-
Tena Zava-dehibe ve ny Fanantenana?Mifohaza!—2004 | 8 Mey
-
-
Tena Zava-dehibe ve ny Fanantenana?
VAO folo taona monja i Daniel, nefa efa herintaona no niadiany mafy tamin’ny kansera. Efa tsy nanana fanantenana intsony ny dokoterany sy ny olona akaiky azy. Izy kosa anefa mbola be fanantenana. Nino izy fa ho lasa mpikaroka rehefa lehibe, ka handray anjara amin’ny fitadiavana fanafodin’ny kansera. Ho avy hijery azy ny dokotera iray manam-pahaizana manokana momba ilay karazana kansera nahazo azy, ka izany no tena nahavelom-panantenana azy. Tsy afaka nankany amin’i Daniel anefa ilay dokotera, rehefa tonga ilay fotoana, satria ratsy be ny andro. Kivy i Daniel. Sambany izy vao tsy navitribitrika. Andro vitsy monja taorian’izay, dia maty izy.
Dokotera, nanadihady momba ny vokatry ny fanantenana sy ny famoizam-po eo amin’ny fahasalamana, no nilaza io tantara io. Mety ho efa nandre tantara nitovy tamin’io ianao. Misy, ohatra, zokiolona efa ho faty, nefa manantena mafy ny hahatongavan’ny fotoan-dehibe iray efa nandrasany hatry ny ela. Mety ho fitsidihan’ny havan-tiany izany, na tsingerin-taona fotsiny. Rehefa lasa kelikely ilay fotoan-dehibe, dia maty ilay olona. Inona no nahatonga azy hahatratra ilay fotoan-dehibe? Manan-kery lehibe araka ny fiheveran’ny olona sasany tokoa ve ny fanantenana?
Mihamaro ny mpikaroka ara-pitsaboana milaza, fa tena mety hanan-kery lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona iray sy ny fahasalamany, ny fananana fanantenana sy ny toe-tsaina hafa mitovy amin’izany. Tsy ny rehetra anefa no manaiky ny hevitr’izy ireo. Lazain’ny mpikaroka sasany fa tsy azo porofoina ara-tsiansa izany. Mihevitra izy ireo fa matoa marary ny olona, dia satria misy tsy mety ao amin’ny vatany.
Efa ela no nisy olona tsy nino fa zava-dehibe ny fanantenana. An’arivony taona lasa izay, dia nasaina namaritra ny atao hoe fanantenana i Aristote, filozofa grika, ka hoy izy: “Ny atao hoe fanantenana dia nofinofy antoandro.” Vao haingana kokoa, dia nanao izao fanamarihana mahery izao i Benjamin Franklin, mpitondra fanjakana amerikanina: “Ho diso fanantenana izay miantehitra amin’ny fanantenana.”
Inona àry ny marina momba ny fanantenana? Nofinofy ampiononan’ny olona ny tenany ve izy io? Sa tena afaka matoky isika fa tsy nofinofy fotsiny izy io, fa zavatra marim-pototra sy tena mahasoa, ary ilaintsika rehetra mba hahasalama sy hahasambatra antsika?
-
-
Nahoana Isika no Mila Fanantenana?Mifohaza!—2004 | 8 Mey
-
-
Nahoana Isika no Mila Fanantenana?
INONA no ho nitranga, raha mbola be fanantenana foana i Daniel, ilay zazalahy voan’ny kansera, noresahina teo am-piandohan’ilay lahatsoratra teo aloha? Ho sitrana ve izy? Mbola ho velona ve izy ankehitriny? Angamba tsy ho sahy hilaza izany, na dia ireo olona tena mino aza hoe mahasitrana ny fanantenana. Misy zava-dehibe tokony hotadidintsika àry ity: Tsy tokony hieritreritra isika hoe vahaolana amin’ny zava-drehetra ny fanantenana. Tsy ody faty izy io.
Nampitandrina ny Dr. Nathan Cherney, tao amin’ny Tele CBS, fa mety hisy vokany ratsy izany fiheverana izany, rehefa mitsabo olona marary mafy. Hoy izy: “Nisy lehilahy nanakiana ny vadiny hoe tsy matanja-tsaina izy sady kely finoana.” Hoy koa io dokotera io: “Ny fiheverana toy izany, dia nahatonga ny olona hieritreritra, fa tokony ho afaka hisakana ny fitomboan’ilay kansera mahazo azy ilay marary. Koa rehefa mihamarary àry izy, dia mety hisy hanome tsiny azy hoe tsy nahay nifehy tsara ny fitomboan’ny aretiny izy. Tsy rariny anefa izany.”
Reraka be ny marary efa ho faty, sady tena mafy ny manjo azy. Azo antoka fa tsy haniry hanampy trotraka an’izany ny havan-tiany, ka hanao izay hahatsiarovany tena ho meloka. Tokony hanatsoaka hevitra àry ve isika fa tsy zava-dehibe ny fanantenana?
Tsy izany mihitsy. Manamaivana ny fanaintainan’ny marary sy ny soritr’aretiny, ohatra, no asan’io dokotera noresahina tetsy aloha io. Tsy mitsabo ilay aretina na manao izay hanalavana ny fiainan’ilay marary izy, fa izay hahatonga azy ho falifaly kokoa mandra-pahafatiny. Mino tokoa ny dokotera toy ireny fa tena ilain’ny marary, na dia ireo marary mafy aza, ny fanaovana izany. Misy porofo maro be mampiseho fa afaka manampy ny marary ho falifaly kokoa ny fanantenana. Mbola be lavitra noho izany aza ny zava-bitan’izy io.
Zava-dehibe ny fanantenana
“Fitsaboana tena mandaitra ny fanantenana”, hoy ny Dr. W. Gifford-Jones, mpanao gazety momba ny fitsaboana. Nojeren’io dokotera io akaiky indray ireo fandinihana natao taloha, hamantarana raha tena ilaina na tsia ny mampahery ny marary efa ho faty. Voalaza fa be fanantenana kokoa ny olona rehefa ampaherezina. Hita tamin’ny fandinihana iray natao tamin’ny 1989, fa ela velona kokoa ny marary nampaherezina, na dia tsy nanaporofo izany loatra aza ny fikarohana natao vao haingana. Na izany aza, dia voamarina tamin’ny fandinihana natao, fa tsy dia ketraka loatra, sady tsy manaintaina firy izy ireny.
Nisy fandinihana hafa koa natao, hijerena hoe inona no vokany eo amin’ny fo raha be fanantenana ny olona iray na tsia. Nanaovana fandinihana akaiky àry ny lehilahy 1 300 mahery. Rehefa afaka folo taona, dia hita fa 150 mahery no tratran’ny aretim-po, ary 860 eo ho eo no tsy nanana fanantenana. Hoy i Laura Kubzansky, mpampianatra mpanampy momba ny fahasalamana sy ny fifandraisana amin’ny olona, any amin’ny Oniversiten’i Harvard Misahana ny Fahasalamam-bahoaka: ‘Saika ny tantara nampitampitain’ny olona foana hatramin’izay no nentina nanaporofo fa mahasalama ny fo ny “fananana fanantenana.” Io fandinihana io no nahafahana nanaporofo voalohany ara-tsiansa fa tena marina izany.’
Hita tamin’ny fandinihana hafa natao koa fa ela kokoa vao sitrana ny olona avy nodidiana, raha mieritreritra izy fa mbola marary. Mifanohitra amin’izany kosa ireo mino fa efa salama tsara. Nisy nahita koa fa ela velona kokoa ny olona be fanantenana. Nisy fandinihana natao koa hijerena hoe inona no vokany eo amin’ny zokiolona, rehefa ilazana izy hoe tsara na ratsy ny fahanterana. Naseho vetivety teo amin’ny ordinatera, ohatra, ny filazana hoe hendry sy za-draharaha kokoa ny antitra. Hita fa lasa navitribitrika kokoa izay zokiolona namaky izany. Toy ny hoe nanao fanatanjahan-tena nandritra ny telo volana mihitsy aza izy ireo!
Nahoana no toa misy vokany tsara toy izany eo amin’ny fahasalamana ny fananana fanantenana? Angamba mbola tsy tena mahafantatra tsara ny saina sy ny vatan’ny olombelona ny mpahay siansa sy ny dokotera, ka mbola tsy afaka manome valiny marina momba izany. Afaka manome ny heviny miorina amin’ny zavatra efa hitany anefa ireo manam-pahaizana mikaroka ny valin’io fanontaniana io. Izao, ohatra, no hevitry ny mpampianatra iray momba ny rafi-pitatitra: ‘Misy vokany tsara eo amin’ny olona ny fifaliana sy ny fanantenana. Tsy mitebiteby firy izy, ka salama tsara ny vatany. Tokony hiezaka ho faly sy ho be fanantenana koa àry izay rehetra te ho salama foana.’
Mety ho vaovao amin’ny dokotera sy ny psikology ary ny mpahay siansa sasany izany fomba fijery izany, nefa tsy vaovao amin’ny mpianatra ny Baiboly. Nahazo herin’ny fanahy masina i Solomona mpanjaka hendry, efa ho 3 000 taona lasa izay, ka nanoratra hoe: “Ny fo ravoravo mahasalama tsara; fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.” (Ohabolana 17:22) Jereo fa voalanjalanja tsara io andinin-teny io. Tsy milaza izy fa hahasitrana ny aretina rehetra ny fo ravoravo. Lazainy fotsiny hoe “mahasalama tsara” izy io.
Raha fanafody tokoa mantsy ny fanantenana, iza no dokotera tsy hilaza amin’ny marary mba hampiasa azy io? Tsy manampy ny olona ho salama fotsiny anefa ny fanantenana. Mahasoa lavitra noho izany izy io.
Mahasoa eo amin’ny fiainana
Hitan’ny mpikaroka fa mandray soa be dia be ny olona be fanantenana. Mazàna izy ireo no mahay kokoa any am-pianarana sy any am-piasana ary na dia amin’ny fanatanjahan-tena aza. Nanaovana fandinihana, ohatra, ny vehivavy tao amin’ny ekipa iray mpanao atletisma. Nolazain’ny mpanazatra tamin’ny an-tsipiriany ny mety ho zava-bitan’izy ireo. Nadinadinina koa anefa izy ireo, ary nofantarina tsara hoe manao ahoana ny tokin’ainy. Hita tamin’ny valin’ny fifaninanana fa nahavita zavatra tsara lavitra noho izay noeritreretin’ny mpanazatra ireo be tokin’aina. Nahoana no manan-kery lehibe toy izany ny tokin’aina na fanantenana?
Betsaka ny zavatra fantatry ny mpikaroka, rehefa nandinika akaiky an’ireo olona tsy manana fanantenana izy ireo. Nandinika ny fihetsiky ny biby, ohatra, izy ireo nandritra ireo taona 1960, ka tsy nampoiziny ny valiny. Hitan’izy ireo fa mety hanjary ho mora kivy, tsy misy hafa amin’ny biby ny olona, rehefa tsy mahavaha olana iray. Ny zava-nitranga taminy no tena mahatonga ny sasany hanana io toe-tsaina io. Nisy olona nanaovana fanandramana, ohatra, ka nampihainoana tabataba be. Nilazana izy ireo fa afaka nianatra nampijanona ilay izy. Nasaina nanindry bokotra maromaro izy, mba hahavitana izany. Vitan’izy ireo tokoa ny nampijanona ilay tabataba.
Nisy antokon’olona faharoa nasaina nanao toy izany, nefa tsy nijanona ilay tabataba na dia nanindry an’ireo bokotra aza izy ireo. Azonao an-tsaina avy hatrany, fa nieritreritra ny maro taminy hoe tsy hahavita hampijanona ilay tabataba mihitsy. Nasaina nanao ilay fanandramana indray izy ireo avy eo, nefa nisalasala. Nino izy fa tsy hijanona ilay tabataba na inona na inona hataony. Tsy nanaiky ho kivy toy izany kosa anefa ireo be fanantenana tao amin’io antokon’olona faharoa io.
Tapa-kevitra ny handinika akaiky an’ireo fihetsika roa ireo ny Dr. Martin Seligman, izay anisan’ny nanomana ny sasany tamin’ny fanandramana etsy aloha. Nandinika akaiky an’ireo olona mora mihevi-tena ho tsy mahay na inona na inona izy. Hitany fa manjary sarotra ho an’ireny olona ireny, na tsy vitany mihitsy aza, ny zavatra maro fanaony isan’andro. Nanazava fohy ny atao hoe tsy fananana fanantenana sy ny vokatr’izany i Seligman. Hoy izy: ‘Miaiky aho, rehefa avy nandinika nandritra ny 25 taona, fa raha mino foana isika hoe ny tenantsika ihany no mitera-pahavoazana ho antsika, ary ho voa toy izany foana isika, satria tsy hisy hety izay hataontsika, dia vao mainka ho mafy noho izany aza no hanjo antsika.’
Araka ny nolazaina tetsy aloha, dia mety ho vaovao amin’ny olona sasany izany fanatsoahan-kevitra izany, nefa tsy vaovao amin’ny mpianatra ny Baiboly. Hoy ny ohabolana iray: “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10) Hazavain’ny Baiboly tsara tokoa fa tsy hanan-kery hanaovan-javatra ianao raha kivy. Inona àry no azonao atao mba hahatonga anao ho be fanantenana kokoa eo amin’ny fiainana?
[Sary, pejy 4, 5]
Mandray soa be dia be izay manana fanantenana
-
-
Afaka ny ho Be Fanantenana Foana IanaoMifohaza!—2004 | 8 Mey
-
-
Afaka ny ho Be Fanantenana Foana Ianao
AHOANA no fahitanao ny zava-tsarotra mihatra aminao? Maro ankehitriny ny manam-pahaizana mino fa ny valiny omenao amin’io fanontaniana io no ahafantarana raha olona be fanantenana ianao na tsia. Samy iharam-pisedrana mafy isika rehetra eo amin’ny fiainana. Ny an’ny sasany aza mety ho mafy kokoa noho ny an’ny hafa. Nahoana anefa ny olona sasany no toa tafarina, ary vonona ny hiezaka indray, fa ny hafa kosa toa kivy, na dia tsy lehibe loatra aza ny nanjo azy?
Ohatra, aoka hatao hoe mitady asa ianao. Nankany amin’ny orinasa iray ianao, ary nadinadinina. Tsy voaray anefa ianao. Ahoana no fiheveranao ilay izy? Angamba hieritreritra ianao hoe tsy tian’ilay mpampiasa. Mety hihevitra ianao avy eo fa ny olona rehetra mihitsy no tsy tia anao, ka hiteny ianao hoe: ‘Tsy hisy olona handray ahy mihitsy. Tsy hahita asa mihitsy aho.’ Mety ho mbola ratsy kokoa noho izany aza no hitranga. Ny fiainanao manontolo mihitsy no mety hanjary hoheverinao fa tsy misy dikany, ka mety hiteny ianao hoe: ‘Tsy mahay na inona na inona aho. Tsy misy ilana ahy.’ Ny olona tsy manana fanantenana no mieritreritra toy ireo.
Miezaha ho be fanantenana hatrany
Ahoana no hahatonga anao ho be fanantenana? Mila miaiky aloha ianao hoe tsy manana io toetra io. Tokony hataonao avy eo izay hananana azy io. Iezaho fantarina ny antony marina nahatonga anao tsy ho voaray. Ohatra, marina tokoa ve fa tsy voaray ianao satria tsy hisy olona handray anao mihitsy? Sa sao dia olona manana fahaizana hafa fotsiny no tadiavin’ilay mpampiasa?
Raha miezaka mandinika ny tena zava-misy toy izany ianao, dia ho hitanao fa nentim-po fotsiny ianao. Tena tsy mahay na inona na inona tokoa ve ianao, na dia tamin’iny fotoana iny monja aza no tsy nahomby? Sa mahomby ihany ianao amin’ny lafin-javatra hafa, toy ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fifandraisana amin’ny fianakaviana ary ny fifandraisana amin’ny namana? Iezaho esorina ao an-tsainao izay zava-dratsy eritreretinao fa hitranga, ka hevero ho toy ny hoe “lasa lavitra loatra ny sainao.” Sady ahoana tokoa moa no ahazoanao antoka fa tsy hahita asa mihitsy ianao? Mbola misy zavatra hafa azonao atao koa, mba hahatonga anao ho be fanantenana kokoa.
Miezaha hanana tanjona ary minoa fa ho tratranao izany
Tato ho ato, dia hafakely ny famaritan’ny mpikaroka ny atao hoe fanantenana, na dia somary voafetra ihany aza izany. Milaza izy ireo fa ny atao hoe fanantenana dia ny finoanao fa ho tratranao ny tanjonao. Marina aloha fa tsy izany ihany no atao hoe fanantenana, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Mahasoa amin’ny lafiny maromaro anefa io famaritana io. Hahatonga antsika hiezaka hanana tanjona izy io, ary hahatonga antsika hino fa ho tratrantsika izany.
Ahoana anefa no inoanao fa ho tratranao ny tanjonao? Mila mizatra manana tanjona sy manatratra izany aloha ianao. Raha tsapanao fa mbola tsy mahay manao izany ianao, dia tsara angamba raha dinihinao akaiky indray hoe inona avy no tanjonao. Kanefa, manana tanjona ve aloha ianao? Mety ho variana loatra amin’ny asa fanao isan’andro sy ny rotoroton’ny fiainana isika, ka tsy maka fotoana hieritreretana intsony ny tena zava-kendrentsika eo amin’ny fiainana sy izay laharam-pahamehana amintsika. Taloha ela be ny Baiboly dia efa nampirisika antsika hijery izay laharam-pahamehana amintsika. Hoy izy: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.
Rehefa fantatsika hoe inona avy no laharam-pahamehana amintsika, dia ho mora kokoa ny hifidy tanjona lehibe sasany eo amin’ny lafim-piainantsika samihafa. Anisan’izany ny fiainana kristianina ananantsika sy ny fiainam-pianakaviantsika ary ny fiainantsika amin’ny ankapobeny. Tsara anefa raha ataontsika vitsivitsy ihany ny tanjona tratrarintsika amin’ny voalohany. Tsara koa raha mifidy tanjona fantatsika fa mora tratrarina isika. Raha sarotra loatra mantsy ny manatratra ilay tanjona, dia mety ho kivy isika, ka hilavo lefona. Ny tsara indrindra àry matetika, dia ny miezaka manatratra tanjona kelikely sady tsy mitaky fotoana be, izay vao miezaka manatratra tanjona lehibe kokoa sy mitaky fotoana lava kokoa.
“Tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto”, hoy ny ohabolana iray. Toa misy maha marina azy ihany izany. Rehefa fantatsika hoe inona avy ny tanjona lehibe amintsika, dia mila mazoto, izany hoe maniry sy tapa-kevitra ny hanatratra azy ireo isika. Ho tapa-kevitra kokoa isika raha misaintsaina hoe nahoana no zava-dehibe ilay tanjona, ary inona no valisoa ho azontsika, rehefa tratrantsika ilay izy. Mazava ho azy fa tsy maintsy hisy ny vato misakana, nefa tokony hataontsika ao an-tsaina hoe azo resena izy ireny.
Tokony hitady fomba maromaro azo ampiharina, hanatratrarana ny tanjontsika koa anefa isika. Nandinika lalina ny maha zava-dehibe ny fanantenana ilay mpanoratra atao hoe C. Snyder. Manoro hevitra izy fa mila mitady fomba maromaro hanatratrarana ny tanjona iray isika. Koa rehefa tsy mahomby ny fomba voalohany, dia afaka mampiasa ilay faharoa na ilay fahatelo isika.
Manoro hevitra koa izy hoe mila mianatra manova ny tanjontsika isika. Raha tena tsy tratrantsika mihitsy, ohatra, ny tanjona iray, dia ho kivy isika, raha malahelo sy mieritreritra momba ilay izy foana. Hanan-javatra hafa antenaina kosa isika, raha soloantsika tanjona mora tratrarina kokoa ilay izy.
Misy ohatra tsara momba izany ao amin’ny Baiboly. Tena naniry hanorina tempoly ho an’i Jehovah Andriamaniny, ohatra, i Davida Mpanjaka. Nilaza taminy anefa Andriamanitra fa i Solomona zanany no hanana ny tombontsoa hanorina ny tempoly. Tsy nidongy i Davida na nikiry nanatratra io tanjona efa tsy azo notanterahina io. Novany kosa ny tanjony. Niezaka mafy izy nanangona ny vola sy ny fitaovana hilain’ny zanany hamitana ilay tetikasa.—1 Mpanjaka 8:17-19; 1 Tantara 29:3-7.
Be fanantenana kokoa àry isika, rehefa miezaka hanana tanjona sy mino fa hahatratra azy ireny. Mety ho mbola tsy ampy mihitsy anefa izany fanantenana ananantsika izany. Fa nahoana? Misy toe-javatra mahakivy be dia be eto amin’ity tontolo ity, ary tsy ho resintsika mihitsy ny ankamaroan’izy ireny. Tsy inona izany fa ireo olana maro mianjady amin’ny olombelona, toy ny fahantrana, ny ady, ny tsy rariny, ary ny aretina sy ny fahafatesana, izay mampahatahotra antsika foana. Ahoana no ananantsika fanantenana hatrany eo anatrehan’ireo toe-javatra ireo?
[Sary, pejy 7]
Mino ve ianao fa tsy hahita asa intsony, raha tsy voaray tamin’ny asa iray tianao?
[Sary, pejy 8]
Nahay nanova ny tanjona notratrariny i Davida Mpanjaka
-
-
Ahoana no Hananana Fanantenana Marim-pototra?Mifohaza!—2004 | 8 Mey
-
-
Ahoana no Hananana Fanantenana Marim-pototra?
MATY ny famantaranandronao, ka tianao hamboarina. Sahiran-tsaina anefa ianao, satria be dia be ny olona manao dokam-barotra hoe manamboatra famantaranandro. Samy milaza ho mahay daholo izy rehetra, nefa tsy mahay akory ny sasany. Ahoana anefa raha renao fa mpifanila trano aminao no nahita hevitra namorona io famantaranandro io, taona maro lasa izay, ary vonona hanamboatra azy io maimaim-poana izy? Azo antoka fa fantatrao avy hatrany hoe aiza no haleha, sa tsy izany?
Noforonina hanana fanantenana isika olombelona. Ampitahao amin’ilay famantaranandro teo izany. Aiza àry ianao no hitady fanampiana, raha tsapanao fa manomboka ho very fanantenana ianao, toy ny olona maro amin’izao vanim-potoana mikorontana izao? Maro ny olona milaza fa manana vahaolana, nefa misafotofoto sy mifanipaka indraindray ny soso-kevitra tsy hita isa omen’izy ireny. Koa nahoana raha mitady fanampiana any amin’ilay namorona antsika olombelona sy nametraka tao anatintsika ny fahafahana hanana fanantenana? Milaza ny Baiboly fa “tsy lavitra antsika tsirairay izy”, ary tena vonona hanampy antsika.—Asan’ny Apostoly 17:27; 1 Petera 5:7.
Famaritana amin’ny an-tsipiriany kokoa
Lalina kokoa ny atao hoe fanantenana ao amin’ny Baiboly, ary mahafaoka zavatra betsaka kokoa, fa tsy toy ny fiheveran’ny ankamaroan’ny dokotera sy ny mpahay siansa ary ny psikology ankehitriny azy. Ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “fanantenana” ao amin’ny Baiboly, dia midika hoe miandry mafy sy manantena zava-tsoa. Zavatra roa no tafiditra amin’izany, dia ny faniriana hahazo ilay zava-tsoa sy ny antony marim-pototra inoana fa ho azo ilay izy. Tsy nofinofy fotsiny ny fanantenana hita ao amin’ny Baiboly, fa miorina amin’ny zava-misy sy porofo marim-pototra.
Mitovy ny finoana sy ny fanantenana amin’io lafiny io. Tsy maintsy manana porofo marim-pototra ny olona vao afaka mino zavatra iray, fa tsy mino fotsiny amin’izao. (Hebreo 11:1) Na izany aza, dia avahan’ny Baiboly ihany ny finoana sy ny fanantenana.—1 Korintianina 13:13.
Indro misy ohatra: Rehefa mangataka fanampiana amin’ny namana atokisanao ianao, dia manantena fa hanampy anao izy. Marim-pototra ny fanantenanao, satria mino ianao fa hanampy anao izy. Fantatrao tsara mantsy izy, ary efa hitanao fa tsara fanahy sy nalala-tanana tamin’ny lasa. Mifandray akaiky sady tsy afa-misaraka ny finoanao sy ny fanantenanao, nefa tsy mitovy. Ahoana no ahafahanao manantena an’Andriamanitra toy izany?
Antony marim-pototra ananana fanantenana
Avy amin’Andriamanitra ny tena fanantenana. Nantsoina hoe “Fanantenan’ny Isiraely” i Jehovah, tamin’ny andron’ny Baiboly. (Jeremia 14:8) I Jehovah no fanantenan’ny vahoakany, satria avy aminy ny fanantenana marim-pototra rehetra nananan’izy ireo. Tsy faniriana hahazo zava-tsoa fotsiny io fanantenana io. Nanome azy ireo antony marim-pototra hananana azy io kosa Andriamanitra. Fantatra ho nitana ny fampanantenany foana izy, rehefa nifandray tamin’ny Israelita nandritra ny taonjato maro. Hoy i Josoa, mpitarika azy ireo: “Fantatrareo . . . fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.”—Josoa 23:14.
Mbola marina izany, an’arivony taona tatỳ aoriana. Tena maro be ny fampanantenana miavaka nomen’Andriamanitra, voalaza ao amin’ny Baiboly. Voatantara marina tsara ao koa ny fahatanterahan’izy ireny. Tena azo itokisana izy ireny, ka toy ny hoe efa tanteraka sahady tamin’ny fotoana nanoratana azy.
Izany no antony ilazantsika fa azo antsoina hoe boky mirakitra fanantenana ny Baiboly. Vao mainka ianao hahazo antoka kokoa fa afaka manantena an’Andriamanitra, rehefa mamaky ny fitantarana momba ny nifandraisany tamin’ny olombelona. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.”—Romanina 15:4.
Inona no fanantenana omen’Andriamanitra antsika?
Rahoviana isika no tena mila fanantenana? Tsy rehefa misy maty ve? Amin’io fotoana io mihitsy anefa vao tena very fanantenana ny olona maro, indrindra raha havan-tiany no maty. Ny fahafatesana tokoa angamba no toe-javatra mahavery fanantenana indrindra. Tsy afa-mandositra azy io isika rehetra. Afaka mitandrina isika mba ho ela velona kokoa, nefa mety ho faty ihany isika na ho ela na ho haingana, ary tsy azontsika ialana izany. Marina mihitsy ny tenin’ny Baiboly hoe ny fahafatesana no “fahavalo farany.”—1 Korintianina 15:26.
Ahoana àry no ananantsika fanantenana rehefa misy maty? “Hofoanana ny fahafatesana”, araka ilay andininy miantso azy hoe fahavalo farany. Mahery noho ny fahafatesana i Jehovah Andriamanitra. Nanaporofo izany imbetsaka izy. Tamin’ny fomba ahoana? Nanangana olona maty izy. Tantarain’ny Baiboly fa nampiasa ny heriny intsivy Andriamanitra, mba hananganana olona tamin’ny maty.
Ny niavaka indrindra tamin’izany, dia ny nananganany an’i Lazarosy, naman’i Jesosy akaiky, izay efa maty nandritra ny efatra andro. Nomen’i Jehovah hery i Jesosy Zanany, mba hanaovana izany. Tsy niafina no nanaovan’i Jesosy an’izany, fa ampahibemaso, ary teo anoloan’ny mpitazana maro be.—Jaona 11:38-48, 53; 12:9, 10.
Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Nahoana no natsangana tamin’ny maty ireny olona ireny? Tsy nihantitra sy maty ihany ve izy ireny tamin’ny farany?’ Marina izany. Kanefa, rehefa mamaky fitantarana azo itokisana toy ireny isika, dia tsy vitan’ny hoe maniry fotsiny ny hahaveloman’ny havan-tiantsika indray. Lasa manana antony marim-pototra inoana koa isika, fa tena ho velona izy ireny. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe manana fanantenana marim-pototra isika.
Hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” (Jaona 11:25) Izy no homen’i Jehovah hery hanangana ny maty maneran-tany. Hoy i Jesosy: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony [ny an’i Kristy], dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Afaka ny ho velona indray àry ireo rehetra ao am-pasana, ka hiaina eto an-tany lasa paradisa.
Niresaka mazava tsara an’io fisehoan-javatra mampihetsi-po io i Isaia mpaminany. Hoy izy: “Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ny oloko hitsangana; koa mifohaza sy mihobia, hianareo izay mandry ao amin’ny vovoka; fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.”—Isaia 26:19.
Tsy mampionona ve izany fampanantenana izany? Toy ny zazakely voaro tsara ao anatin’ny kibon-dreniny ny olona maty. Tsy manam-petra ny fitadidian’ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony, ka tadidiny tsara tokoa ireny olona ireny. (Lioka 20:37, 38) Hovelomina indray izy ireny tsy ho ela, ka hiditra ao amin’ny tontolo iray mahafinaritra. Handray azy tsara ny olona ao, tsy misy hafa amin’ny fandraisana mafana ataon’ny fianakaviana be fitiavana ny zazakely iray vao teraka! Misy fanantenana àry, na dia rehefa misy maty aza.
Inona no soa azonao raha manana fanantenana ianao?
Be dia be ny zavatra ampianarin’i Paoly antsika momba ny hasarobidin’ny fanantenana. Noresahiny fa anisan’ireo fiadiana tena ilaintsika izy io, ka nohariny tamin’ny fiarovan-doha. (1 Tesalonianina 5:8) Nahoana? Nanao fiarovan-doha vy ny miaramila tamin’ny andron’ny Baiboly, rehefa nandeha niady. Mazàna izany no nataony teo ambonin’ny satroka bonetra volonondry na hoditra. Mievotra fotsiny, fa tsy mamono an’ilay miaramila, ny ankamaroan’ny zavatra midona amin’ny lohany, noho io fiarovan-doha io. Inona àry no tian’i Paoly holazaina? Miaro ny loha ny fiarovan-doha. Toy izany koa fa miaro ny saina ny fanantenana. Hiadan-tsaina foana ianao, fa tsy hivadi-po na ho kivy, rehefa sendra zava-tsarotra, raha tena manantena fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra. Azo antoka fa mila an’izany fiarovan-doha izany daholo isika rehetra.
Nampiasa fanoharana hafa manaitra ny saina, momba ny fanantenana koa i Paoly. Mifandray amin’ny sitrapon’Andriamanitra io fanantenana io. Izao no nosoratany: “Izany fanantenana ananantsika izany no vatofantsiky ny aintsika, sady azo antoka no mafy orina.” (Hebreo 6:19) Fantatr’i Paoly tsara fa tena ilaina ny vatofantsika, satria efa imbetsaka izy no tafavoaka velona rehefa nisy sambo vaky. Ampidinin’ny tantsambo ny vatofantsika, rehefa misy rivo-doza. Raha miraikitra tsara amin’ny fanambanin’ny ranomasina izy io, ary tsy mihetsika, dia mety hahatohitra an’ilay rivo-doza ilay sambo, fa tsy ho voatosika hankeny amin’ny morontsiraka, ka hidona amin’ny haram-bato.
Toy izany koa fa ho zakantsika ny korontana misy amin’izao fotoana izao, raha “sady azo antoka no mafy orina” ny fanantenantsika an’ireo zavatra hataon’Andriamanitra amin’ny hoavy. Mampanantena i Jehovah fa tsy hampahory ny olombelona intsony tsy ho ela ny ady, ny asan-jiolahy, ny alahelo, ary na dia ny fahafatesana mihitsy aza. (Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy faha-10.) Hanampy antsika hanalavitra loza ny fitadidiantsika izany fanantenana izany. Handrisika antsika hiaina mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra izany, fa tsy hanaiky hanaraka ny toe-tsaina ratsy, izay tena manjaka eto amin’ity tontolo ity.
Mahakasika anao manokana koa ny fanantenana omen’i Jehovah. Tiany hifanaraka amin’izay nokasainy ny fiainanao. Iriny ‘hovonjena ny karazan’olona rehetra.’ Ahoana anefa no hahavoavonjy azy ireo? Tsy maintsy ‘manana fahalalana marina tsara ny fahamarinana’ izy rehetra. (1 Timoty 2:4) Mampirisika anao hianatra io fahalalana ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra io ny mpampanonta ity gazety ity, satria manome fiainana izy io. Tsara lavitra noho ny fanantenana mety ho hitanao eto amin’ity tontolo ity, ny fanantenana homen’Andriamanitra anao amin’izany.
Tsy hihevi-tena ho tsy mahay na inona na inona mihitsy ianao noho io fanantenana io. Azon’Andriamanitra atao mantsy ny manome anao ny hery hanatratraranao izay tanjona anananao, ka mifanaraka amin’ny sitrapony. (2 Korintianina 4:7; Filipianina 4:13) Azo antoka fa izany no karazana fanantenana ilainao. Koa raha efa miezaka ny hanana azy io ianao, dia aza kivy, fa ho tanteraka ny fanirianao!
[Efajoro/Sary, pejy 10]
Antony Hananana Fanantenana
Afaka manampy anao hampitombo ny fanantenanao ireto hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina ireto:
◼ Mampanantena hoavy sambatra Andriamanitra.
Milaza ny Teniny fa ho lasa paradisa, honenan’ny olona sambatra sy miray saina, ny tany manontolo.—Salamo 37:11, 29; Isaia 25:8; Apokalypsy 21:3, 4.
◼ Tsy mahay mandainga Andriamanitra.
Halany ny karazana lainga rehetra. Masina na tsy misy tsininy mihitsy i Jehovah, ka tsy mandainga mihitsy izy.—Ohabolana 6:16-19; Isaia 6:2, 3; Titosy 1:2; Hebreo 6:18.
◼ Tsy manam-petra ny herin’Andriamanitra.
I Jehovah irery no manana ny hery fara tampony. Tsy misy na inona na inona eo amin’izao rehetra izao mahasakana azy tsy hanatanteraka ny fampanantenany.—Eksodosy 15:11; Isaia 40:25, 26.
◼ Tian’Andriamanitra hiaina mandrakizay ianao.
◼ Manantena antsika hiova Andriamanitra.
Tsy mifantoka amin’ny fahadisoantsika sy ny fahalementsika izy, fa amin’ny toetra tsarantsika sy ny ezaka ataontsika kosa. (Salamo 103:12-14; 130:3; Hebreo 6:10) Manantena izy fa hanao izay mahitsy isika, ary faly izy rehefa manao izany isika.—Ohabolana 27:11.
◼ Mampanantena Andriamanitra fa hanampy anao hanatratra izay tanjonao mifanaraka amin’ny fikasany.
Tsy tokony hieritreritra mihitsy ny mpanompony hoe tsy misy mpanampy. Manome antsika be dia be amin’ilay hery matanjaka indrindra, dia ny fanahiny masina izy, mba hanampy antsika.—Filipianina 4:13.
◼ Tsy poakaty mihitsy ny fanantenana an’Andriamanitra.
Tsy hamitaka anao mihitsy izy, satria azo itokisana tanteraka.—Salamo 25:3.
[Sary, pejy 12]
Miaro ny loha ny fiarovan-doha; toy izany koa fa miaro ny saina ny fanantenana
[Sary, pejy 12]
Toy ny vatofantsika ny fanantenana mafy orina, ka hanampy anao tsy hivadika
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy René Seindal/Su concessione del Museo Archeologico Regionale A. Salinas di Palermo
-