-
Manaja ny olona be taona ny kristiana marinaNy Tilikambo Fiambenana—1987 | 1 Septambra
-
-
Manaja ny olona be taona ny kristiana marina
“NY olona be taona, hoy ny nosoratan’ny mpanao fikarohana iray, Suzanne Steinmetz, dia eo am-pifaranan’ny fiainany raha ny amin’ny famokarana ara-toe-karena, izay amin’izany no anombanan’ny fanao mahazatra antsika ny vidin’ny olona sy anomezany azy fiheverana, toerana, fanajana sy valisoa.” Araka izany, ny fitambaran’olona ankehitriny dia manana fiheverana tsy manorina ny amin’ny olona be taona. Tsy mahagaga loatra amin’izany raha ariana na atao ratsy fitondra izy ireny matetika.
Inona anefa no hevitry ny Baiboly ny amin’ny olona be taona? Miaiky araka ny tena izy ny Tenin’Andriamanitra fa tsy mora akory izany hoe mihantitra. Nivavaka toy izao ny mpanao salamo: “Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.” (Salamo 71:9). Tao anatin’ny fahanterany, dia tsapany tsy nisy toy izany mihitsy ny ilàna hotohanan’i Jehovah. Manorina ny hevitry ny Baiboly satria mampiseho fa isika kosa dia tokony hiahy ny amin’izay ilain’ny olona be taona.
Marina fa Solomona dia niantso ny fahanterana hoe “andro mahory” tsy ahatsapana zavatra ‘sitraky ny tena’ mihitsy. (Mpitoriteny 12:1-3.) Ao amin’ny Baiboly anefa, ny “andro maro sy taona ela iainana” dia ampiarahina koa amin’ny fitahiana avy amin’Andriamanitra (Ohabolana 3:1, 2). Manazava an’io fahamarinana io ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama hoe: “Nefa hianao kosa (...) ho tratrantitra indrindra hianao vao hodi-mandry.” (Genesisy 15:15). Mazava ho azy fa Andriamanitra akory tsy nanameloka an’i Abrahama nahatoky handia “andro mahory” sy manjombona tsy hahitany zavatra ‘sitrany’ mihitsy. Tao anatin’ny fiadanana sy ny fahatoniana no niainany ireo taonany faramparany, satria raha nitodika ny lasa izy dia afa-po noho ny nandaniany ny fiainany tamin’ny asan’i Jehovah. Tetsy an-kilany koa, dia azony natao ny nitodika tany amin’ny “tanàna misy fanorenana”, dia ny Fanjakan’Andriamanitra (Hebreo 11:10). Noho izany antony izany dia maty “antitra sy afa-pon’ny niaina” izy. — Genesisy 25:8, MN.
Raha izany no izy, nahoana no nolazain’i Solomona ho “andro mahory” ny fahanterana? Nasiany fitenenana ny amin’ny fiharatsian’ny fahasalamana tsy azo sakanana mitranga amin’izay. Kanefa, ny olona izay tsy ‘nahatsiaro ny Mpanao azy tamin’ny andro fahatanorany’ dia mahita ny androny mihilana ho mahory indrindra (Mpitoriteny 12:1). Noho izy nandanilany foana ny fiainany, dia ‘tsy sitrany’ mihitsy ny miaina ireo taonany faramparany. Angamba aza ny fomba fiainany ratsy niteraka fikorontanana ara-batana izay mampitombo ny tsinin’ny fahanterana (jereo Ohabolana 5:3-11). Noho izany, rehefa mijery any anoloany izy, dia tsy misy afa-tsy ny fasana no ho aviny. Ny olona iray izay nanompo an’Andriamanitra nandritra ny andro niainany rehetra dia mahita “andro mahory” koa rehefa mihaosa ny tenany. Sahala amin’i Abrahama anefa, dia afaka ny ho sambatra sy afa-po izy raha feno tsara ny fiainany ary raha mampiasa ny hery mbola ananany amin’ny asan’Andriamanitra izy. “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy”, hoy ny toky omen’ny Baiboly. — Ohabolana 16:31.
Raha ny marina, dia misy tombontsoa sasany aza amin’ny fahanterana. “Ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana”, hoy ny fanantitranteran’i Solomona. Raha manana fahasalamana tsara ny tanora, dia matetika izy ireny no tsy ampy fanandraman-javatra sy fahaiza-mitsara zavatra. Ny fahanterana kosa anefa dia mitondra ny fanandraman-javatra nandritra ny fiainana manontolo. Ny olona be taona dia ‘mampivily ny ratsy tsy hikasika ny nofony’, tsy mba sahala amin’ny tanora mora taitaitra izay miroboka ao tsy misy fiheverana (Mpitoriteny 11:10; II Timoty 2:22). Marina àry ny nanambaran’i Solomona hoe: “ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.” — Ohabolana 20:29.
Araka izany, ny Baiboly dia manaja ny olona be taona. Amin’ny ahoana izany no misy heriny eo amin’ny fifandraisan’ny kristiana amin’izy ireny?
‘Mitsangana’ izy ireny eo anoloan’ny olona be taona
Nataon’Andriamanitra fitsipi-pitondrantenam-pirenena teo amin’ny Isiraely ny fanajana ny olona be taona. Nampiseho mazava tsara toy izao ny lalàn’i Mosesy: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy.” (Levitikosy 19:32). Tatỳ aoriana dia niharihary fa nandray ara-bakiteny an’io lalàna io ny Jiosy. Izao no nosoratan’i Samuel Burder tao amin’ny bokiny hoe Ireo fanao tatsinanana (anglisy): “Lazain’ireo mpanoratra jiosy fa natao fitsipika ny fitsanganana teo anoloan’izy ireny [ny antitra] rehefa tokony ho efatra hakiho no nanelanelana taminy, ary dia nipetraka indray raha vao lasa izy ireny, mba ho hita fa nitsangana izy ireo mba ho fanajana azy ireny fotsiny.” Tsy ny olona ambony ihany no nampisehoana fanajana toy izany. “Hajao na dia ny antitra tsy mahay intsony aza”, hoy ny nambaran’ny Talmoda. Nilaza mazava ny raby iray fa izany fanajana izany dia tokony haseho koa amin’ny antitra tsy mahay na tsy nahita fianarana iray. “Ny nahatrarany ny fahanterana fotsiny, hoy ny fanazavany, dia porofo fa nisy fahamendrehana nananany.” — The Jewish Encyclopédia.
Amin’izao andro izao, ny kristiana dia tsy eo ambany fandidian’ny lalàn’i Mosesy intsony (Romana 7:6). Na dia izany aza anefa, dia tsy afaka amin’ny fampisehoana fiheverana ny olona be taona izy ireny. Miharihary izany amin’ny toromarika nomen’ny apostoly Paoly an’i Timoty mpiandraikitra kristiana: “Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro [iangavio, MN ] toy ny ray izy, (...) ny vehivavy anti-panahy toy ny reny.” (I Timoty 5:1, 2). Timoty tanora, araka ny nohamafisin’i Paoly taminy, dia nanana fahefana mba handidy (I Timoty 1:3). Na dia izany aza, raha misy olona be taona noho izy, indrindra fa mpiandraikitra kristiana, diso fitsara na manao fanambarana tsy marina, dia tsy tokony ‘hamely mafy loatra azy’ toy ny atao amin’ny ambany i Timoty. Tokony ‘hiangavy azy toy ny ray’ kosa izy, amim-panajana. Nanana adidy haneho fiheverana toy izany koa ireo vehivavy be taona tao amin’ny kongregasiona i Timoty. Eny, azo lazaina hoe tokony ‘hitsangana eo anoloan’ny fotsy volo’ foana izy.
Fivavahana manaja ny olona be taona àry ny kristianisma. Hafahafa ihany fa maro amin’ireo antitra atao ratsy fitondra no anisan’ny firenena mihambo ho kristiana. Misy anefa mpino mbola manaraka ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ihany. Ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, dia faly manana eo anivony, olona be taona an’arivony maro; tsy heveriny ho zavatra mitambesatra na enta-mavesatra izy ireny. Na dia misakana azy ireny tsy harisika toy ny teo aloha tokoa aza ny fahasalamany marefo, dia be dia be no nanatontosa asa kristiana maharitra tamim-pahatokiana, ary izany dia mamporisika ireo Vavolombelona tanora kokoa hanahaka ny finoan’izy ireny. — Jereo Hebreo 13:7.
Na dia izany aza, dia tsy antenaina akory ny tsy hanaovan’ireo kristiana be taona na inona na inona ao anatin’ny kongregasiona. Ny Baiboly dia mamporisika azy ireny mba hiseho ho ohatra faka tahaka ka “hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin’ny finoana”, “hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina” ka hampandray soa an-tsitrapo ny hafa amin’ny fahendreny sy ny fanandraman-javatra efa hitany (Titosy 2:2, 3). Nambaran’i Joela fa amin’ireo izay handray anjara amin’ny fanambarana ny hafatra ao amin’ny Baiboly dia hisy ‘lahi-antitra’. (Joela 3:1 [2:28, MN ]). Tsy isalasalana fa voamarikao fa Vavolombelona be taona maro no mahita fahafinaretana foana mandany hery amin’ny asa fitoriana isan-trano.
Aoka isika hanaja azy ireny “bebe kokoa”
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia miezaka maneho fiheverana amin’ny olona be taona amin’ny fomba maro. Amin’ireo fivoriambe ara-pivavahana alaminy isan-taona indrindra dia matetika izy ireo no manokan-toerana ho azy ireny. Maneho fiheverana azy ireny isam-batan’olona koa izy ireo. Any Japon, ny Vavolombelona iray dia mamela ny toerany ao amin’ny fiarakodiam-pianakaviana mba hahafahan’ny vehivavy kristiana 87 taona mankany amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Ny tenany kosa dia mandeha amin’ny bisikileta ho any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Ny tenany kosa dia mandeha amin’ny bisikileta ho any amin’ireo fivoriana. Monina any Brésil ny mpitory manontolo andro iray 92 taona. Ireo izay mahalala azy dia mitantara fa ny Vavolombelona ao amin’ny faritra misy azy dia “mitondra azy amim-panajana. Mifanakalo hevitra aminy (...); mpikambana ilaina ao amin’ny kongregasiona izy io”.
Tsy milaza akory izany hoe tsy azo atao ny mbola hanaja kokoa ihany ny olona be taona. Izao tokoa no nosoratan’i Paoly ho an’ireo kristiana tany Tesalonika: “Fa ny amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, dia (...) manao izany ihany hianareo amin’ny rahalahy rehetra eran’i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa.” (I Tesaloniana 4:9, 10). Indraindray isika dia mila ny handre torohevitra karazan’izany ny amin’ny fomba arahintsika eo anoloan’ny olona be taona. Ny kristiana iray 85 taona, ohatra, dia diso fanantenana aoka izany tsy nahazo anankiray tamin’ny boky vaovao momba ny Baiboly. Inona no antony? Noho izy lalodalovana dia tsy reny ny fampandrenesana nanasana ny mpikambana rehetra tao amin’ny kongregasiona hanafatra ilay boky resahina, ary tsy nisy olona nieritreritra ny hanafatra ho azy. Mazava ho azy fa nonerana haingana io fanadinoana io. Na dia izany aza, io fisehoan-javatra kely io dia manazava fa ilaina ny mahatakatra indrindra izay ilain’ny olona be taona.
Amin’izao androntsika izao, ireo mpanompon’Andriamanitra dia afaka manao toy izany “bebe kokoa” amin’ny fomba maro. Ireo fivoriana kristiana dia fahafahana ‘hamporisika’ ny olona be taona “ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara”. (Hebreo 10:24, 25, MN.) Na dia mifangaro malalaka aza ny tanora sy ny antitra ao amin’ireo Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia angamba misy fomba mbola azo anaovana fiezahana misimisy kokoa amin’io lafiny io. Ohatra, misy ray aman-dreny mamporisika ireo zanany hanatona amim-panajana ireo tranainy ao amin’ny kongregasiona mba hiresaka amin’izy ireny.
Etsy an-daniny koa, dia tsy ilaina ny toe-javatra miseho manokana vao hanaja ireo olona be taona. Mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika nambaran’i Jesosy ao amin’ny Lioka 14:12-14, dia azontsika atao ny manasa matetika kokoa ireo zokintsika rehefa mandray olona isika. Na dia tsy afaka ny ho tonga aza izy ireny, dia hankasitrahany ny hieritreretana azy ireny. Afa-tsy izany koa, ny kristiana dia anarina mba hanaraka ny lalan’ny ‘fahazotoana mampiantrano vahiny’. (Romana 12:13.) Tsy ilaina amin’izany ny hanaovana fanasana mirenty na mihaitraitra. Manipy hevitra toy izao ny Vavolombelona alemana iray: “Asao hisotro dite ireo olona be taona, dia angataho izy ireny hitantara zavatra niainany.”
Izao no nambaran’ny apostoly Paoly: “Mitariha lalana [manomeza ohatra, MN ] amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romana 12:10). Eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ireo loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona indrindra no manome ohatra raha ny amin’ny fanajana ireo Vavolombelona be taona. Azon’izy ireny atao matetika ny manankina aminy asa mety ho vitany, toy ny fampiofanana vaovao amin’ny fitoriana na fanampiana amin’ny fikarakarana ireo toeram-pivoriana kristiana. Ireo lehilahy tanora manao ny asan’ny loholona ao anatin’ny kongregasiona dia manaja ireo mpiandraikitra be taona kokoa amin’ny fangatahana amim-panetren-tena torohevitra amin’izy ireny sy amin’ny fanovozana amim-pahaiza-manavaka avy amin’ny hevitr’izy ireny voaeritreritra tsara (Ohabolana 20:5). Rehefa mivory ireny loholona ireny dia manaraka ny ohatra ao amin’ny Baiboly nomen’i Eliho tanora: miondrika amim-panajana eo anatrehan’ireo lehilahy be taona kokoa izy ireny amin’ny famelana azy ireny hiteny voalohany foana. — Joba 32:4.
Marina fa mora ny tsy hananana faharetana amin’ny olona be taona, satria angamba izy ireny tsy kinga na mahira-tsaina tahaka ny tanora. Nolazalazain’ny dokotera Robert Butler araka ny marina ny fahasahiranana sasany mitranga ao anatin’ny fahanterana: “Very ny herin’ny tena ara-batana, ny fahaiza-miaritra, ka mety hahatsiravina izany. Very indraindray ny fahaizan’ny vavahadin-tsaina lehibe, toy ny fandrenesana na ny fahitana.” Rehefa mahatsapa izany ireo tanora kokoa, moa ve izy ireny tsy tokony hipetraka eo amin’ny toeran’ireo zokiny ka haneho fangoraham-po? — I Petera 3:8.
Araka izany, ny kristiana dia manana adidy amin’izao androntsika izao hampiseho fitiavana amim-pahatsorana, fiheverana sy fanajana ireo be taona eo aminy, ary manatontosa izany amin’ny fomba faka tahaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Fa inona no mitranga rehefa misy kristiana be taona na ray aman-drenin’ny Vavolombelona marary na tojo fahasahiranana ara-bola? Iza no manana andraikitra hikarakara azy ireny? Ireo lahatsoratra manaraka dia hiezaka hanome valin’ireo fanontaniana ireo araka ny Baiboly.
-
-
Aoka isika hiahy ny amin’izay hahasoa ny olona be taonaNy Tilikambo Fiambenana—1987 | 1 Septambra
-
-
Aoka isika hiahy ny amin’izay hahasoa ny olona be taona
“Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” — FILIPIANA 2:4.
1, 2. a) Ahoana no nampisehoan’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato I ny fiheverany izay nilain’ireo olona be taona? b) Inona no mampiseho amintsika fa tsy natao tsirambina ny asa fitoriana?
FOTOANA fohy taorian’ny Pentekosta taona 33, tao amin’ny kongregasiona kristiana, dia “nimonomonona tamin’ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ny fiantrana isan-andro ny mpitondratenany” rehefa nisy fizarana sakafo ho an’ny mahantra. Azo inoana fa be taona ny sasany tamin’ireny mpitondratena ireny ary tsy afaka namelon-tena. Nandray anjara foana ny tenan’ireo apostoly: “Koa amin’izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha [ilaina, MN ] izany.” — Asan’ny apostoly 6:1-3.
2 Araka izany, ireo kristiana voalohany dia nihevitra ny fanampiana ireo olona be taona ho “raharaha ilaina”. Taona maro tatỳ aoriana, Jakoba mpianatra dia hanoratra toy izao: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany.” (Jakoba 1:27). Milaza ve izany fa natao tsirambina ny asa fitoriana tena lehibe? Tsia, satria araka ny fitantarana voasoratra ao amin’ny Asan’ny apostoly, rehefa voalamina tsara ny fanampiana ireo mpitondratena, “dia nandroso ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema.” — Asan’ny apostoly 6:7.
3. Famporisihana inona no hita ao amin’ny Filipiana 2:4, ary nahoana izany no mety indrindra amin’izao andro izao?
3 Miaina amin’ny “andro mahory” isika ankehitriny. (II Timoty 3:1.) Ny adidintsika ara-pianakaviana na amin’ny asa dia mety tsy hamela ho antsika afa-tsy hery na faniriana kely hikarakarana olona be taona sy ireo zavatra ilainy. Mety àry ny fananarana omena antsika ao amin’ny Filipiana 2:4: “Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” Ahoana no azo anarahana an’io torohevitra io amin’ny fanehoana fahaiza-mandanjalanja sy fahaiza-mampihatra?
Aoka isika hanaja ireo mpitondratena
4. a) Nahoana ary tamin’ny fomba ahoana moa no ‘nanomezan’ny kongregasiona tamin’ny taonjato I voninahitra ny mpitondratena’? b) Nilaina foana ve izany fandaharana izany?
4 Ao amin’ny I Timoty toko fahadimy, dia asehon’i Paoly ny fomba nikarakaran’ireo kristiana ny mpitondratena be taona tao anatin’ny kongregasiona. Izao no torohevitra nomeny an’i Timoty: “Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.” (1 Timoty 5 Andininy faha-3). Ireo mpitondratena be taona dia nomena voninahitra indrindra tamin’ny fandraisana fanampiana ara-bola tsy tapaka. Tsy nanam-pananana mihitsy ireny vehivavy ireny ary tsy afaka afa-tsy ny ‘nametraka ny fanantenany tamin’Andriamanitra ka naharitra tamin’ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman-alina’. (1 Timoty 5 Andininy faha-5.) Ahoana no hihainoana ny vavaka nataon’izy ireo? Tamin’ny alalan’ny kongregasiona. Koa satria voalamina toy izany ny zavatra, ireo mpitondratena mendrika izany dia nahazo izay nivelomany tamin’ny fomba tsotra. Mazava ho azy fa raha nanam-pananana na havana afaka niandraikitra azy ny mpitondratena iray, dia tsy nilaina izany fandaharana izany. — 1 Timoty 5 Andininy faha-4, 16.
5. a) Tamin’ny heviny ahoana moa ny mpitondratena sasany no nety ‘hanaram-po tamin’ny fahafinaretana’? b) Tokony hanohana ireny mpitondratena ireny ve ny kongregasiona?
5 “Fa izay vehivavy [mpitondratena] manaram-po amin’ny fahafinaretana dia maty [ara-panahy] fahavelony.” (1 Timoty 5 Andininy faha-6). Tsy nohazavain’i Paoly ny hoe tamin’ny heviny ahoana ny mpitondratena sasany, araka ny fitenenana ara-bakiteny ampiasaina ao amin’ny Fandikan-tenin’ilay Fanjakana eny anelanelan’ny andalan-tsoratra (anglisy), no ‘nitondra tena tamin’ny fanaovana izay mahafinaritra ny tena’. Angamba ny sasany tsy maintsy niady tamin’ny “fahamaimaizany ny amin’ny lahy sy ny vavy”. (1 Timoty 5 Andininy faha-11.) Kanefa, araka ny Diksionera nohafohezina grika anglisy nataon’i Liddell sy Scott, ny hoe ‘mitondra tena amin’ny fanaovana izay mahafinaritra ny tena’ dia nety hilaza koa ‘fiainana ao anatin’ny fahalemilemena, ao anatin’ny fanaovana izay hampiadana sy ho moramorainy loatra’. Ny sasany tamin’ireny mpitondratena ireny àry dia nety ho nitady hanao izay hampanan-karena ny tenany noho ny kongregasiona izay ho nanohana ara-bola ny fiainany tsy misy antony sy tsy mahalala onony. Na ahoana na ahoana, dia asehon’i Paoly fa ireny olona ireny dia tsy mendrika ny hahazo ny fanohanan’ny kongregasiona.
6, 7, sy fanamarihana. a) Ny amin’ny “lisitra” inona moa no resahina? b) Nahoana moa ny mpitondratena latsaka ny enimpolo taona no tsy afaka nahazo fanohanana? d) Ahoana moa no niarovan’i Paoly ny mpitondratena tanora tamin’ny “fahamelohana”?
6 Izao no nolazain’i Paoly nanaraka izany: “Aza soratana ho isan’ny mpitondratena [izay handray fanampiana ara-bola] izay latsaka noho ny enim-polo taona.” Tamin’ny andron’i Paoly dia toa noheverina ho tsy afaka ny hamelon-tena na hanam-bady indray ny vehivavy nihoatra ny enimpolo taonaa. “Fa mandava, hoy Paoly [ny hanoratra amin’ny lisitra] ny mpitondratena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan’i Kristy izy, dia ta-hanam-bady ka hahazo fahamelohana, satria nandà ny finoany voalohany.” — 1 Timoty 5 Andininy 9, 11, 12.
7 Raha toa ka azo nosoratana tao amin’ny lisitra” ny mpitondratena tanora, dia hanambara amim-pahamailahana ny fikasany hitoetra tsy hanam-bady angamba ny sasany. Kanefa, rehefa mandeha ny fotoana, dia ho sarotra aminy ny hifehy ny “fahamaimaizany ny amin’ny lahy sy ny vavy” ary haniry hanam-bady indray izy ka ‘hahazo fahamelohana, satria ho nanda ny finoany voalohany’tamin’ny nety ho nivoadiany hijanona tsy hanam-bady (jereo Mpitoriteny 5:2-6). Nisoroka izany zavatra nety hitranga izany i Paoly tamin’ny fanambarana hoe: “Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka.” — 1 Timoty 5 Andininy faha-14.
8. a) Ahoana moa no niarovan’ireo toromarik’i Paoly ny kongregasiona? b) Nokarakaraina koa ve ireo mpitondratena tanora sy lehilahy be taona sahirana?
8 Noferan’ilay apostoly koa ny lisitra ho amin’ireo mpitondratena izay fantatra hatramin’ny ela be noho ny asany kristiana tsara (1 Timoty 5 andininy faha-10). Araka izany, ny kongregasiona dia tsy “Fanjakana mpiahy” olona kamo na tia vola (II Tesaloniana 3:10, 11). Nandray fanampiana ve ny olona be taona sy ny mpitondratena tanora? Raha latsaka ao anatin’ny fahasahiranana izy ireny, dia tsy isalasalana mihitsy fa nikarakara azy ireny tamin’ny lafiny isam-batan’olona ny kongregasiona. — Jereo I Jaona 3:17, 18.
9. a) Nahoana moa ireo fandaharana natao mba hanampiana ny olona be taona amin’izao andro izao no mety ho hafa noho izay natao tamin’ny taonjato I? b) Ao amin’ny I Timoty toko fahadimy, mahatonga antsika hahatakatra inona moa ny tenin’i Paoly momba ny mpitondratena?
9 Azo inoana fa izany fandaharana izany dia nifanaraka tanteraka tamin’izay nilain’ireo kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany. Kanefa, araka ny asain’ny Commentaire interprétatif de la Bible (anglisy) marihina, “amin’izao androntsika izao, noho ny fiantohana, ny fiarovana ara-tsosialy sy ny mety hananana asa, dia hafa tokoa ny tarehin-javatra”. Koa satria hafa ny toe-javatra ara-toe-karena sy ara-tsosialy, dia mahalana no ilaina amin’izao andro izao ny hanaovan’ireo kongregasiona lisitry ny olona be taona tokony hampiana. Na dia izany aza, ny tenin’i Paoly tamin’i Timoty dia mahatonga antsika ho afaka hahatakatra hevitra telo: 1) fa ny fiahiana ny olona be taona dia raharahan’ny kongregasiona manontolo, indrindra fa ny loholona; 2) fa tokony halamina tsara ny fanampiana ny olona be taona; 3) fa izany fanampiana izany dia voafetra ho an’ireo izay tena mila izany.
Ry loholona, miahia izay hahasoa azy ireo
10. Ahoana moa, amin’izao androntsika izao, no azon’ireo loholona anomezana ohatra raha ny amin’ny fiheverana ny olona be taona?
10 Ahoana, amin’izao androntsika izao, no anomezan’ireo loholona ohatra raha ny amin’ny fiheverana ny olona be taona? Amin’ny fandinihana indraindray izay ilain’ireny olona ireny amin’ny fivorian’izy ireo. Ary rehefa ilaina ny hanaovana fanampiana manokana, dia azon’ireo loholona atao ny mandray ireo fandaharana tokony hatao. Tsy ilaina ny hoe tsy maintsy ny tenan’izy ireo no hikarakara ilay olona, satria matetika ao anatin’ny kongregasiona iray dia misy kristiana maro — anisan’izany ny tanora — maniry hitondra fanampiana. Izay azon’izy ireny atao anefa dia ny manara-maso akaiky izay hatao, angamba amin’ny fanendrena rahalahy iray mba handahatra izany.
11. Ahoana no azon’ireo loholona amantarana izay ilain’ny olona be taona?
11 Nanome izao torohevitra izao i Solomona: “Fantaro tsara ny tarehin’ny ondry aman-osinao.” (Ohabolana 27:23). Azon’ireo mpiandraikitra atao àry ny mitsidika manokana ireo olona be taona mba hamantarana hoe inona no fomba tsara indrindra ‘fiantrana (...) araka izay ilainy’. (Romana 12:13.) Raha raisina indray ny tenin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, “ny olona be taona sasany dia tsy tia fiankinana aoka izany, ka tsy ampy ny manontany azy izay azo atao ho azy ireny. Ny tsara indrindra dia ny famantarana izay ilainy sy ny manao zavatra”. Nisy mpiandraikitra japone nahamarika fa ny anabavy iray 80 taona dia nila fikarakarana be. Mitantara toy izao izy ireo: “Ataonay izao izay hisian’ny olona handray vaovao ny aminy indroa isan’andro, maraina sy hariva, na amin’ny fitsidihana azy, na amin’ny fandefasana telefaonina aminy.” — Jereo Matio 25:36.
12. a) Ahoana no azon’ireo loholona anaovana izay andraisan’ny olona be taona soa amin’ireo fivoriana? b) Ahoana no azo ampiasana amin’ny fomba tsara ireo “cassettes” nataon’ny Fikambanana?
12 Ataon’ireo loholona koa izay handraisan’ireo olona be taona soa avy amin’ireo fivorian’ny kongregasiona (Hebreo 10:24, 25). Tsy manana fomba fitaterana ve izy ireny? Tsy afaka ‘mihaino ka mahafantatra’ ny voalaza amin’ireo fivoriana ve izy noho ny tsy fandrenesany tsara (Matio 15:10)? Hahasoa angamba ny hanamboarana fihainoana ho azy ireny. Mitovitovy amin’izany, ny kongregasiona sasany dia mampita ireo fivoriana an-telefaonina izao mba hahafahan’ny olona kilemaina mihaino izany any an-tranony. Misy kongregasiona hafa mandray feo amin’ireo fivoriana ho an’ny marary; tonga hatramin’ny fanomezana azy ireny fandraisam-peo mihitsy aza izy ireo. Ny amin’izany, dia nanamarika toy izao ny mpiandraikitra alemana iray: “Nitsidika olona be taona maromaro aho, ka izy ireny dia nipetraka tsotra izao teo anoloan’ny televizionany ary nijery fandaharana izay sarotra ny nilaza fa nampandroso teo amin’ny lafiny ara-panahy izany.” Nahoana no tsy amporisihina kosa ireny olona ireny hihaino hiran’ilay Fanjakana na famakiana ny Baiboly amin’ny alalan’ny “cassettes” ataon’ny Fikambanana?
13. Ahoana no azo anampiana ny kristiana be taona harisika hatrany amin’ny fitoriana ilay Fanjakana?
13 Ny mpikambana be taona sasany ao amin’ny kongregasiona dia mpitory tapatapaka na tsy miasa. Tsy hoe tsy maintsy hahasakana amin’ny fanambarana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” akory ny taona. (Matio 24:14, MN.) Raha asainao hiara-hitory aminao ireny kristiana be taona ireny, dia azo inoana fa hanaiky izy ireny. Ambonin’izany, amin’ny fitantarana amin’izy ireny, zavatra hita tamin’ny fitoriana, dia azonao atao ny mamelona indray ny fitiavany an’io asa io. Raha sarotra aminy ny miakatra tohatra, dia ataovy izay hitoriany any amin’ny trano avo misy “ascenseurs” na amin’ny trano tsy misy rihana. Ny mpitory sasany aza dia afaka mitondra olona be taona hiaraka amin’izy ireo any amin’ny fampianarana Baiboly na hanao an’io fampianarana io ao an-tranony.
14, sy ny faritra voafefy. a) Inona no azon’ireo loholona atao raha tonga ao anatin’ny fahasahiranana ara-bola lehibe ny anadahy na anabavy be taona iray? b) Ahoana moa no nanomezan’ny kongregasiona sasany izay nilain’ireo mpitory be taona?
14 “Fialokalofana ny vola” (Mpitoriteny 7:12). Indrisy! rahalahy sy anabavy be taona maro no manana fahasahiranana ara-bola be, ary tsy manan-kavana maniry hanampy azy ireny. Amin’ny toe-javatra toy izany, ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona dia faly manampy azy ireny rehefa mahafantatra izay ilainy (Jakoba 2:15-17). Azon’ireo loholona atao koa ny mitady fanazavana momba ireo sampan-draharaha ara-tsosialy samihafa, fiantohana, vola raisin’ny efa misotro ronono sy fanampiana hafa mety hisy. Any amin’ny tany sasany anefa dia sarotra ny mahazo izany fanampiana izany; amin’izay dia tsy misy fanafodiny hafa afa-tsy ny fanarahana ny ohatra navela ao amin’ny I Timoty toko faha-5 sy ny manao fandaharana mba hahafahan’ny kongregasiona amin’ny fitambarany mamonjy ireo mpikambana sahirana (jereo ilay boky hoe Organisés pour bien remplir notre ministère, pejy faha-122, 123).
Nisy mpitory nizeriana nanome zavatra tsy tapaka ny mpitory maharitra mandavantaona iray roa amby valopolo taona sy ny vadiny. Noho ny fitondram-panjakana tapa-kevitra ny handrodana ny trano nonenany, dia nasain’ny kongregasiona izy hipetraka tao amin’ny efitrano iray mifanolotra amin’ny Efitrano Fanjakana mandra-pahitany fonenana hafa.
Tany Brésil, ny kongregasiona iray dia nanakarama mpiandry marary mba hikarakara mpivady kristiana be taona. Afa-tsy izany koa, ny anabavy iray dia niandraikitra ny fanatontosana raharaha samihafa tao an-tokantrano, toy ny fanadiovan-trano sy fahandroan-tsakafo. Isam-bolana ny kongregasiona dia manokana vola ho an’ireo kristiana be taona ireo.
15. a) Misy fetra ve amin’ny fanampiana azon’ny kongregasiona entina? b) Amin’ny ahoana moa ny torohevitra ao amin’ny Lioka 11:34 no mety ho tsara raha manjary sarotsarotiny ny kristiana be taona sasany?
15 Toy ny tamin’ny taonjato I, izany fandaharana izany dia natokana ho an’ireo izay mendrika izany ka tena mila azy tokoa. Tsy voatery hanome fahafahampo amin’ny fitakiana mafy loatra ireo mpiandraikitra. Ny olona be taona koa dia tokony hanana ‘maso tsotra’ foana. — Lioka 11:34, MN.
Aoka isika rehetra hiahy ny amin’ny hahasoa azy ireny
16, 17. a) Nahoana moa no zava-dehibe ny hiheveran’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona ireo olona be taona, ankoatra ny loholona? b) Ahoana moa no azon’ireo mpitory be zavatra atao ‘anararaotana ny andro’ mba hanokanana izany ho an’ireo olona be taona?
16 Tsy ela izay, ny anabavy be taona iray dia niditra hôpitaly; ny fandinihana natao dia nampiharihary fa voan’ny tsy fahampian-kanina izy. “Raha maro kokoa ny mpikambana tao amin’ny kongregasiona niahy manokana azy, hoy ny nosoratan’ny loholona iray, dia angamba tsy ho nitranga izany.” Tsy ireo loholona ihany tokoa no tokony hihevitra ireo olona be taona. Izao no nolazain’i Paoly: “Fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika.” — Efesiana 4:25.
17 Ny sasany aminareo dia efa manana andraikitra mavesatra iantsorohana. Kanefa, “aza samy mihevitra ny azy ihany”. (Filipiana 2:4.) Noho ny fandaminana tsara, dia azo atao matetika ny “manararaotra ny andro’. (Efesiana 5:16.) Ohatra, ho azonao atao ve ny hitsidika olona be taona iray aorian’ny fitoriana? Ny sasany amin’izy ireny dia mahatsiaro mafy ho manirery, indrindra fa amin’ny andavanandro; afaka miaraka manao ireny fitsidihana ireny ny zatovo, ary manatanteraka asa sasany fikarakarana tokantrano. Izao no nolazain’ny anabavy iray nampian’ny zatovolahy iray toy izany, tao amin’ny vavaka nataony: “Misaotra, Jehovah, noho ny nanomezanao ahy an’i Jean. Tena tsara tokoa izy.”
18. a) Nahoana moa no mety ho sarotra indraindray ny miresaka amin’ny olona be taona iray? b) Ahoana no hatao mba hahatonga ny fitsidihana rahalahy be taona iray na ny resaka atao aminy hitondra fifampandrosoana?
18 Ao amin’ny Efitrano Fanjakana, moa ve ianao mianina amin’ny fiarahabana haingana ireo olona be taona? Marina fa tsy mora akory ny miresaka amin’olona tsy mandre tsara na sahirana amin’ny filazana hevitra. Afa-tsy izany koa, noho ny fahasalamany tsy dia tsara loatra, dia tsy miramirana endrika foana ny olona be taona. Na dia izany aza, dia “tsara ny mahari-po”. (Mpitoriteny 7:8.) Ny fiezahana kely dia hiteraka tena ‘fifamporisihana’. (Romana 1:12.) Manandrama mitantara zavatra hita tamin’ny fitoriana. Resaho izay novakinao tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, ny Réveillez-vous! na ny mbola tsaratsara kokoa ihany, mihainoa ny olona be taona (jereo Joba 32:7). Afaka mitondra zavatra be dia be ho antsika izy ireny raha omentsika fahafahana hanao izany. Nanambara toy izao ny loholona iray: “Nahasoa ahy tokoa ny fitsidihana an’io rahalahy be taona io.”
19. a) Mitatra amin’iza moa ny fiheverantsika ireo olona be taona? b) Amin’ny fomba ahoana no azontsika anampiana ireo fianakaviana mikarakara olona be taona?
19 Moa ve ny fiheveranao ny olona be taona tsy tokony hitatra amin’ireo fianakaviana mikarakara azy ireny? Araka ny tenin’ny mpivady iray mikarakara ray aman-dreny be taona, “dia tsy mampahery anay ny mpikambana sasany ao anatin’ny kongregasiona fa manjary be fanakianana aoka izany. Izao no nolazain’ny anabavy iray taminay: ‘Raha tapaka amin’ny fivoriana foana ianareo dia hihaosa eo amin’ny lafiny ara-panahy.’ Kanefa tsy nanao na inona na inona mba hanampiana anay hanatrika izany bebe kokoa izy”. Mahakivy koa ny fampanantenana manjavozavo toy ny hoe ‘Raha mila fanampiana ianao, dia ampahafantaro ahy’. Raha ny marina, dia matetika izany no toy ny filazana hoe: “Mamindroa, mivokisa.” (Jakoba 2:16). Moa ve tsy ho tsaratsara kokoa raha miseho amin’ny atao ny fiheveranao? Izao no nambaran’ny mpivady iray: “Mahafinaritra ireo rahalahy! Manohana anay izy ireo. Ny sasany mikarakara an’i Neny mandritra ny indray andro na roa, ka manamaivana anay kely izany; ny hafa mitondra azy hiaraka aminy any amin’ny fampianarany Baiboly; ny hafa koa manontany ny fahasalamany, ka tena mamporisika anay izany.”
20, 21. Inona moa no azon’ny olona be taona atao mba hanamorana ny asan’ireo izay mikarakara azy ireny?
20 Ireo olona be taona eo amintsika dia voakarakara tsara amin’ny ankapobeny. Kanefa, inona no azon’ny tenan’izy ireny atao mba hahatonga ny fiezahana atao ho azy hotanterahina amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana (jereo Hebreo 13:17)? Azon’izy ireny atao, ankoatra ny zavatra hafa, ny miara-miasa amin’ireo loholona amin’ireo fandaharana ataony ho azy ireny; maneho fisaorana sy fankasitrahana noho izay rehetra mety ho fanehoana hatsaram-po aminy, ary mitandrina mba tsy ho sarotsarotiny na be fanakianana; toy izany koa, na dia tena misy aza ny aretina sy ny fanaintainana vokatry ny fahalehibeazana, dia miezaka ny ho falifaly sy mijery ny lafitsaran-javatra. — Ohabolana 15:13.
21 Olona be taona maro be no re milaza hoe: ‘Mahafinaritra ireo rahalahy! Tsy fantatro izay hataoko raha tsy misy azy ireo.’ Kanefa, ny andraikitra hiahy ny olona be taona dia tokony ho ireo zanany no hiantsoroka izany voalohany indrindra. Mahafaoka inona izany andraikitra izany, ary ahoana no azo iantsorohana izany tsara araka izay azo atao?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Levitikosy 27:1-7 dia mamelabelatra ny amin’ny fanavotana olona ‘atolotra ao amin’ny tempoly ho mpanao raharaha (amin’ny alalan’ny voady). Niovaova arakaraka ny taona ny vidim-panavotana. Nihena be dia be io vidiny io teo amin’ny fahenimpolo taona, satria miharihary fa noheverina ho tsy afaka niasa tahaka ny olona tanora teo amin’io taona io. Milaza mazava toy izao ny amin’izany ny Encyclopédie judaïque (anglisy): “Araka ny Talmoda, ny fahanterana (...) dia nanomboka teo amin’ny fahenimpolo taona.”
Tadidinao ve?
◻ Tamin’ny taonjato I, inona avy no fandaharana natao ho an’ireo mpitondratena be taona?
◻ Ahoana no azon’ireo mpiandraikitra andaminana ny fanampiana ireo olona be taona eo anivon’ny kongregasiona?
◻ Ahoana no azon’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona iheverana ireo rahalahy sy anabavy be taona?
◻ Inona no azon’ny olona be taona atao mba hanamorana ny asan’ireo izay mikarakara azy?
[Efajoro, pejy 11]
Izay ataon’ny sasany mba hanampiana olona be taona
Ny kongregasiona breziliana iray dia nahita fomba azo ampiharina mba hanampiana rahalahy iray monina eo akaikin’ny Efitrano Fanjakana: ny fianarana boky tokony hanadio ny efitrano dia manadio ny tranony koa.
Ao amin’io tany io ihany, ny kongregasiona hafa iray dia nahita fomba tsotra mba hahafahan’ny rahalahy kilemaina iray handray anjara amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Rehefa tonga ny anjarany amin’ny fanaovana famelabelarana, dia tendrena ny rahalahy iray mba hitsidika azy miaraka amin’ny mpitory roa na telo. Manao fivoriana fohy izy ireo, ka izany dia atomboka amin’ny vavaka, ary mampiseho ny foto-dresany ilay rahalahy kilemaina; toroana hevitra izy rehefa avy eo. Mitondra fampaherezana ho an’ny tsirairay avy tokoa izany fitsidihana izany!
Manome ohatra tsara ireo mpiandraikitra mpitety faritany amin’io lafiny io. Ny rahalahy be taona iray izay tsy afa-nandeha afa-tsy tamin’ny seza mikorisa dia nanjary mora sosotra ka noho izany dia tsy nisy mpitsidika firy. Nanao fandaharana anefa ny mpiandraikitra mpitety faritany iray mba handefa ho azy manokana ny lahateniny tamin’ny alalan’ny “diapositives”. Nihetsi-po sy latsa-dranomaso ilay rahalahy be taona noho ireo sary ireo. Nanambara toy izao ilay mpiandraikitra mpitety faritany: “Novalian-tsoa aoka izany aho rehefa nahita fa mety hisy vokany toy izany ny fiheverana sy fitiavana kely.”
Rehefa nanao fitsidihan’ny mpiandry tany amin’ny rahalahy be taona iray ny mpiandraikitra nizeriana dia nahatsikaritra fa narary mafy izy io. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly àry izy. Nila fikarakarana ara-pitsaboana maro tsy voaloany sarany io rahalahy io. Rehefa nampandrenesina ny amin’izany ny kongregasiona, dia nanome vola ampy handoavana ny lany ireo mpitory. Na dia naka tamin’ny fotoana fiasany aza izany, dia nifandimby ny loholona roa mba hitondra ilay rahalahy tany amin’ny hopitaly tamin’ny fiarakodia sy hanatitra azy indray tany an-tranony. Faly anefa izy ireo nahita azy sitrana sy nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy hatreo amin’ny fahafatesany izay nitranga efa-taona tatỳ aoriana.
Tany Philippines, ny anabavy be taona iray dia tsy nanam-pianakaviana. Nanao fandaharana ny kongregasiona mba hahazoany fikarakarana nandritra ny telo taona naharetan’ny aretiny. Nanome azy fonenana kely ireo rahalahy, nitondra sakafo ho azy isan’andro ary nanao izay hahadio azy foana.
[Sary, pejy 10]
Isika rehetra dia samy afaka manaja ireo olona be taona ao anatin’ny kongregasionantsika.
-
-
Aoka isika haneho toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ireo havantsika be taonNy Tilikambo Fiambenana—1987 | 1 Septambra
-
-
Aoka isika haneho toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ireo havantsika be taona
“Aoka ireo [ny zanaka sy ny zafy] hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra.” — I TIMOTY 5:4.
1, 2. a) Araka ny Baiboly, iza no manana andraikitra hikarakara olona be taona? b) Nahoana moa no ho ratsy raha tsy miraharaha an’io adidy io ny kristiana iray?
FONY MBOLA zaza ianao, dia nitaiza anao izy ireny ary niaro anao. Rehefa tonga olon-dehibe ianao, dia nitady ny torohevitr’izy ireo sy ny fanohanany. Antitra izy ireo ankehitriny ary mila ny hotohanana. Izao no nambaran’ny apostoly Paoly: “Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra. Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” — I Timoty 5:4, 8.
2 Amin’izao andro izao, dia Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro no mikarakara ireo ray aman-dreniny be taona. Ny fihetseham-po manosika azy ireny ho amin’izany dia tsy ny hatsaram-po fotsiny na ny adidy, fa ny “toe-panahy araka an’Andriamanitra”, izany hoe ny fifikirana amin’Andriamanitra. Fantany fa ny fanariana ireo ray aman-dreniny sahirana dia hitovy amin’ny ‘fandavana ny finoana’ kristiana. — Jereo Titosy 1:16.
‘Iantsorohy ny andraikitrao’
3. Nahoana moa no tsy tena mora ny hikarakarana ray aman-dreny be taona?
3 Tena tsy mora akory ny mikarakara ray aman-dreny be taona, indrindra fa any amin’ireo tany any andrefana. Matetika no miely patrana ireo fianakaviana. Tsy mitsahatra ny mitombo ny vidim-piainana. Mihamaro ny vehivavy miasa. Mety ho raharaha lehibe àry ny fikarakarana ray aman-dreny be taona iray, indrindra fa raha tsy tanora loatra intsony koa ny tena. “Efa mihoatra ny fahadimampolo taona izahay izao, ary tsy maintsy manampy ireo zanakay sy zafinay koa izahay”, hoy ny nambaran’ny anabavy iray izay nikarakara tamim-pahasahiranana ny anankiray tamin’ireo ray aman-dreniny.
4, 5. a) Araka ny Baiboly, amin’iza moa matetika no azo izarana ny adidy, na andraikitra hikarakara ray aman-dreny be taona? b) Ahoana moa, tamin’ny andron’i Jesosy, no nandosiran’ny sasany ny andraikiny tamin’ireo ray aman-dreniny?
4 Nasehon’i Paoly fa ny andraikitra dia nety ho niantsorohan’ny “zanaka na zafy”. (I Timoty 5:4.) Indraindray anefa ny zanaka sasany dia tsy vonona ny ‘hitondra ny entany [hiantsoroka ny andraikiny, MN ]’ amin’io lafiny io (jereo Galatiana 6:5). Nitaraina ny loholona iray satria ‘tsy nihevitra an’io raharaha io fotsiny ny zokiny vavy’. Kanefa mety hankasitrahan’i Jehovah ve izany fitondrantena izany? Tadidio ny teny nataon’i Jesosy indray andro tamin’ireo Fariseo: “Fa hoy Mosesy: ‘Manajà ny rainao sy ny reninao’, (...). Fa hoy kosa hianareo: Raha misy olona milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an’Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy sy ny reniny intsony izy, ka dia foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana voatolotra anareo.” — Marka 7:10-13.
5 Raha tsy naniry hanampy ireo ray aman-dreniny nahantra ny Jiosy iray, dia ampy taminy ny nilaza ny fananany ho “korbana”, izany hoe natokana hampiasaina tao amin’ny tempoly (jereo Levitikosy 27:1-24). Kanefa, toa tsy voatery izy hanatitra avy hatrany tao amin’ny tempoly izay nolazainy ho fanomezana; araka izany, dia azony natao ny nitana izany (ary azo inoana koa fa hanana izany) tsy misy fetra. Tamin’izany, raha nila fanampiana ara-bola ireo ray aman-dreniny, dia nety hiala tamin’ny adidiny izy tamin’ny fanambarana amim-pihatsarambelatsihy fa “korbana” izay rehetra nananany. Nomelohin’i Jesosy izany famitahana izany.
6. Noho ny antony inona avy moa, amin’izao androntsika izao, no mety hahatonga ny sasany ho voan’ny fakam-panahy hiala amin’ny adidiny amin’ny maha-zanaka? Hankasitrahan’Andriamanitra ve izany?
6 Ny kristiana iray izay hanao fialan-tsiny ratsy mba handosirana ny adidiny dia tsy ho afaka hamitaka an’Andriamanitra (Jeremia 17:9, 10). Ny fahasahiranana ara-bola, ny tsy fahasalamana manorisory mbamin’ny fanahiana hafa dia marina fa mametra be dia be izay azontsika atao ho an’ireo ray aman-drenintsika. Ary ny sasany angamba dia mihevitra ny fananana ara-nofo, ny fotoana sy ny fifankazarana ho zavatra sarobidy kokoa noho izay hahasoa ireo ray aman-dreniny. Ho fihatsarambelatsihy anefa ny hitoriana ny tenin’Andriamanitra sy ny ‘hanafoanana’ izany amin’ny tsy fanaovana na inona na inona ho an’ireo ray aman-drenintsika!
Fiarahan’ny fianakaviana miasa
7. Ahoana moa no azon’ny mpianakavy rehetra iaraha-miasa mba hikarakarana ray aman-dreny be taona iray?
7 Rehefa misy fahasahiranana mitranga momba ny ray aman-dreny be taona iray, ny manam-pahaizana manokana sasany ny amin’io raharaha io dia manoro hevitra mba hamory ny mpianakavy. Ny anankiray amin’izy ireo angamba dia tokony hiantsoroka ny andraikitra lehibe indrindra, kanefa, noho ny “fiaraha-midinika mangina”, atao amim-pahatoniana sy tsy misy fiangarana, dia matetika ireo voakasika no hahita fomba hizarana ny andraikitra (Ohabolana 15:22, MN ). Ireo izay monina lavitra dia ho afaka hanampy ara-bola ny ray aman-dreniny be taona iray sy hitsidika azy indraindray, fa ny hafa kosa hikarakara ny raharaha ao an-tokantrano sy hanome ny fiarakodiany hampiasainy. Raha ny marina, ny fitsidihana tsy tapaka ilay ray aman-dreny fotsiny dia mety ho fandraisana anjara sarobidy amin’ny fiezahana iombonana. Izao no nolazain’ny anabavy iray valopolo taona mahery ny amin’ny fitsidihan’ireo zanany azy: “Mahasoa ahy tokoa izany!”
8. a) Moa ve ireo mpanompo manontolo andro afaka amin’ny fikarakarana ireo ray aman-dreniny? b) Tonga hatraiza moa ny mpitory manontolo andro sasany mba hiantsorohana ny adidiny amin’ireo ray aman-dreniny?
8 Sarotra kokoa anefa ny tarehin-javatra rehefa manao asa manontolo andro ny anankiray amin’ny mpianakavy. Ireo mpanompo manontolo andro dia tsy mandray ho fahazarana ny miala amin’ny andraikitra toy izany, ary maro amin’izy ireny no nanao fiezahana lehibe mba hikarakarana ireo ray aman-dreniny. Nanambara toy izao ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray: “Tsy azonay nalaina sary an-tsaina mihitsy fa tena fisedrana ara-batana sy ara-tsaina ny fikarakarana ny ray aman-drenin’ny tena, indrindra fa rehefa tsy maintsy miatrika ireo fepetra takina amin’ny asa manontolo andro koa. Niaritra mafy tokoa izahay ary nahatsapa fa nila ‘hery mihoatra noho ny hery fahita’.” (II Korintiana 4:7, MN ). Enga anie Jehovah hanohana hatrany ny kristiana toy izany!
9. Inona moa no fampaherezana azo omena an’ireo izay tsy mahita fanafodiny afa-tsy ny fialana amin’ny asa manontolo andro mba hikarakarana ireo ray aman-dreniny?
9 Indraindray anefa, rehefa avy nandinika izay rehetra mety ho fahafahana atolotra azy ny kristiana iray dia tsy mahita fanafodiny hafa afa-tsy ny fialana amin’ny asa manontolo andro. Takatra ny mety hifangaroan’ny fihetseham-po ao anatin’ny toe-javatra toy izany: ‘Fantatray fa amin’ny maha-kristiana anay dia manana andraikitra izahay hikarakara ny reniko izay be taona sy marary, hoy ny misionera taloha iray, nefa toa sarotra aminay izany indraindray.’ Tadidio anefa fa ‘ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra ny fanehoana izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranon’ny tena’. (I Timoty 5:4.) Afa-tsy izany koa, “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany”. (Hebreo 6:10.) Ny mpivady mpitory izay namela taona maro lasa nanaovana ny asa manontolo andro dia nanambara toy izao: “Ankehitriny dia lehibe eo imasonay ny fikarakarana ireo ray aman-dreninay toy ny tamin’ny fotoana nanompoanay manontolo andro. Toy izany no fijerinay ny zavatra.”
10. a) Nahoana moa ny sasany no nandao ny asa manontolo andro haingana loatra? b) Ahoana no tokony hiheveran’ny fianakaviana ny asa manontolo andro?
10 Mety ho nisy niala haingana tamin’ny asa manontolo andro izao, satria nisy mpianakavy nanana fiheverana toy izao: ‘Tsy manana andraikitra ara-pianakaviana na amin’ny asa ianao. Nahoana ianao no tsy afaka mikarakara an’i Dada sy Neny?’ Kanefa, moa ve tsy ny fitoriana no asa lehibe indrindra tanterahina amin’izao androntsika izao (Matio 24:14; 28:19, 20)? Niditra hanao asa tena lehibe àry ireo mpitory manontolo andro (I Timoty 4:16). Ambonin’izany, dia nasehon’i Jesosy fa amin’ny toe-javatra sasany, ny asa ho an’Andriamanitra dia nety ho nitana toerana alohan’ny raharaha ara-pianakaviana.
11, 12. a) Nahoana moa i Jesosy no nanoro hevitra lehilahy iray mba ‘hamela ny maty handevina ny maty eo aminy’? b) Inona moa no fandaharana nataon’ny fianakaviana sasany izay ny anankiray aminy dia mpitory manontolo andro?
11 Ohatra, rehefa nanasa lehilahy iray hanaraka azy i Jesosy ka nanda io tamin’ny filazana hoe: “Aoka aho aloha handeha handevina ny raiko”, dia hoy ny navaliny: “Aoka ny maty [ara-panahy] handevina ny maty ao aminy; fa hianao kosa, mandehana, ka mitoria ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:59, 60). Koa satria ny Jiosy nandevina ny maty teo aminy ny androtriny ihany, dia tsy azo inoana loatra fa hoe maty ny rain’io lehilahy io; tsy maintsy ho be taona izy io, ka tian’ilay zanany lahy ny hijanona eo anilany mandra-pifaran’ny androny. Azo inoana anefa fa nanana fianakaviana hikarakara azy io lehilahy be taona io, koa namporisika ilay olona niresahany i Jesosy mba ‘hitory ny fanjakan’Andriamanitra’.
12 Nahatsapa ny fianakaviana sasany fa raha miara-miasa ny rehetra, dia matetika no azo atao ny manao fandaharana mba hanaovan’ilay ao amin’ny asa manontolo andro ny anjarany sy hikarakarany ny ray aman-dreniny sady tsy hiala amin’ny fanompoany. Misy, ohatra, manokana ny faran’ny herinandrony na ny fotoana fialany sasatra ho an’ny ray aman-dreniny. Azo atao ny manamarika fa na dia mitaky fahafoizan-tena lehibe ho azy ireo aza izany, ny ray aman-dreny be taona sasany dia tia ny hijanonan’ireo zanany ao amin’ny asa manontolo andro. Mitahy be dia be ireo izay mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany Jehovah. — Matio 6:33.
Aoka isika haneho “fahendrena” sy “fahaiza-manavaka” raha tonga miara-monina amintsika ireo ray aman-drenintsika
13. Inona avy no fahasahiranana mety hitranga rehefa asaina honina ao amin’ireo zanany ny olona iray?
13 Nanao fandaharana i Jesosy mba handehanan’ny reniny izay mpitondratena honina tany amin’ireo havany mpino (Jaona 19:25-27). Toy izany koa, Vavolombelona maro no nanasa ireo ray aman-dreniny ho tonga honina ao an-tranony, ka izany dia nitondra fifaliana sy soa maro ho azy ireo. Kanefa, ny fomba fiaina tsy mitovy, ny tsy fisian’ny fifankazarana sy ny faneriterena mety hoentin’ny fitandremana isan’andro dia miteraka tarehin-javatra izay matetika no mandiso fanantenana ny voakasika rehetra. “Hatramin’ny nikarakaranay an’i Neny, dia mihenjana kokoa aho”, hoy Anne, izay ny rafozambaviny dia voan’ny aretin’i Alzheimer. “Indraindray aza dia tsy manana faharetana aho ka miteny amim-pahasiahana amin’i Neny, rehefa avy eo dia mahatsiaro ho meloka aho.”
14, 15. Ahoana no mety hanampian’ny “fahendrena” sy ny “fahalalinan-tsaina” ‘hanorina’ fianakaviana?
14 Hoy Solomona: “Fahendrena no anaovana trano; ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy.” (Ohabolana 24:3). Anne, ohatra, dia miezaka hahatakatra kokoa ny fahasorisorenan’ny rafozambaviny. “Manandrana mitadidy aho fa marary izy ka tsy fanahy iniany no anaovany toy izany.” Ambonin’izany, dia “tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka”. (Jakoba 3:2.) Koa rehefa mipoaka ny tsy fifanarahana, dia manehoa fahendrena amin’ny tsy fetezana ho voatarika hitana lolompo na ho sosotra (Efesiana 4:31, 32). Resaho amin’ny fianakaviana izany ary manandrama mitady fomba handaminana azy.
15 Afa-tsy izany koa, ny fahaiza-manavaka dia mahatonga ho afaka hifampiresaka (Ohabolana 25:11). Angamba somary sarotra amin’ny ray aman-dreny be taona iray ny mizatra amin’ny fanao ao an-trano. Na koa, noho ny fihenan’ny fahiratan-tsainy, dia sarotra aminy ny manaraka ny fihetsiketsehana. Amin’ny toe-javatra sasany, dia tsy misy fanafodiny afa-tsy ny fitenenana amin’ny fomba hentitra (jereo Genesisy 43:6-11). “Raha tsy nanara-maso ny reniko aho, hoy ny anabavy iray, dia ho nolaniany ny volany rehetra.” Etsy an-daniny koa, dia mihevitra ny loholona iray fa azony atao indraindray ny mampiasa ny firaiketam-pon-dreniny aminy. “Matetika, rehefa tsy azo atao intsony ny mampieritreritra, dia hoy fotsiny aho: ‘Neny a, ataovy izany mba hahafaly ahy fotsiny’, ary dia mihaino ahy izy.”
16. Nahoana moa ny lehilahy tia iray no tokony haneho “fahalalinan-tsaina”? Ahoana no mety hahatongavany amin’izany?
16 Koa satria ny vehivavy no mitondra ny andraikitra lehibe indrindra rehefa hoe hikarakara ray aman-dreny be taona iray, ny lehilahy iray dia maneho fahaiza-manavaka amin’ny fitandremana mba tsy ho trotraka izy eo amin’ny lafiny ara-tsaina, ara-batana na ara-panahy. Manambara toy izao ny Ohabolana 24:10: “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” Ahoana no azon’ny lehilahy amelomana indray ny hafanam-pon’ny vadiny? “Rehefa tonga tao an-trano ny vadiko, hoy ny anabavy iray, dia misakambina ahy izy ary milaza amiko fa mankasitraka ahy tokoa izy. Raha tsy misy azy, dia tsy ho vitako.” (Efesiana 5:25, 28, 29). Afaka mianatra ny Baiboly sy mivavaka tsy tapaka miaraka amin’ny vadiny koa izy. Eny, na dia ao anatin’izany toe-javatra sarotra izany aza, dia afaka ‘mifampandroso’ ny fianakaviana iray.
Ny trano fitokanana
17, 18. a) Inona moa no fanapahan-kevitra tsy maintsy nataon’ny fianakaviana sasany? b) Amin’izany toe-javatra izany, inona no azonao atao mba hanampiana ireo ray aman-dreninao hizatra amin’izany fiainana vaovao izany?
17 Araka ny hevitry ny mpandinika ny fisehoan’ny fahanterana iray, “indraindray ny fianakaviana dia tsy manana fahaizana na fahafahana ara-bola hitanana [ray aman-dreny be taona] ao an-trano”. Hoy ny nambaran’ny lehilahy iray: “Ny vadiko izay nanandrana niahy an’i Neny efatra amby roapolo ora tao anatin’ny efatra amby roapolo ora, dia narary tamin’ny farany. Tsy nahita fanafodiny afa-tsy ny fametrahana an’i Neny tany amin’ny trano fitokanana izahay. Voatery nanao izany izahay, nefa nahavaky fo anay izany.”
18 Indraindray, amin’ny toe-javatra sasany, ny trano fitokanana dia manolotra ny fikarakarana tsara indrindra mety ho azo. Matetika anefa ny olona be taona apetraka ao amin’ireny trano ireny no very hevitra sy sorisorena; heveriny fa ariana izy. “Tamim-pahaiza-mandanjalanja, dia nohazavainay tamin’i Neny ny antony nahavoatery anay” hametraka azy tao amin’ny trano fitokanana iray, hoy ny nambaran’ny anabavy iray hantsointsika hoe Marguerite. “Zatra an’io trano io izy, ary mihevitra azy ho an’ny tenany izao.” Hampahery an’ireo ray aman-dreninao ny fitsidihana tsy tapaka mandritra ny vanim-potoana fanazarana ary hanaporofo ny fahatsoran’ny fitiavanao azy ireny (jereo II Korintiana 8:8). Raha vato misakana ny halaviran-toerana, dia tano ihany ny fifandraisana: mandefasa telefaonina, manorata ary mitsidiha ara-potoana ireo ray aman-dreninao (jereo II Jaona 12). Na dia izany aza, dia azo antoka fa ny fiainana eo amin’ireo olona eo amin’izao tontolo izao dia misy tsininy. Aoka àry ianao ‘hahatsapa izay ilain’ireo ray aman-dreninao amin’ny ara-panahy’ (Matio 5:3, MN ). “Mitondra zavatra vita an-tsoratra ho an’i Neny izahay ary manandrana araka izay azo atao mifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra ara-panahy”, hoy ny fanazavan’i Marguerite.
19. a) Inona no fitandremana tokony hataonao amin’ny fifidianana trano fitokanana iray sy amin’ny fomba fikarakarana ireo ray aman-dreninao? b) Raha manao betsaka araka izay azonao atao amin’ireo ray aman-dreninao ianao, inona no soa horaisinao avy amin’izany?
19 Ny Wall Street Journal dia nanao tatitra ny amin’ny fandinihana natao tamin’ny trano fitokanana enina amby efajato any Etazonia: “Ny roapolo isan-jato aminy dia noheverina ho mety hampidi-doza ary mihoatra ny antsasany no tsy nahafeno ireo fitsipika tsotra indrindra.” Mampalahelo fa tsy maningana velively akory io fandinihana io. Koa raha maniry hanankina ireo ray aman-dreninao amin’ny trano fitokanana ianao, dia fidio amim-pitandremana izany. Aoka ny tenanao mihitsy no handeha hizaha izany mba hahitana raha madio izy, voakarakara tsara, raha mahay ny mpiasa ao, raha feno hafanana ny rivo-piainana ao ary raha tsara ny sakafo. Araho akaiky araka izay azo atao ny fomba fikarakarana ireo ray aman-dreninao. Arovy izy ireny, ampio izy hisetra ireo tarehin-javatra sarotra ateraky ny fety na asa melohin’ny Soratra Masina, ohatra. Raha manao betsaka araka izay azonao atao ianao mba hahatonga ireo ray aman-dreninao handray soa amin’ny fikarakarana tsara indrindra mety hisy, dia hitsimbina ny tenanao amin’ny fahatsiarovana ho meloka mety hahazo anao raha tsy izany. — Jereo II Korintiana 1:12.
Ny sasany manome amim-pifaliana, ny hafa mandray amim-pifaliana
20. Nahoana moa no zava-dehibe ny ‘hanomezan’ny zanaka amim-pifaliana’?
20 “Sarotra izany, hoy ny vehivavy kristiana iray izay nikarakara ireo ray aman-dreniny. Tsy maintsy nahandro ny sakafon’izy ireo aho, nikarakara ny tokantranony, nizaka ranomaso, nanova ireo lamba firakony rehefa nandena tsy nahy izy.” “Izay rehetra nataonay ho azy ireo,” hoy ny vadiny, “dia nataonay tamim-pifaliana. Niezaka izahay mba tsy hampiseho tamin’ireo ray aman-dreninay mihitsy fa tsy fidiny ny nikarakaranay azy ireo.” (II Korintiana 9:7). Matetika ny olona be taona no tsy tia ny hampiana, tsy tiany ny ho enta-mavesatra ho an’ny hafa. Zava-dehibe àry ny fihetsika asehonao.
21. a) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny andraisana amim-pifaliana? b) Nahoana moa no fahendrena ny hieritreretana ny fahanteran’ny tena?
21 Toy izany koa, zava-dehibe ny fihetsiky ny ray aman-dreny. Nanambara toy izao ny anabavy iray: “Na inona na inona nataoko ho an’i Neny, dia tsy ampy mihitsy.” Araka izany àry, aoka ireo ray aman-dreny hiezaka tsy hila voatsiary na hitaky zavatra be loatra. Moa ve ny Baiboly tsy milaza hoe: “Tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ny zanany”? Ny olona sasany dia mandanilany foana ny fananany ka rehefa avy eo dia manjary enta-mavesatra ho an’ireo zanany. Milaza kosa ny Ohabolana 13:22 hoe: “Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny.” Araka izay azo atao àry, dia tokony hoeritreretina ny fahanteran’ny tena amin’ny fitehirizam-bola sy amin’ny fanaovana fiantohana sasany. — Ohabolana 21:5.
22. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fiezahana ataontsika mba hikarakarana ireo ray aman-drenintsika be taona?
22 Marina tokoa ny nolazain’i Paoly rehefa nanambara izy fa ny fikarakarana ireo ray aman-dreny dia ‘famalian-tsoa’ azy ireny. (I Timoty 5:4.) Niaiky toy izao ny rahalahy iray: “Nikarakara ahy nandritra ny roapolo taona i Neny. Inona kosa no nataoko, raha ampitahaina amin’izany?” Aoka ny kristiana rehetra izay manana ray aman-dreny be taona hahatsiaro ho voatosika “haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony”, noho ny fahafantarana fa hamaly soa azy be dia be ilay Andriamanitra izay manome izao fampanantenana izao an’izay manaja ny ray aman-dreniny: “Ho maro andro [hianao] ambonin’ny tany.” — Efesiana 6:3.
Hevitra hotadidiana
◻ Ahoana moa, tamin’ny andron’i Jesosy, no nanandraman’ny sasany nandositra ny andraikiny teo anatrehan’ny ray aman-dreniny?
◻ Iza no tokony hikarakara ireo ray aman-dreny be taona, ary nahoana?
◻ Mety ho tojo fahasahiranana inona ianao rehefa tonga monina ao an-tranonao ny anankiray amin’ny mpianakavinao, ary ahoana no azonao iatrehana izany?
◻ Amin’ny toe-javatra manao ahoana moa ny trano fitokanana no manjary ilaina, ary ahoana no azo anampiana ray aman-dreny hizatra ao?
-