-
Nahoana no Ilaina ny Mamaky Baiboly?Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2017 | No. 1
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO HANAMPY ANAO HO TIA MAMAKY BAIBOLY?
Nahoana no Ilaina ny Mamaky Baiboly?
“Noheveriko fa sarotra be ny mahazo izay lazain’ny Baiboly.”—Jovy
“Nieritreritra aho hoe hankaleo be ilay izy.”—Queennie
“Tsy te hamaky Baiboly aho raha vao nahita ny hateviny.”—Ezekiel
Izany koa ve no tsapanao, ka lasa mangataka andro foana ianao rehefa hoe hamaky Baiboly? Maro no tsy mazoto mamaky Baiboly. Ahoana anefa raha fantatrao hoe afaka manampy anao ho sambatra kokoa izy io, sady misy fomba azo atao mba hahatonga anao ho tia mamaky azy io? Hazoto kokoa hamaky Baiboly ve ianao?
Nisy olona nandray soa rehefa nanomboka namaky Baiboly. Diniho ny tenin’izy ireo:
Hoy i Ezekiel, 20 taona mahery kely: “Hoatran’ny olona mirenireny mitondra fiara fotsiny aho taloha. Fa rehefa namaky Baiboly aho, dia lasa misy tanjona ny fiainako. Misy torohevitra azoko ampiharina isan’andro ao.”
Hoy koa i Frieda, tovovavy 20 taona mahery: “Mora tezitra aho taloha fa lasa nahay nifehy tena rehefa namaky Baiboly. Mora ifandraisana kokoa aho izao, ary lasa be dia be ny namako.”
Izao indray no nolazain’i Eunice, 50 taona mahery: “Manampy ahy hanatsara ny toetrako sy hiala amin’ny fahazaran-dratsy ny Baiboly.”
Hita amin’ny tenin’izy ireo sy ny olon-kafa an-tapitrisany fa hahafinaritra kokoa ny fiainanao, raha mamaky Baiboly ianao. (Isaia 48:17, 18) Manampy anao izy io mba 1) hahay hanapa-kevitra, 2) hahazo namana tsara, 3) hiatrika olana, ary ny tena zava-dehibe dia hoe 4) hahalala ny marina momba an’Andriamanitra. Avy amin’Andriamanitra ny torohevitry ny Baiboly, ka tsy hitarika anao any an-kady. Tsy hanoro vohana anao mihitsy izy.
Manomboha amin’izay àry mamaky e! Izany mantsy no tena zava-dehibe. Ahoana anefa no hatao mba ho mora atomboka sy hahafinaritra ilay izy?
-
-
Ahoana no Anombohako Azy?Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2017 | No. 1
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO HANAMPY ANAO HO TIA MAMAKY BAIBOLY?
Ahoana no Anombohako Azy?
Inona no hanampy anao ho tia mamaky Baiboly sy handray soa avy amin’izany? Ireto misy soso-kevitra dimy nanampy olona maro:
Fidio tsara ny toerana hamakiana. Mitadiava toerana mangina. Hifantoka kokoa mantsy ianao raha tsy dia misy manelingelina. Ataovy ampy tsara koa ny hazavana sy ny rivotra.
Manàna toe-tsaina tsara. Avy amin’ilay Raintsika any an-danitra ny Baiboly. Handray soa be dia be àry ianao raha hoatran’ny ankizy iray vonona hianatra avy amin’ny rainy be fitiavana. Esory ao an-tsaina izay mety ho fitsarana an-tendrony momba ny Baiboly. Ho afaka hampianatra anao Andriamanitra amin’izay.—Salamo 25:4.
Mivavaha aloha vao mamaky. Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ka mila ny fanampiany isika raha te hahazo izay voalaza ao. Milaza izy fa hanome “ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy.” (Lioka 11:13) Io fanahy io no manampy anao hahazo ny hevitr’Andriamanitra. Ho azonao “na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza”, rehefa mandeha ny fotoana.—1 Korintianina 2:10.
Miezaha hahazo izay vakinao. Aza maika hamita fotsiny, fa saintsaino izay vakinao. Eritrereto hoe: ‘Inona avy ny toetran’ilay olona resahina ato amin’ity vakiko ity? Ahoana no hampiharako azy ity eo amin’ny fiainako?’
Manàna tanjona. Miezaha hianatra zavatra tena hahasoa anao. Mety ho azo atao tanjona, ohatra, ny hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra, ny ho tsara toetra kokoa, na ny ho lasa vady tsara kokoa. Fidio avy eo izay ampahany ao amin’ny Baiboly hanampy anao hanatratra ny tanjonao.a
Handrisika anao hanomboka hamaky Baiboly ireo soso-kevitra ireo. Ahoana anefa no hahatonga an’ilay vakiteny hahafinaritra kokoa? Misy soso-kevitra ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
a Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tsy hitanao hoe ampahany aiza ao amin’ny Baiboly no tena hanampy anao.
-
-
Ahoana no Hahatonga An’ilay Izy Hahafinaritra?Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2017 | No. 1
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO HANAMPY ANAO HO TIA MAMAKY BAIBOLY?
Ahoana no Hahatonga An’ilay Izy Hahafinaritra?
Mankaleo sa mahaliana anao ny mamaky Baiboly? Miankina amin’ny fomba amakianao azy izany. Ahoana àry no hahatonga an’ilay izy hahafinaritra sy hahaliana? Ireto misy soso-kevitra:
Mifidiana fandikan-teny marina tsara sy maoderina. Azo inoana fa tsy hahafinaritra anao ny mamaky Baiboly feno teny sarotra sy tranainy, izay tsy azonao akory. Mifidiana àry fandikan-teny mora azo sy manohina ny fo ary marina tsara.a
Mampiasà fitaovana elektronika. Efa misy amin’ny endrika elektronika koa izao ny Baiboly. Azonao vakina ao amin’ny Internet ny Baiboly sasany, na azonao adika amin’ny ordinatera, tablette, na telefaonina. Misy amin’ireny Baiboly ireny ahafahanao mijery haingana an’izay andinin-teny mifandray amin’ilay andininy vakinao, na ahafahanao mampitaha fandikan-teny maromaro. Afaka mihaino Baiboly noraisim-peo koa ianao, raha izay no tianao. Maro no tia mihaino azy io rehefa mandeha fitateram-bahoaka, manao raharaha, na manao zavatra hafa ahafahany mihaino an’ilay izy. Maninona raha andramana ny iray amin’ireo?
Mampiasà fitaovana fikarohana. Tena handray soa ianao raha mampiasa azy ireny rehefa mamaky Baiboly. Ny sarintany ao amin’izy ireny, ohatra, hanampy anao hahita hoe aiza no misy an’ireo toerana resahin’ny andininy vakinao, ka ho azonao an-tsaina ny zava-nitranga. Hanampy anao hahazo izay lazain’ny Baiboly koa ny lahatsoratra sasany, toy ny hita ato amin’ity gazety ity, sy ilay fizarana hoe “Fampianaran’ny Baiboly” ao amin’ny tranonkala jw.org/mg.
Ovaovao ny fomba amakianao azy. Tsy dia tianao ve ny mamaky misesy an’ireo boky ao amin’ny Baiboly? Izay boky mahaliana anao àry vakina voalohany. Azonao atao ny mifidy an’izay misy tantaran’olona, raha tianao ho fantatra ny momba an’ireo olo-malaza resahin’ny Baiboly. Misy santionany amin’izany ao amin’ilay efajoro hoe “Fakafakao ny Baiboly ka Fantaro ny Olona Resahina Ao.” Azonao asesy araka ny foto-kevitra koa ny boky vakinao, na araka ny fotoana nisehoan’ilay tantara. Mba andramo ange ny iray amin’ireo e!
a Maro no mahita hoe marina tsara sady mora azo Ny Soratra Masina Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary misy amin’ny teny 130 mahery. Azo alaina ao amin’ny tranonkala jw.org/mg izy io, na ao amin’ny programa JW Library. Azon’ny Vavolombelon’i Jehovah anaterana Baiboly koa anefa ianao, raha tianao.
-
-
Afaka Manatsara ny Fiainanao ny BaibolyNy Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2017 | No. 1
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO HANAMPY ANAO HO TIA MAMAKY BAIBOLY?
Afaka Manatsara ny Fiainanao ny Baiboly
Tsy toy ny boky hafa ny Baiboly. Misy ny torohevitry ny Mpamorona antsika ao. (2 Timoty 3:16) Afaka manova antsika ny hafatra raketiny. Hoy mantsy ny Hebreo 4:12: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” Afaka manatsara ny fiainantsika ny Baiboly. Manome tari-dalana antsika izy io sady manampy antsika hahalala an’Andriamanitra sy ny fikasany.—1 Timoty 4:8; Jakoba 4:8.
Manome tari-dalana eo amin’ny fiainana. Misy torohevitra mahasoa antsika tsirairay ao amin’ny Baiboly. Manampy antsika izy io mba...
hifandray tsara amin’ny hafa. —Efesianina 4:31, 32; 5:22, 25, 28, 33.
hanana fo tony sy ho salama. —Salamo 37:8; Ohabolana 17:22.
ho tsara fitondran-tena. —1 Korintianina 6:9, 10.
hahazo izay ilaina eo amin’ny fiainana. —Ohabolana 10:4; 28:19; Efesianina 4:28.a
Mpivady tanora any Azia i Vicent sy Annalou. Hitan’izy ireo hoe tena mahasoa ny torohevitry ny Baiboly. Hoatran’ny mpivady vao rehetra, dia mbola niezaka nifankazatra sy nianatra nifampiresaka tsara izy ireo. Nanomboka nampihatra an’izay novakiny tao amin’ny Baiboly anefa izy mivady. Inona ny vokany? Hoy i Vicent: “Nanampy ahy ho be fitiavana izany rehefa misy olana ao an-tokantranonay. Sambatra kokoa izahay roa satria manaraka an’izay lazain’ny Baiboly.” Hoy koa i Annalou: “Nanampy anay ny tantaran’olona ao amin’ny Baiboly. Sambatra am-panambadiana izahay izao, ary manana tanjona tsara eo amin’ny fiainana.”
Manampy hahalala an’Andriamanitra. Nilaza koa i Vicent hoe: “Mahatsiaro ho akaiky kokoa an’i Jehovah aho hatramin’ny namakiako Baiboly.” Tena afaka manampy anao hahalala an’Andriamanitra àry ny Baiboly. Handray soa avy amin’ny toroheviny ianao rehefa mamaky azy io, ary afaka ny ho lasa namany. Ho hitanao koa fa mampanantena hoavy tena tsara ho anao izy, dia ny “tena fiainana” izay haharitra mandrakizay. (1 Timoty 6:19) Ny Baiboly ihany no boky miresaka an’izany.
Handray soa koa ianao raha manomboka mamaky Baiboly sady mamaky azy io foana. Hihatsara ny fiainanao dieny izao, ary hahalala an’Andriamanitra ianao. Mety hisy fanontaniana maro hanitikitika ny sainao anefa eo am-pamakiana azy io. Hoatr’izany no nitranga tamin’ilay tandapa etiopianina, 2 000 taona lasa izay. Tadidio ny modely nomeny. Hoy izy rehefa nanontaniana raha azony izay novakiny: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy manoro ahy?”b Faly erỳ izy nanaiky ny fanampian’i Filipo. Mpianatr’i Jesosy mantsy i Filipo, ary hainy tsara ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 8:30, 31, 34) Tianao ho azo koa ve izay lazain’ny Baiboly? Fenoy àry ilay fangatahana ao amin’ny www.pr2711.com/mg. Na jereo ny adiresy ato amin’ity gazety ity, ary manorata any amin’izay akaiky anao indrindra. Azonao iresahana koa ny Vavolombelon’i Jehovah, na mankanesa any amin’ny Efitrano Fanjakana eny akaikinareo. Atombohy androany àry ny famakiana Baiboly e! Hanampy anao hanana fiainana tsara kokoa izany.
Raha tsy tena matoky an’izay lazain’ny Baiboly ianao, dia mba jereo ilay video fohy hoe Tena Marina ve Izay Lazain’ny Baiboly? Ampiasao ilay kaody QR, na midira ao amin’ny jw.org/mg, ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > VIDEO > NY BAIBOLY
a Misy torohevitra hafa avy ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny tranonkalanay jw.org/mg. Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY.
b Jereo ato koa ilay lahatsoratra hoe “Tsy Maninona ve Raha Diso Fandray Hevitra Isika?”
-