampianatra azy zavatra maro Izy.” Nanao izay rehetra azony natao izy mba hitondrana ho an’ireny olona ireny izay nilain’izy ireny indrindra, dia: ny fahamarinana izay hahatonga azy ireo ho afaka ny ho velona mandrakizay. — Jaona 4:14; 6:51.
12. Inona no azontsika ianarana ny amin’ny fihetsik’i Jesosy aharihary ao amin’ny Marka 6:35-44?
12 Niahy indrindra ny amin’izay nilain’ireo Jiosy nanetry tena tamin’ny ara-panahy i Jesosy, nefa tsy nanakimpy ny masony tamin’izay nilain’izy ireny ara-nofo izy. Asehon’ny fitantaran’i Marka fa mailaka ny hanavaka ny sakafo ara-batana nilain’izy ireo i Jesosy. Nanipy hevitra aloha ireo apostoly mba handefasana ny olona handeha “hividy hanina”. Tsy nankasitrahan’i Jesosy anefa izany hevitra izany. Koa nanolo-kevitra ireo apostoly ny haka tapany tamin’ny vola nananan’izy ireo mba handehanana hividy sakafo. Nofidin’i Jesosy kosa ny hanao ny fahagagana fantatra tsara tamin’ny namahanany lehilahy 5 000, niampy ireo zaza amam-behivavy, tamin’ny sakafo mofo sy hazandrano. Hisy angamba hieritreritra fa tsy sarotra tamin’i Jesosy ny nanome tamin’ny fomba mahagaga izay nilain’izany vahoaka izany. Tsy tokony hohadinoina anefa fa nihevitra tamim-pahatsorana ireny olona ireny izy ary nanao zavatra araka izany. — Marka 6:35-44; Matio 14:21a.
13. Inona moa no porofo hafa ny amin’ny fiheverany ny hahasambatra ny olona, nomen’i Jesosy?
13 Azo inoana fa novakinao ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara izay mampiseho fa tsy ny mahantra ihany no noheverin’i Jesosy fa olon-kafa ory koa. Nanampy ny marary sy nalahelo izy (Lioka 6:17-19; 17:12-19; Jaona 5:2-9; 9:1-7). Tsy ireo marary sendra teo anilany ihany no nositraniny. Indraindray izy dia nankany amin’ilay marary mba hitondra fanampiana ho azy. — Lioka 8:41-55.
14, 15. a) Nahoana moa isika no mahazo matoky fa nantenain’i Jesosy ny hanarahan’ireo mpianany fihetsika tahaka ny azy? b) Inona avy no fanontaniana tsara raha apetratsika amin’ny tenantsika?
14 Kanefa moa ve ireo izay afaka nanao zavatra tamim-pahagagana ihany no tokony hiahy ny amin’izay nilain’ny kristiana (na ny olona nitady ny fahamarinana) nahantra na ory? Tsia. Tokony hiahy ny amin’izany ny mpianatr’i Jesosy rehetra ka hanao zavatra hifanaraka amin’izany. Ohatra, nanarin’i Jesosy toy izao ny lehilahy nanan-karena iray izay naniry hahazo ny fiainana mandrakizay: “Amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao.” (Lioka 18:18-22). Nanome izao torohevitra hafa izao i Jesosy: “Fa raha manao fanasana hianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba; dia ho sambatra hianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa hianao amin’ny fitsanganan’ny marina.” — Lioka 14:13, 14.
15 Mpianatr’i Kristy ny mpianatra iray. Ny tsirairay avy amintsika àry dia tokony hanontany tena toy izao: Manao ahoana ny fanahafako ny fihetsika sy ny asa nataon’i Jesosy ho an’ny mahantra, ny ory sy ny malahelo? Azoko atao ve ny milaza amim-pahamarinana tanteraka tahaka ny apostoly Paoly hoe: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” — I Korintiana 11:1.
Paoly: ohatra iray ny amin’ny olona sambatra
16. Nihevitra ny amin’ny inona indrindra moa ny apostoly Paoly?
16 Mety ny hiresahana ny amin’i Paoly mifandray amin’io raharaha io, satria ohatra faka tahaka koa izy. Araka ny tokony hampoizina, dia izay nilain’ny mpiara-belona taminy teo amin’ny ara-panahy no noheveriny talohan’ny zavatra rehetra. Izy dia ‘iraka solon’i Kristy, mangataka hoe: “Mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo.” ’ (II Korintiana 5:20). Ny asa manokana nanirahana an’i Paoly dia ny fitoriana sy ny fanatanjahana ireo kongregasiona teo amin’ny tsy Jiosy. Izao no nosoratany: “Notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an’ny tsy voafora aho.” — Galatiana 2:7.
17. Ahoana no ahafantarantsika fa niahy koa ny amin’ny ilain’ny kristiana teo amin’ny ara-nofo i Paoly?
17 Nefa noho i Paoly nilaza fa nanahaka an’i Kristy ny tenany, moa ve izy niahy (sahala amin’i Jehovah sy Jesosy) ny amin’ny fahoriana sy fahasahiranana ara-batana nahazo ireo namany teo amin’ny fanompoam-pivavahana? Aoka havelantsika hamaly izy. Izao no lazainy ao amin’ny Galatiana 2:9: ‘Notoloran’i Jakoba sy Kefasy [Petera] ary Jaona ny tànana ankavanan’ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin’ny jentilisa izahay.’ Ao amin’ny andininy manaraka, dia izao no teny nanampiny: “Ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany.” (Galatiana 2:10). Takatr’i Paoly àry fa na dia apostoly sy misionera nanana andraikitra teo anoloan’ny kongregasiona maro aza izy, dia tsy tokony ho sahirana loatra ka tsy hihevitra izay hahasoa ireo rahalahiny sy anabaviny ara-batana.
18. Iza moa ireo “malahelo” azo inoana fa nasian’i Paoly fitenenana ao amin’ny Galatiana 2:10, ary nahoana no azo antoka fa tsy maintsy ho nisy fiahiana ny amin’izy ireny?
18 Azo inoana fa ny “malahelo” resahiny ao amin’ny Galatiana 2:10 dia kristiana jiosy avy tany Jerosalema sy Jodia indrindra. Taona vitsivitsy talohan’izay, dia “nimonomonona tamin’ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ny fiantrana isan-andro ny mpitondratenany” (Asan’ny apostoly 6:1). Araka izany, dia sady nilaza i Paoly fa apostolin’ireo firenena izy, no nampiseho mazava fa tsy nanadino na iza na iza izy tao amin’ny fianakaviambe kristiana (Romana 11:13). Taminy, ireto teny manaraka ireto dia nilaza tsy nivantana koa fiahiana ireo rahalahy tamin’ny lafiny ara-batana: “Mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra. Ary raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena.” – I Korintiana 12:25, 26.
19. Inona no porofo ananantsika fa Paoly sy ny kristiana hafa dia tena nanao zavatra ho fiahiana ny mahantra?
19 Rehefa nijaly noho ny fahantrana, ny mosary na ny fanenjehana ireo kristiana tany Jerosalema sy Jodia, dia nisy kongregasiona tany lavitra nandray anjara. Marina fa tamin’ny vavaka nataony izy ireo dia nangataka tamin’Andriamanitra mba hanohana sy hampahery ireo rahalahiny sahirana, kanefa tsy nianina tamin’izany izy ireo. Nanoratra i Paoly fa “efa sitrapon’i Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin’ny olona masina any Jerosalema”. (Romana 15:26, 27.) Ireo kristiana nanome fanampiana ara-bola toy izany ho an’ireo rahalahiny ory dia ‘nanan-karena tamin’ny zavatra rehetra ka nandroso tamin’ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaorana an’Andriamanitra’. (II Korintiana 9:1-13.) Moa ve tsy nahatonga azy ireo ho sambatra izany?
20. Nahoana moa no afaka ny ho sambatra ireo kristiana izay nanome fanampiana ho an’ny “malahelo”?
20 Ireo rahalahy izay nanome tamin’ny volany ho an’ireo ‘malahelo tamin’ny olona masina tany Jerosalema’ dia nanana antony amboniny nahasambatra. Ireo fanomezana nataony mba hikarakarana ny ory dia nanampy azy ireny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Azo atao ny mahatakatra ny antony amin’ny fiheverana fa ny teny grika nadika hoe “fiantrana” ao amin’ny Romana 15:26 sy ao amin’ny II Korintiana 9:13 dia manana heviny indrindra hoe “mariky ny firahalahiana, porofon’ny firaisan-tsain’ny mpirahalahy, na fanomezana mihitsy aza”. Ampiasaina izy io ao amin’ny Hebreo 13:16 izay milaza hoe: “Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.”
Ho sambatra ve isika?
21. Ho famaranana, inona no hahatonga antsika ho sambatra?
21 Tamin’ny fiaraha-midinika, dia hitantsika ny porofo araka ny Baiboly fa nikarakara ny ory Jehovah Andriamanitra, Jesosy Kristy sy ny apostoly Paoly. Voamaritsika fa izy ireo dia samy niaiky fa ilaina ny hikarakara voalohany indrindra izay ilain’ny hafa ara-panahy. Marina koa anefa fa nasehon’izy ireo tamin’ny fampiharana fa niahy ny mahantra, ny marary sy ny ory izy ireo. Afaka ny ho sambatra izy ireo tamin’ny fitondrana fanampiana ara-nofo ho an’ny ory. Tokony ho hafa noho izany ve ny amintsika? Mananatra antsika i Paoly mba “hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo, izay manao hoe: ‘Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.’ ” – Asan’ny apostoly 20:35.
22. Lafiny inona avy amin’io raharaha io no mbola mendrika ny hoheverintsika?
22 Manontany tena toy izao angamba anefa ianao: Inona no azoko atao manokana? Ahoana no mety hahafantarako hoe iza no tena sahirana? Ahoana no azoko itondrana fanampiana nefa tsy hamporisika ho kamo, dia fanampiana amim-pahamoram-panahy sy mora ampiharina izay mihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa, sady mitana fifandanjana tsara eo amin’io karazana asa io sy ny adidiko kristiana hampiely ny vaovao tsara? Ny lahatsoratra manaraka dia hamelabelatra ireo fanontaniana ireo, ka hamela anao amin’izany hahita fahasambarana lehibe kokoa ihany.
-
-
Aza mianina amin’ny filazana hoe: “Mamindroa, mivokisa”Ny Tilikambo Fiambenana—1987 | 15 Janoary
-
-
Aza mianina amin’ny filazana hoe: “Mamindroa, mivokisa”
“Raha (...) misy aminareo manao aminy [amin’ny kristiana sahirana] hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany? (...) Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.” — JAKOBA 2:15-17.
1. Ahoana no nahatonga ny kristiana iray tany Nigéria ho sahirana?
NOTOMBANANA fa teraka talohan’ny 1880 i Lebechi Okwaraocha. Hita mazava àry fa zato taona mahery izy. Nankalaza ny “juju” izay nolovainy avy tamin’ireo ray aman-dreniny nizeriana izy. Avy eo, rehefa valopolo taona mahery izy, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampihariny izay nianarany ary natao batisa izy. Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny 30 taona teo ho eo àry izy. Tsy ela loatra izay, dia nitsidika azy sy ny vadiny 72 taona izay anglikana ireo loholona tao amin’ny kongregasionany. Avy be dia be ny orana. Kivy izy mivady. Tondraka ny tany tao anaty tranony nitafo bozaka ary tsy nanan-kavana mihitsy nety ho afaka hampiantrano azy na hanampy azy ireo hanao ireo fanamboarana nilaina izy ireo. Raha teo ny tenanao, inona no ho nataonao? Alohan’ny hahitana izay nitranga, aoka hodinihintsika ny torohevitra vitsivitsy omen’ny Baiboly.
2. Nahoana moa isika no mihevitra ny “asa tsara”?
2 Kristy Jesosy “nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba (...) hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany”. (Titosy 2:14.) Izany asa izany dia mihodinkodina manodidina ny fitoriana ilay Fanjakana izay mahavonjy aina (Marka 13:10; Apokalypsy 7:9, 10). Kanefa, ny “asa tsara” kristiana dia tsy manondro fotsiny ny fitoriana iankinan’ny aina tokoa. Manazava toy izao tokoa i Jakoba, rahalahin’i Jesosy, iray reny taminy: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.” — Jakoba 1:27.
3, 4. Inona no azontsika ianarana ny amin’ny “asa tsara” ao amin’ny I Timoty toko faha-3 ka hatramin’ny faha-5, ary mametraka fanontaniana hoe ahoana avy izany?
3 Tamin’ny taonjato I, ireo kongregasiona dia nandray anjara tamin’ireo sokajiny roa amin’ny “asa tsara” ireo. Ao amin’ny I Timoty toko fahatelo, rehefa avy nitanisa ireo toetra takina amin’ny mpiandraikitra sy ny mpikarakara momba ny asa ny apostoly Paoly dia nanoratra fa ‘ny fiangonan’Andriamanitra [kongregasionan’Andriamanitra, MN ] velona dia andry sy fiorenan’ny fahamarinana’. (I Timoty 3:1-15.) Nasehony koa fa ireo kristiana maharitra amin’ny fampianarana marina toy izany dia hamonjy ny tenany sy izay mihaino azy’. (I Timoty 4:16.) Rehefa avy eo i Paoly dia niresaka ny amin’ny ‘asa tsara’ ho fikarakarana ara-nofo ireo mpitondratena mahatoky “tsy manam-pananana”. — I Timoty 5:3-5, MN.
4 Noho izany, ankoatra ny fitoriana ny filazantsara, dia ilaintsika koa ny mihevitra “asa tsara” hafa, ohatra ‘mikarakara ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany’. Afaka manao inona amin’io lafiny io ireo loholona sy ireo mpikarakara momba ny asa, dia izy ireo izay ‘mitondra antsika’? (Hebreo 13:17.) Ary ahoana no hanampian’ny kristiana hafa azy ireny amin’io lafiny io? Ahoana no azon’ny tenantsika manokana anatanterahana “asa tsara” karazan’izany?
Loholona manome ohatra tsara
5. Ahoana no nanomezan’i Paoly zavatra nilaina manokana, ary fanaovan-javatra inona karazan’izany no atao amin’izao androntsika izao?
5 Rehefa niseho ny zavatra nilaina manokana tany Jodia, Paoly, loholona, dia nitarika fandaminam-panampiana. Izany fitarihana izany dia nampihena ho faran’izay kely ny nety ho fisafotofotoana; nozaraina tsy nisy fiangarana izay azo tamin’ny fanangonam-bola, araka izay nilain’ny tsirairay avy (I Korintiana 16:1-3; Asan’ny apostoly 6:1, 2). Tamin’izao androntsika izao koa, ireo loholona dia nanapa-kevitra ny handamina fanampiana taorian’ny loza aman’antambo toy ny tondra-drano, ny tany mihotsaka, ny fisamboaravoaran’ny ranomasina mafy, ny tafiodrivotra mafy na ny horohorontany, ka ‘hihevitra ny amin’ny hafa’. — Filipiana 2:3, 4.
6. Tany Californie, ahoana no nataon’ireo loholona rehefa nisy loza aman-antambo iray?
6 Tao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 oktobra 1986, dia ahitana ohatra ny amin’ny kristianisma miasa toy izany. Tany Californie, dia nisy fefiloha vaky ka nandray anjara ireo loholona. Nandinika haingana ny andian’ondriny ireny mpiandry ara-panahy ireny mba hahafantarana izay tsy tao sy izay nila fikarakarana, sakafo na filasiana. Niasa niaraka tamin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo loholona. Noforonina ny komitim-panampiana, ary arakaraka ny nahatongavan’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa teo amin’ireo toerana, dia nalamina ho antokony izy ireo mba hanadio sy hanamboatra ireo trano simba. Nanara-maso ny fividianana sy fizarana sakafo koa ireo loholona. Mampiseho izany fa rehefa misy ilàna izany manokana, ‘ny mpianatra tsirairay avy dia afaka manapa-kevitra, araka ny ananany, hanome’ na hanao zavatra sasany. Fahendrena anefa ny hanatonana ireo mpiandraikitra eo an-toerana sy ny hahazoana toromarika avy amin’izy ireny. — Jereo Asan’ny apostoly 11:27-30.
7. Zavatra hafa ilaina matetika kokoa inona no ilàna fandraisana anjara?
7 Na dia afaka mandray anjara aza ianao (loholona na tsia) indraindray rehefa tena ilaina izany aorian’ny loza aman’antambo iray, dia misy zavatra ilaina fahita kokoa sy lehibe toy izany koa eo anivon’ny kongregasionanao mihitsy. Noho izany tsy manaitra toy ny loza aman’antambo lehibe angamba, dia mety tsy hitandrina izany mora foana ny tena na tsy hihevitra izany firy. Ny amin’izany karazan-javatra ilaina izany anefa no resahina ao amin’ny Jakoba 2:15-17. Ny kongregasionanao àry dia mety hanome anao ny fitsapana tsara indrindra mba hahalalana raha ‘misy asa amin’ny finoanao, na raha maty izany’.
8. Ahoana no hisehoan’ireo mpiandraikitra ho hendry eo amin’ny fomba fanomezany izay ilain’ny kongregasiona?
8 Rehefa mandray ny fitarihana amin’izany lafiny izany ireo loholona, dia tokony hiezaka mba ho “hendry sy manam-pahalalana”. (Jakoba 3:13.) Ny fahendrena dia hahatonga azy ireo ho afaka hiaro ny andian’ondry amin’ny mpisandoka mitety rahalahy (na kongregasiona), misambo-bola na mamorona tantara mba hahazoana “fanampiana”. Miseho ho hendry ireo mpiandraikitra amin’ny tsy fanohanana mihitsy ny hakamoana, satria manambara izao fitsipika izao ny Baiboly: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.” (II Tesaloniana 3:10-15). Tsy irin’izy ireo anefa ny ‘hanidy ny varavaran’ny fangoraham-pony feno fitiavana’ na ny hitaona ireo rahalahiny hanao toy izany (I Jaona 3:17, MN ). Tokony haneho fahendrena koa izy ireny satria ny Baiboly tsy manome fitsipika tsy hita fetra ny amin’ny fomba fikarakarana ireo mahantra sy ory. Tsy mitovy ny tarehin-javatra arakaraka ny fotoana.
9. a) Tamin’ny taonjato I, inona no natao ho an’ireo vehivavy mpitondratena kristiana mendrika izany? b) Afaka mahazo karazam-panampiana inona amin’izao andro izao ny mpitondratena toy izany?
9 Ohatra, ao amin’ny I Timoty 5:3-10 (MN ), Paoly dia niresaka ny amin’ireo vehivavy mendrika izay ‘tsy nanam-pananana’. Adidin’ireo kristiana mpianakaviny voalohany indrindra ny nanampy azy ireny. Raha tsy niantsoroka izany izy ireo, dia nety ho simba ny toerany teo anatrehan’Andriamanitra. Kanefa, raha toa ny mpitondra tena mahantra iray izay mendrika ny hampiana ka tsy nahazo izany karazam-panampiana izany, ireo loholona dia afaka nanao fandaharana mba hahafahan’ny kongregasiona mitondra fanampiana ara-nofo ho azy. Tato anatin’izao taona faramparany izao koa, dia nisy kongregasiona nanampy ny sasany tamin’ireo mpikambana tao aminy tena sahirana tokoa. Any amin’ny ankamaroan’ny tany anefa amin’izao andro izao, dia omanina ny fanampiana, alaina avy amin’ny hetra, ho an’ny olona be taona, ny kilemaina na ireo maniry hiasa nefa tsy mahita asa. Amin’ny toe-javatra toy izany, ireo loholona dia mety hanolotra fanampiana hafa. Misy kristiana tena mahantra tokoa izay mahafeno tanteraka ireo fepetra mba hahazoana fanampiana avy amin’ny vahoaka, angamba tsy mahazo izany satria tsy mahalala ny fomba fanaovana fangatahana na satria saro-kenatra loatra mba hitaky izany. Azon’ireo loholona atao àry ny mangataka fanazavana amin’ireo fandaminam-bahoaka tafiditra na miteny amin’ny Vavolombelona iray za-draharaha amin’io lafiny io. Avy eo, dia azony atao ny manao izay hahatonga lehilahy na vehivavy kristiana mahay iray hanampy ilay olona sahirana hahazo ny fanampiana voaomana. — Romana 13:1, 4.
Ny fomba fandaminana fanampiana azo ampiharina
10. Rehefa miandry ny ondry izy ireo, inona moa no tokony hotandreman’ireo loholona?
10 Matetika no misy mpiandraikitra mailaka hanao zavatra, mandray anjara tena lehibe raha ny amin’ny fiahiana mba hahatonga ireo kristiana mahantra na ory handray ny fanampian’ireo rahalahiny sy anabaviny tia. Tokony ho malina ireo loholona mba hanavaka izay ilain’ny anisan’ny andian’ondry andrasany rehetra eo amin’ny ara-batana sy ara-panahy. Ara-dalàna raha mihevitra be dia be “ny fivavahana sy ny fampianarana” izy ireny. (Asan’ny apostoly 6:4.) Koa hiahy izy ireny ny amin’ny hahatonga ireo anisan’ny andian’ondry tsy afa-miala eo am-pandriana na any amin’ny hopitaly hahazo sakafo ara-panahy. Afaka mampandray feon’ny fandaharana ao amin’ireo fivoriana ireo loholona ho an’ireo tsy afaka manatrika izany. Tamin’ny fifandimbiasana nitondra feo noraisina ho any amin’ireo namany kristiana, dia nahatsikaritra ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa fa izany dia nahatonga azy ireny ho afaka hampita fanomezana ara-panahy hafa (Romana 1:11, 12). Amin’izany koa no ahafahany mahatsapa izay ilain’ireny kristiana ireny mandrakariva.
11. Asehoy ny fomba azo anampiana ny vehivavy kristiana sahirana iray.
11 Angamba homarihin’izy ireo fa ny anabavy manan-kilema na be taona iray dia ho afaka ny ho tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana indraindray na handray anjara kely amin’ny fitoriana raha nanampy azy hidio na hiakanjo ny anabavy iray (jereo Salamo 23:1, 2, 5). Azon’ireo mpiandraikitra atao aza ny manankina amin’ny anankiray amin’izy ireo ny andraikitra hanao ireo fandaharana ilaina. Afaka mangataka mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny kongregasiona koa izy mba hiara-mandeha amin’ilay olona ory na hitondra azy amin’ny fiarakodia. Ny fandaharana iray dia hahatonga ho afaka handamina ny zavatra kokoa.
12. Ahoana no azon’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona iaraha-miasa amin’ireo mpiandraikitra mba hanampiana ireo marary sy ireo olona be taona?
12 Ho voamarik’ireo loholona angamba fa amin’ny lafiny hafa koa, dia ho azo atao ny hanolotra ny fanampian’ny tena na hanao fandaharana feno fitiavana sasany. Ohatra, ny vehivavy kristiana be taona na marary iray dia tsy afaka nikarakara ny tranony araka ny nahazatra azy. Moa ve amin’izany ny mpikarakara momba ny asa sasany na ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona tsy ho afaka ny hitondra fanampiana ho azy? Raha manapaka ny bozaka izy ireo na mamarana ny fefy, dia hahatsiaro tena ho tsara kokoa io vehivavy kristiana io noho ny fahafantarana fa tsy hiteraka fanalam-baraka ao amin’ilay faritany ny tranony. Tokony hongotana ve ny bozaka ao amin’ny zaridaina na hotondrahana ilay zaridaina? Moa ve ny anabavy iray handeha hiantsena ho vonona ny hanontany izay ilain’io vehivavy kristiana io ka hividy zavatra ho azy? Nihevitra ireny raharaha tamin’ny lafin’ny fampiharana ireny ireo apostoly ka nandamin-javatra niaraka tamin’ireo mpikambana mahay ao amin’ny kongregasiona mba hitondra ny fanampiana ilaina. — Asan’ny apostoly 6:1-6.
13. Inona no vokatry ny fanampiana nentin’ireo loholona ho an’ilay kristiana nizeriana voalaza eo am-piandohan’ny lahatsoratra?
13 Ireo loholona voatonona terỳ am-piandohan’ny lahatsoratra izay, tamin’ny fitsidihana ondry, dia nahatsikaritra fa i Lebechi Okwaraocha sy ny vadiny dia tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra, dia naneho fiahiana kristiana toy izany. Nikarakara ilay raharaha tsy nisy hataka andro ny kolejin’ny loholona ka nampahafantatra an’ilay kongregasiona fa nikasa ny hanorina indray ilay trano izy. Nisy rahalahy sy anabavy nanome fitaovana ary nandray anjara avy hatrany tamin’ny fanatanterahana ny volavolan-kevitra. Tao anatin’ny herinandro izy ireo dia nanorina trano kely mafy iray, mitafo fanitso. Izao no fitantarana avy any Nigéria:
“Gaga ireo tantsaha ary avy hatrany dia nitondra sakafo sy fisotro ho an’ireo rahalahy sy anabavy izay niasa mafy nandritra ny ora maro mba hamita ny asa alohan’ny ranonorana. Tantsaha maro no nitaraina ny amin’ny antokom-pivavahana hafa izay, araka ny filazan’izy ireny, dia mandroba ny olona fa tsy manampy ny mahantra. Namelona ny resaka rehetra tao amin’ilay vohitra ny fisehoan-javatra. Nanjary nandray tokoa ny hafatra ireo mponina, ary nisy fanombohana fianarana ny Baiboly maro.”
Ny fandraisanao anjara amin’ireny “asa tsara” ireny
14. Tokony hanao ahoana ny toe-tsaintsika raha ny amin’ny “asa tsara” atao ho an’ireo rahalahintsika?
14 Mazava ho azy fa matetika isika no manana fahafahana handray anjara isam-batan’olona sy mivantana mba hanome izay ilain’ireo kristiana manodidina antsika izay be taona, manan-kilema, any amin’ny hopitaly na ory noho ny antony hafa koa. Raha mahita fomba hanehoana ny tena kristianisma isika, nahoana no tsy manao zavatra sy miezaka hitondra ny fanampiantsika (Asan’ny apostoly 9:36-39)? Tsy ny faneren’ny hafa fa ny fitiavana kristiana no tokony hanosika antsika hanao zavatra. Mba hanolorana fanampiana azo ampiharina na inona izany na inona, dia ilaina voalohany indrindra ny hiheverana amim-pahatsorana ny hafa sy ny hanehoana fangoraham-po. Mazava ho azy fa tsy misy amintsika afaka mampijanona ny fotoana ho an’ny olona be taona, na manasitrana ny marary amin’ny fomba mahagaga, na manao izay hahatonga ny rehetra ao anatin’ny kongregasiona hitovy toerana ara-toe-karena. Nefa tena tokony hihevitra ny hafa isika ka ho vonona ny hanome. Raha izany no fihetsika asehontsika ka manao zavatra mifanaraka amin’izany isika, dia hanamafy ny fatoram-pitiavana mampiray antsika amin’ireo izay ampiantsika isika. Toy izany ny amin’i Paoly sy Onesimosy izay, na dia kristiana azo lazaina hoe vaovao aza, dia ‘nanompo an’i Paoly tao amin’ny fifatorany’. — Filemona 10-13; Kolosiana 3:12-14; 4:10, 11.
15. Karazam-panampiana inona no azontsika atolotra kristiana mendrika izay tena sahirana?
15 Indraindray, dia misy zavatra azontsika atao ho an’izay sahirana, amin’ny fanomezana tsy mitonona anarana na manokana amim-pahamoram-panahy. Tsy afaka mahita asa hafa iray ve ny rahalahy iray namoy ny asany? Tsy maintsy mandoa saram-pitsaboana tsy nampoizina ve ny anabavy iray? Niharan’ny voina ve izy na nahita fahavoazana noho ny famakian-trano? Mety hitranga manodidina antsika ny tarehin-javatra toy izany. Raha manao “fiantrana” isika, ny Raintsika izay mijery ao amin’ny mangingina dia hahita izany ka hankasitraka antsika (Matio 6:1-4). Na koa, na dia tsy vola aza, dia angamba ho azontsika atao, tahaka an’i Joba, ny hanome fitafiana ho an’ny mahantra, hanolotra vatsy na sakafo voaomantsika ho an’ny mpitondratena na ny kamboty. — Joba 6:14; 29:12-16; 31:16-22.
16. Fomba hafa mora ampiharina inona koa no azo ampiasaina mba hanampiana olona? Manomeza ohatra.
16 Ny fanandraman-javatra efa hitanao na ireo olona ifandraisanao dia mety hahatonga anao ho afaka hanolotra fanampiana azo ampiharina. Indray andro, ny rahalahy iray dia nangataka tamin’ny rahalahy W—— mba hampisambo-bola azy. Namaly azy tamim-pahalemem-panahy toy izao io: “Inona no mahatonga anao hieritreritra fa manam-bola hampisamborina aho?” Izao no valiny: ‘Satria mahay mitantana kokoa ny volanao tsy tahaka ahy ianao.’ Naneho fahaiza-manavaka ny rahalahy W—— izay matetika no nampisambo-bola ireo nila izany, ka nanipy hevitra toy izao: ‘Ny tena ilainao dia angamba fanampiana mba hitantana tsara ny volanao. Hahafaly ahy tokoa ny hitondra ho anao izany fanampiana izany raha ekenao.’ Ankasitrahana indrindra izany karazam-panampiana izany ho an’ireo kristiana tsy maintsy mijery indray ny fomba fiainany satria niova ny toerany na izay vonona ny hiasa mafy na dia ao amin’ny asa tsy heverina ho sarobidy loatra aza. Mazava ho azy fa raha tena ilaina ny fampisamboram-bola, dia ho tsara ny hanaovana sonia taratasy iray mba tsy hisian’ny zava-manahirana any aoriana. Kanefa, maro amin’ireo rahalahy tsy maniry hisambo-bola no tena ho tia handray fanampiana manokana amin’ny endriky ny torohevitra na handray soa avy amin’ny fanandraman-javatra efa nataon’ny hafa (Romana 13:8). Izany no asehon’izay hita tamin’i Emmanuel, tatsy Afrika andrefana.
Mpanety nahay i Emmanuel, nefa vitsy ny olona nanety volo tao aminy. Kivy izy tsy afaka namelon-tena. Tamin’izay ny loholona iray nanana fahiratan-tsaina tokoa tao amin’ny kongregasiona no nanontany azy raha nety ho vonona ny hanao asa hafa izy. Nanaiky i Emmanuel, satria ny hamela ny fireharehana amin’ny asa ho vato misakana izy. Niresaka tamin’ireo mpiara-miasa taminy ilay loholona ka nahita ho an’i Emmanuel asan’ny mpiambina tao amin’ny hopitaly iray. Nanome fahafahampo tamin’ny asany i Emmanuel ary afaka nanampy mpikambana hafa tao amin’ny kongregasiona.
17. Ahoana no ho azonao anampiana rahalahy iray any amin’ny hopitaly (Salamo 41:1-3)?
17 Manana fahafahana manokana hanolotra ny fanampiany ny tena rehefa any amin’ny hopitaly ny namana kristiana iray na ao amin’ny trano fitokanana. Eo koa, dia zava-dehibe tokoa ny hiheverana amim-pahatsorana ny rahalahintsika. Ho azonao atao angamba ny hampiseho ny fiheveranao azy amin’ny fahavononana hamaky ho azy boky kristiana mampandroso na hitantara aminy zava-nitranga mampahery sasany. Kanefa moa ve izy tsy manan-java-manahirana ara-nofo sasany ho azonao anampiana azy mba halamina? Any amin’ny tany sasany, dia be raharaha loatra ny mpiasa ao amin’ny hopitaly, hany ka tsy ho voadio na hahazo sakafo ny marary iray raha tsy misy mpitsidika manao izay ilaina. Raha izany no izy, ary raha avelan’ny mpitsabo, dia ho azo atao angamba ny hitondra sakafo tsara ho an’ilay marary, ny hanampy azy hidio na hanasa loha. Na hankamaminy ve ny akanjo fanao ao amin’ny efitrano na ny kiraro fanao an-trano mafana tsara (II Timoty 4:13)? Azo atao koa ny mikarakara raharaha sasany mitana ny sain’ilay marary. Manontany tena angamba izy ny amin’ny fomba handraisana ny karamany na handoavana taratasim-bola sasany. Azo atao ny manampy azy sy mitondra fanamaivanana ho azy amin’ny fanaovan-javatra tsotra dia tsotra, ohatra, amin’ny fiahiana mba tsy hiavosa eo anoloan’ny varavarany ny taratasiny, amin’ny fanondrahana ny zava-maniriny na amin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa tapaka ny fanafanàna.
18. Vonona ny hanao inona ianao ho an’ireo rahalahy sahirana?
18 Tsy isalasalana mihitsy fa ny tsirairay avy amintsika dia afaka mahita fomba handrosoana mba tsy hianinana amin’ny filazana hoe: “Mamindroa, mivokisa.” (Jakoba 2:16). Eritrereto ireo rahalahy sy ireo anabavy ao amin’ny kongregasionanao. Tena mila fanampiana ara-nofo tokoa ve ny kristiana mendrika sasany? Moa ve izy ireny marary, manan-kilema na tsy afa-miala eo am-pandriana? Inona no azonao atao eo amin’ny lafin’ny fampiharana mba hanampiana ireny mpikambana malala ao amin’ny kongregasiona ireny izay ho azy no nahafatesan’i Kristy? Ny fihetsika toy izany dia hanampy anao ho tsara omana kokoa mba hamaly haingana rehefa misy fahasahiranana.
19. a) Nahoana moa no zava-dehibe ny hanehoana fifandanjana eo amin’ny lafin’ny fanampiana ara-nofo? b) Inona moa no asa tsara indrindra azo atao ho an’ny mpiara-belona amin’ny tena, ary nahoana (Salamo 72:4, 16)?
19 Raha manao fiezahana isika mba hanampiana ireo rahalahintsika, dia hanaporofo fa tsy maty akory ny finoantsika. Izany finoana izany koa no manosika antsika handany hery amin’ny fitoriana kristiana. Tokony hitana fifandanjana tsara isika eo amin’ny fanampiana ara-nofo entintsika ho an’ny hafa sy ny fandraisantsika anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana ny filazantsara (jereo Matio 15:3-9; 23:23). Ahitana taratr’izany fifandanjana izany ny torohevitra nomen’i Jesosy ho an’i Marta sy Maria. Nilaza tamin’izy ireo izy fa raha misy manombana ny zavatra ara-nofo oharina amin’ny sakafo ara-panahy, dia ny sakafo ara-panahy no “anjara tsara” ary tsy hesorina aminy izany (Lioka 10:39-42). Ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia hisy marary sy mahantra foana. Afaka sy tokony hanao soa amin’izy ireny foana isika (Marka 14:7). Kanefa, ny azontsika atao tsara indrindra sy maharitra indrindra ho an’ny mpiara-belona amintsika, dia ny fampianarana azy ireny ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Jesosy dia nampifantoka ny sainy rehetra ho amin’ilay Fanjakana (Lioka 4:16-19). Amin’ny alalan’izany no mety hahazoan’ny mahantra, ny marary sy ny ory fanamaivanana maharitra. Faly tokoa isika manampy ireo rahalahintsika sy olon-kafa koa hanorina ny fanantenany amin’Andriamanitra ka ‘hitana ny tena fiainana’. — I Timoty 6:17-19.
Tadidinao ve?
◻ Inona moa no “asa tsara” lehibe indrindra tokony hotanterahin’ny kongregasiona kristiana?
◻ Ahoana no azon’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona iray ikarakarana amin’ny fomba mety ny “asa tsara”, mifandray amin’ny tarehin-javatra ara-nofo hitan’ireo rahalahiny?
◻ Fandaharana azo ampiharina inona no azon’ireo loholona atao?
◻ Fanampiana mora ampiharina inona no azonao entina ho an’ireo rahalahinao sy anabavinao sahirana?
[Efajoro, pejy 17]
Nandray anjara ny kongregasiona
Ny mpivady izay nifindra fonenana mba hanompo tany amin’ny kongregasiona kely iray any ambanivohitra dia nandefa izao fitantarana mampieritreritra izao:
‘Telo taona lasa izay, dia nivarotra ny tranonay izahay mivady ary nifindra ho any amin’ny kongregasiona lavitra iray nila kristiana matotra taorian’ny zava-nanahirana sasany. Tsy ela taorian’izany, dia niantsoroka raharaha efatra aho. Tianay ireo rahalahy ary naniry hiara-hanompo tamin’izy ireny izahay. Rehefa lasa ireo volana, dia nihatsara ny toe-tsain’ny kongregasiona ary tonga niaraka taminay ny loholona tsara dia tsara roa.
‘Teo anelanelan’izany, dia nanomboka nahita fahasahiranana ara-pahasalamana ny vadiko, ary tamin’ny taona lasa dia tsy maintsy nanaovana fandidiana lehibe izy. Tamin’ny andro nidirany tany amin’ny hopitaly, dia voan’ny fihetsehan’ny aretin’aty aho. Roa volana taty aoriana, dia namoy ny asako aho noho ny faharatsian’ny toe-karena tao amin’ilay faritra. Tsy nanam-bola intsony izahay, tsy nanana asa aho ary samy tokony hanandrana hitady ny fahasalamanay izahay. Ketraka aho satria nanakaiky ny fivoriamben’ny distrika ary ambonin’izany dia tsy maintsy nandray anjara tamin’ny fandaharana aho. Nanana anjara tamin’ny fandaharan’ny fivoriamben’ny fizaran-tany tokony hatao rehefa afaka tapa-bolana koa aho. Nefa noho izaho tsy nanam-bola, dia nanontany tena aho ny amin’ny fomba hahafahako ho any amin’ireo fivoriambe ireo sy ny fomba hamelomako ny ankohonako koa aza. Indray maraina, rehefa lasa nitory ny vadiko, dia nipetraka aho mba hieritreritra ny toeranay.
‘Sady nijery teo am-baravarankely aho no nanontany tena hoe aiza ny fitokisako an’i Jehovah. Nilaza tamin’ny vadiko aho mba tsy hanahy, kanefa nanomboka nisalasala aho izao. Nampahafantariko an’i Jehovah ny ‘fahakelezan’ny finoako’ ary nitalaho taminy aho mba hitondra fanampiana ho ahy. Rehefa vita ny vavaka nataoko, dia nandondòna tao am-baravarana ny rahalahy iray. Nanasa ahy izy hiara-hisotro kafe taminy. Nanazava taminy aho fa tsy afaka nanaiky, satria tsy maintsy nanomana tapany tamin’ny fandaharana ho amin’ny fivoriana hatao io hariva io ihany. Nanantitrantitra anefa izy ka nilaza fa tsy haka afa-tsy minitra vitsivitsy izany. Lasa àry izahay. Tafaverina izahay rehefa afaka antsasakadiny. Nahatsiaro ho nihatsara aho rehefa tafavoaka avy tao amin’ny fiarakodiany.
‘Rehefa niditra tao an-trano aho, dia nahamarika fa feno vatsy ny latabatra tao an-dakozia. Nieritreritra aho fa niantsena angamba ny vadiko. “Andraso kely anefa! ahoana no ho nahafahany nanao izany satria tsy nanam-bola izahay?” Tamin’izay dia tsikaritro ny valopy iray. Nisy soratra toy izao tao:
‘ “Avy amin’ireo rahalahinareo sy anabavinareo tia anareo tokoa. Aza mametraka na inona na inona ao amin’ny vatakely fasiana fanomezana, efa natao ho anareo izao.”
‘Tsy nahatana ny ranomasoko aho. Nieritreritra ny ‘hakelezan’ny finoako’ aho, ka vao mainka nampitomany ahy izany. Avy eo dia tafaverina ny vadiko. Nasehoko taminy fotsiny ireo vatsy sy ny fanomezana hafa. Nifokofoko nitomany koa izy sy ireo anabavy roa niaraka taminy. Nanandrana nanazava tamin’izy ireo izahay fa tsy afaka nanaiky zavatra be dia be toy izany, kanefa namaly anay izy ireo fa tsy nisy nahalala hoe iza no nanome inona. Nandray anjara ny mpikambana rehetra tao amin’ny kongregasiona; nirin’izy ireo ny hanao izany satria nieritreritra izy ireo fa nampianatra azy ireo hanome izahay. Vao mainka nampirotsaka kokoa ny ranomasonay izany resaka izany.’
Tsy ela taty aoriana, tamin’ny fotoana nanoratany ity fitantarana ity, dia nahita indray ny asany io kristiana io. Nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy izy mivady.
[Efajoro, pejy 18]
Fisehoan’ny fitiavana kristiana
Ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray any andrefan’i Etazonia dia tonga tao anatin’ny tarehin-javatra somary naningana izay nahatonga azy ho afaka haneho fitiavana kristiana, araka ny atoron’ny Soratra Masina. Ao amin’ny faritanin’ireny Vavolombelona ireny, ny fanjakana dia nanokatra fandraisana olona manan-takaitra lehibe noho fahavoazan’ny fiasan’ny atidoha. Ny anankiray tamin’ireo voalohandohany nonina tao amin’io foibe io, Gary, dimy amby roapolo taona, dia tsy azo notsaboina tany an-tranony intsony. Voan’ny “tétraplégie” izy ary nahatsiaro ho nahita fahasahiranana tamin’ny filazana hevitra.
Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny fito taona i Gary. Rehefa tonga tao amin’ilay foibe vaovao izy, dia naniry hanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona. Tamin’ny voalohany, ireo ray aman-dreniny izay nonina tsy lavitra, dia nitondra azy ho any. Noho ny fahanteran’izy ireo anefa, dia nandimby azy ireo ny rahalahy hafa tao amin’ny kongregasiona. Nanana fiara fitaterana entana ny anankiray tamin’izy ireo. Araka izany, izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy dia niomana sy niainga tsy tapaka adiny iray latsaka fahefany mialoha mba hahafahana haka an’i Gary. Taorian’ny fivoriana, dia nanatitra azy tany amin’ny foibe izy ireo, ka izany dia nahatonga azy ireo ho tratra aoriana be vao nody.
Tsy nijanona teo anefa ny zavatra tao amin’ilay foibe. Nisy olon-kafa koa voa tamin’ny fiasan’ny atidoha, nankafy ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Nisy mpivady nanaiky haingana hianatra ny Baiboly. Nisy hafa koa nampiseho fahalianana taty aoriana. Fa ahoana no hahafahan’izy rehetra ho any amin’ireo fivoriana? Nividy fiara iray àry ny fianakaviana hafa iray tao amin’ny kongregasiona, ary nampindrana fahatelo ny rahalahy mpivarotra. Indraindray anefa dia tsy nahazatra sy tsy mora nampiasaina ireny fomba fitaterana ireny. Afaka nanao zavatra bebe kokoa ve ny kongregasiona?
Nodinihin’ireo loholona ilay raharaha ka tamin’izay no nanolorany hevitra ny amin’ny hividianana fiara izay ny ho hany hampiasana azy dia ny ho fitondrana ireo manan-kilema any amin’ny Efitrano Fanjakana sy ny fanaterana azy ireo any amin’ny foibe. Nanaiky ny hanao ny fandaniana ilay kongregasiona ary nahavita izany tamim-pifaliana. Ny Vavolombelona vitsivitsy teny amin’ny manodidina, rehefa nahare filazana ny amin’izany, dia tia ny hitondra ny fanampian’izy ireo koa. Novidina ilay fiara ary namboarina mba ho azo itondrana ireo seza mikorisa.
Araka izany, isam-bolana, dia fianarana ny boky hafa no manao izay hitondrana ilay fiara any amin’ireo fivoriana na ireo fivoriambe. Mponina dimy ao amin’ilay foibe no manatrika tsy tapaka ao, ka efa vita batisa izao ny efatra amin’izy ireny. Izy ireny dia fantatra sy tian’ny rahalahy sy anabavy maro be izay manandrana fahasambarana amin’ny fanampiana olona. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fitazonana ny fihiranan’izy ireny na amin’ny fitadiavana ho azy ireny ireo andininy ao amin’ny Soratra Masina mandritra ireo fivoriana. Amin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy ny distrika, dia manampy azy ireny hihinan-kanina izy ireo rehefa tsy afaka manao izany izy ireo, sady mikarakara azy ireo. Izany dia niteraka firaiketam-po nifamaly izay manafana ny fo. Ary inona no niafaran’i Gary? Ankehitriny izy dia mpikarakara momba ny asa ao amin’ilay kongregasiona izay naneho fitiavana azy toy izany. — Asan’ny apostoly 20:35.
-
-
Aoka isika hidera an’i Jehovah amin’ny alalan’ny mozikaNy Tilikambo Fiambenana—1987 | 15 Janoary
-
-
Aoka isika hidera an’i Jehovah amin’ny alalan’ny mozika
MARO ny fomba azon’ireo mpanompony iderana an’i Jehovah. Tsy isalasalana mihitsy fa ny ‘fihirana sy ny fankalazana Azy’ dia anankiray amin’ireo kanto indrindra, ary anisan’ireo mampifaly ny fony (Salamo 105:2). Azo natao ny nahatsapa fa, araka ny ambaran’ny mpanoratra iray, ny mozika dia anankiray amin’ireo “zavatra mampiavaka ny olombelona”.
Ny mozika koa dia nolazalazaina ho “io talenta tsy manam-paharoa ananan’ny olombelona io, talenta amoronana sady mampiala voly”. Ny biby, na dia izy na fiompy, dia tsy afaka mankamamy ny mozika. Marina fa mahay mihira tokoa ny vorona sasany, kanefa fahaizana tonga ho azy fotsiny no anaovany izany. Tsy mahay mozika izy, toy ny tsy fahazoan’ny boloky ny hevitry ny teny nianarany notononina. Kanefa, amin’ny alalan’ny mozika mahafinaritra, dia azontsika atao ny manohina ny fon’ny olon-kafa, toy ny ahafahantsika mifandray amin’izy ireny amin’ny alalan’ny teny.
Eny, fanomezana natolotry ny Mpamorona ho an’ny olombelona ny mozika, ary fanomezana toy inona moa izany! Nisy fikarohana natao vao haingana mampiseho fa na dia alohan’ny ahaterahany aza, dia asehon’ny zazakely ny karazana
-