FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/2 p. 28-30
  • Tsy mijery afa-tsy ny fisehoana ivelany ve ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy mijery afa-tsy ny fisehoana ivelany ve ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanome ohatra i Jesosy
  • Moa ve ianao “mitsara marina”?
  • Aza mitaky mihoatra noho izay takin’Andriamanitra
  • Vokatra tsara azo avy amin’ny tsy fijerena araka ny fisehoana ivelany fotsiny
  • Ho Voavonjy ny Karazan’olona Rehetra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Aza Mitsara Ivelany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Ny Fisehoana Ivelany Ihany ve no Hitanao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Maika Hitsara ny Olona vao Hitanao ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/2 p. 28-30

Tsy mijery afa-tsy ny fisehoana ivelany ve ianao?

VOATOSIKY ny fankahalana i Heinz, zatovolahy iray, ary nikasa ny hamono ny ray keliny. Mahafaly anefa fa tsy ampy herim-po hanaovana izany izy. Taona maromaro tatỳ aoriana dia nanapa-kevitra ny hamono tena izy, nefa tsy vitany ihany koa izany. Tonga mpangalatra sy mpivarotra zavatra mahadomelina izy ary nampidirina an-tranomaizina noho izany. Avy eo dia rava ny fanambadiany.

Ankehitriny i Heinz dia tsy mampiasa zavatra mahadomelina intsony. Manana asa madio izy. Manana fiainam-pianakaviana sambatra izy ary mifandray tsara amin’ny ray keliny. Inona no nampiova azy toy izany? Nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Tsikelikely, dia niova ny fomba fijeriny ny fiainana.

Azo antoka fa maro tamin’ireo izay nahafantatra an’i Heinz teo aloha no nihevitra fa tsy nisy azo nantenaina intsony ny aminy. Velom-pankasitrahana anefa isika noho ny amin’ny olona maro be toa azy, fa tsy nahafoy azy ho toy ny tsy azo avotana Andriamanitra. Nahoana moa? Izao no antony: “Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” — 1 Samoela 16:7.

Fahasamihafana lehibe misy eo amin’ny olona sy Andriamanitra izany. Mitsara araka ny fisehoana ivelany isika mazàna. Milaza mihitsy aza isika fa “izay tsapantsika voalohany no tena izy.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, isika dia mirona hanakilasy ireo olona hitantsika araka izay fihetsiny eo am-boalohany. Fa Andriamanitra kosa dia marina sy tsy manavakavaka, satria afaka mamaky ny ao am-po izy. Ary izany no antony nandefasany an’i Jesosy Kristy, Zanany, ho etỳ an-tany, mba ‘hovonjena ny karazan’olona rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.’ (1 Timoty 2:4, MN ) Mifanaraka amin’izany, ireo kristiana nanolo-tena dia manana tombontsoa ny ho “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” amin’ny fitoriana amim-paharisihana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olombelona rehetra. (1 Korintiana 3:9) Ny kristiana anefa dia voafetra eo amin’izay azony atao — tsy afaka mamaky ny ao am-pon’ny hafa izy ireo. Noho izany àry dia tsy tokony hizaha tavan’olona isika ary hitandrina mba tsy hitsara an-tendrony araka ny fisehoana ivelany.

Nahalala ny fisian’io loza io teo amin’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany i Jakoba, rahalahin’i Jesosy. Hoy izy: “Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan’olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon’ny voninahitra. Fa raha misy olona miditra eo amin’ny synagoganareo misy peratra volamena amin’ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy, koa mijery ilay miakanjo tsara hianareo (...) Moa tsy miangatra va hianareo amin’izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy?” — Jakoba 2:1-4.

Nanome ohatra i Jesosy

I Jesosy dia nihevitra ny olona, tsy ho toy ny mpanota tsy azo avotana akory, fa ho toy ny olona izay mety ho tso-po, vonona ny hiova raha omena ny fanampiana ilaina sy ny fampaherezana tsara. Izany no antony ‘nanolorany ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra.’ (1 Timoty 2:6) Tamin’ny asa fitoriana nataony, dia tsy nihevitra na iza na iza tso-po ho toy ny olona tsy azo nokasihina na tsy mendrika ny fiheveran’ny hafa izy. Ny fomba fijeriny ny hafa dia tsy nampiseho fieboeboana na fisehoana ho marina loatra. — Lioka 5:12, 13.

Fahasamihafana toy inona re izany amin’ireo Fariseo, izay amakiantsika toy izao ny aminy: “Ary ny mpanora-dalàna, izay isan’ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy! Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.” — Marka 2:16, 17.

Tsy isalasalana fa izany akory dia tsy milaza fa nalan’i Jesosy tsiny ny asa tsy marina sy diso nataon’ireo mpanota sy mpamory hetra ireo. Fantany kosa fa mety ho tafalatsaka ao anatin’ny fomba fiaina diso ny olona, angamba tsy noho ny nahim-pony akory aza, ary mety ho noho ny tarehin-javatra tsy azo sakanana koa. Nampiseho fahatakaran-javatra àry izy ka “onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo.” (Marka 6:34) Koa tamim-pitiavana no nanavahany ny asa ratsin’izy ireo sy ny fony izay nety ho tsara.

Tamin’ny fifandraisany tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy dia tsy nijery ny fisehoana ivelany fotsiny ihany koa. Mpanota nanao fahadisoana matetika izy ireo, kanefa tsy mpitady fahatanterahana tamin’ny fomba tsy ara-drariny akory i Jesosy ka hoe niteny azy ireo tsy an-kijanona noho izay fahotana kely rehetra vitany. Fantany fa tsara fikasa izy ireo, na, raha lazaina amin’ny fomba fiteny ankehitriny, “tamin’ny toerana tokony hisy azy ny fony”. Ny nilain’izy ireo dia fanampiana sy famporisihana; ary tsy nahihitra mihitsy i Jesosy tamin’ny fanomezana izany. Tsy misy isalasalana mihitsy ny amin’izany fa nijery ny olona araka ny fijerin’Andriamanitra azy izy. Miezaka ny hanahaka ny ohatra tsara dia tsara nomeny ve isika?

Moa ve ianao “mitsara marina”?

Indray andro i Jesosy dia nifanatrika tamin’ny antokon’olona mpimenomenona nihevi-tena ho marina satria sosotra izy ireo fa nanao asa fanasitranana tamin’ny andro Sabata izy. Nananatra azy ireo toy izao izy: “Aza mitsara araka ny miseho [“araka ny fisehoana ivelany”, MN ].” fa mba mitsarà marina [“araka ny rariny”, MN ].” Nahoana izy ireo no tsy nifaly nahita an’i Jesosy ho toy ny mpanao fahagagana izay ‘nahatonga olona anankiray ho sitrana avokoa ny tenany rehetra’, fa ‘tezitra taminy’ kosa ka tsy nahita afa-tsy ilay mpandika ny Sabata? Tamin’ny fitsarana araka ny fisehoana ivelany, dia nahariharin’izy ireo ny antony manosika ratsy tao aminy. Nasehony fa ny fomba fitsarany dia sady niseho ho marina loatra no tsy araka ny rariny koa. — Jaona 7:23, 24.

Ahoana no mety hahatonga antsika hanao izany fahadisoana izany koa? Raha toa isika ka tsy mifaly rehefa miverina ao amin’ny kongregasiona ny olona mibebaka iray na rehefa mianatra ny fahamarinana sy manomboka mandray soa avy amin’ny fanasitranana ara-panahy ny olona avy tany amin’izao tontolo izao iray. Indraindray isika dia mety hitsara ireo olona noho ny fiakanjony sy ny fihaingony tsy mendrika ary tonga dia manilika azy ho toy ny olona tsy ho tonga Vavolombelon’i Jehovah mihitsy. Kanefa maro be ireo “hippies” taloha sy olona hafa nanana fomba fiaina tsy neken’ny hafa teo aloha no niova ka tonga Vavolombelona kristian’i Jehovah tamin’ny farany. Raha mbola eo am-panovana ny fiainany ny olona toy izany, isika kosa dia tsy haniry hamela ny ‘fitsarana araka ny fisehoana ivelany’ hanakana antsika tsy hahita ny fo tsara ananan’izy ireny.

Ho tsara lavitra kokoa, ary hifanaraka amin’ny ohatra tsara dia tsaran’i Jesosy raha mivavaka ho azy ireny isika, ary manolotra fanampiana azo ampiharina mba hahatratrarana ny fahamatorana kristiana! Mety ho sarotra ny mahita antony mahafaly ao amin’izy ireny. Kanefa raha i Jehovah no mitaona azy ho any aminy amin’ny alalan’i Kristy, iza moa isika no handa azy noho ny fomba fijerintsika manokana izay voafetra? (Jaona 6:44) Raha miseho ho marina loatra isika ka mitsara ny hafa, kanefa tsy fantatsika na ny fony ny tarehin-javatra rehetra, izany dia mety hitondra fanamelohana ho antsika. — Matio 7:1-5.

Tsy tokony hitsara ireny vaovao ireny amin’ny fomba henjana isika, fa tokony hanampy azy kosa, hamporisika azy sy hananatra azy amin’ny alalan’ny ohatra omentsika. Kanefa, na mampiseho hatsaram-po aza isika, dia tsy hanindrahindra ireo vaovao velively raha olona fanta-daza eo amin’izao tontolo izao izy ireo. Ho fampisehoana fizahan-tavan’olona izany. Ho mariky ny tsy fahamatorantsika koa izany. Ary raha ny amin’ilay olona, hanampy azy hamboly fanetren-tena ve ny fandokandokafantsika azy? Sa hahasakodiavatra azy kosa aza izany? — Levitikosy 19:15.

Aza mitaky mihoatra noho izay takin’Andriamanitra

Ny fomba fijerintsika ny hafa dia tena voafetra raha oharina amin’ny an’i Jehovah, izay mahay mamaky ny ao am-po. (1 Tantara 28:9) Raha manaiky izany isika dia tsy ho tonga Fariseo maoderina miseho ho marina loatra, mitady izay hanosehana ny hafa hanaraka ny endrika fahamarinan’olombelona nataon’ny tenantsika manokana mba hanarahan’izy ireo izay heverintsika fa mety. Raha miezaka mijery ny hafa araka ny fijerin’Andriamanitra azy isika, dia tsy hitaky zavatra aminy mihoatra noho izay takiny. “Tsy hihoatra noho ny voasoratra” isika. (1 Korintiana 4:6) Zava-dehibe tokony hoheverin’ny loholona kristiana indrindra izany. — 1 Petera 5:2, 3.

Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny fomba fiakanjo ho enti-manazava izany. Izay takin’ny Baiboly — izany hoe izay takin’Andriamanitra — dia ny mba ho milamina sy madio ny akanjon’ny kristiana iray, ho mendrika ary tsy hampiseho tsy fahampiana ‘fahamaotinana sy fahononan-tena.’ (1 Timoty 2:9; 3:2) Miharihary àry fa ireo loholona tao amin’ny kongregasiona iray dia ‘nihoatra noho ny voasoratra’, taona vitsivitsy lasa izay, raha nitaky ny hanaovan’ireo mpanao lahateny ampahibemaso rehetra tao amin’ny kongregasionany lobaka fotsy, na dia nekena tao amin’io tany io aza tamin’ny ankapobeny ireo loko malefaka. Ireo mpandahateny avy any ivelany izay tonga ka nanao lobaka niloko dia nasaina nisolo lobaka ka nanao ny iray tamin’ireo lobaka fotsy maromaro notehirizina tao amin’ny Efitrano Fanjakana ho an’ny toe-javatra niseho tampoka toy izany. Fitandremana toy inona moa no tokony hasehontsika mba tsy hanery ny hafa hanaraka ny fitiavantsika zavatra manokana! Ary toy inona moa ny maha-mety ity torohevitr’i Paoly ity: “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo.” — Filipiana 4:5.

Vokatra tsara azo avy amin’ny tsy fijerena araka ny fisehoana ivelany fotsiny

Raha manaiky isika fa tsy afaka mamaky ny ao am-pon’ny olona, izany dia hanampy antsika hihazona fifandraisana tsara amin’ireo manodidina antsika, na ireo ao anatin’ny kongregasiona kristiana izany, na ireo izay any ivelany. Hanampy antsika hanana fomba fihevitra manorina momba ny hafa izany, ka tsy hiahiahy ny amin’ny antony manosika azy hanao zavatra isika, “fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filana sy ny fahafinaretana maro.” (Titosy 3:3) Raha manao izany ao an-tsaintsika isika, dia ho vonona ny hitory amin’ny rehetra, eny, fa na dia amin’ireo izay toa tsy mendrika aza, raha araka ny fisehoana ivelany fotsiny. Raha ny marina, dia azy ny fanapahan-kevitra na hanaiky ny fahamarinana izy na handa izany. Ny andraikitra hitory izany amin’ny rehetra no antsika.

Ny Vavolombelon’i Jehovah maro, toa an’i Heinz, dia faly raha niarahaba azy ireo tonga soa tao amin’ny kongregasiona kristiana ireo rahalahy sy anabavy izay tsy nijery azy ireo araka ny fisehoany ivelany, ary tsy nitsara azy araka ny fahitany teo am-boalohany.

Raiso ny ohatra ny amin’i Frank, izay tonga tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any atsimon’i Alemaina indray alahady. Inona no hitan’ireo mpanatrika? Zatovolahy mikorontana ny fisehoany, nanao volom-bava sy hatreo amin’ny sorony ny volony, nanao akanjo maloto, nalaza tamin’ny naha-mpitsidika ireo trano fisotroan-toaka teo an-toerana ary mpifoka sigara be — lehilahy iray izay tsy nikarakara ilay ankizivavy namany sy ireo zanany kely kambana. Na dia izany aza, dia noharabaina tonga soa tamim-pitiavana tao amin’ny fivoriana izy. Voatohina aoka izany ny fony, hany ka niverina izy ny herinandro nanaraka. Inona no hitan’izy ireo tamin’izay? Tovolahy iray voakarakara tsara ary nanao akanjo madio. Ny herinandro fahatelo izy ireo dia nahita lehilahy tanora iray tsy nifoka sigara intsony, ary tamin’izay dia niaraka taminy ilay ankizivavy namany sy ireo zanany roa. Ny alahady fahefatra, izy ireo dia nahita lehilahy tanora sy ny vehivavy tanora izay vao avy nanao izay haha-ara-dalàna ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fisoratam-panambadiana. Ny alahady fahadimy, izy ireo dia nahita lehilahy tanora iray izay nanapaka ny fifandraisany rehetra tamin’ny fivavahan-diso. Ankehitriny, eo amin’ny efa-taona aorian’izay, izy ireo dia mahita “fianakaviana iray izay manohina ny fon’ny hafa aoka izany ny fijeriny azy, hany ka mihevitra ny hafa fa efa aman-taonany maro no naha-rahalahintsika azy ireo”, hoy ny fitantaran’ny iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah.

Tsy voatery ho hita taratra amin’ny fonony ny hatsaran’ny boky iray, na amin’ny lafiny ivelany ny hatsaran’ny trano iray. Toy izany koa fa tsy voatery ho hita taratra amin’ny fisehoany ivelany ny tena toetra tsaran’ny olona iray. Tsy hitsara ny hafa araka ny fiheverany eo am-boalohany ny kristiana iray izay miezaka hijery azy araka ny fomba fijerin’Andriamanitra. Andriamanitra dia mijery ny “toetra miafina ao am-po,” ary afaka ny ho velom-pankasitrahana noho izany isika. — 1 Petera 3:3, 4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara