FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff lesona 23
  • Tanjona Tena Tsara ny Batisa!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tanjona Tena Tsara ny Batisa!
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDAO HOHALALININTSIKA
  • FAMINTINANA
  • JEREO KOA IRETO
  • Mila Atao Batisa Izay Te ho Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Ny Hevitry ny Batisanao
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Vonona Hatao Batisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra Ianao Raha Atao Batisa
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff lesona 23
Lesona 23. Vehivavy iray aroboka ao anaty rano ka lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa.

LESONA 23

Tanjona Tena Tsara ny Batisa!

Endrika Sary
Endrika Sary
Endrika Sary

Nilaza i Jesosy hoe tsy maintsy atao batisa ny Kristianina. (Vakio ny Matio 28:19, 20.) Inona anefa no atao hoe batisa? Ary inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba ho tratrany io tanjona io?

1. Ahoana no tokony ho fanaovana batisa?

Ny teny hoe “manao batisa” dia avy amin’ny teny grika midika hoe “mandroboka” ao anaty rano. Naroboka tao amin’ny Reniranon’i Jordana, ohatra, i Jesosy rehefa natao batisa. “Niakatra avy tao anaty rano” izy avy eo. (Marka 1:9, 10) Aroboka tanteraka ao anaty rano koa ny Kristianina rehefa atao batisa.

2. Rehefa atao batisa ny olona iray, dia inona no asehony amin’izany?

Rehefa atao batisa ny olona iray, dia asehony amin’izany hoe efa nanokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra izy. Ahoana ilay hoe manokan-tena? Mivavaka amin’i Jehovah ilay olona, dia miteny aminy hoe te hanompo azy mandrakizay. Mampanantena izy hoe i Jehovah irery ihany no hotompoiny, ary ny sitrapon’i Jehovah no hataony zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Tapa-kevitra izy hoe ‘handa ny tenany ary hanaraka foana’ ny fampianaran’i Jesosy sy ny modeliny. (Matio 16:24) Lasa mifandray akaiky amin’i Jehovah sy ny mpanompony hafa izy, rehefa manokan-tena sy atao batisa.

3. Inona no tokony hataon’ny olona iray alohan’ny hanaovana batisa azy?

Mila mianatra momba an’i Jehovah sy tena mino azy aloha ianao. (Vakio ny Hebreo 11:6.) Rehefa mitombo ny zavatra fantatrao sady mihamatanjaka ny finoanao, dia vao mainka ianao ho tia an’i Jehovah. Lasa te hiresaka momba azy sy te hanaraka ny fitsipiny ianao avy eo. (2 Timoty 4:2; 1 Jaona 5:3) Rehefa ‘manome voninahitra an’i Jehovah’ ny fomba fiainan’ny olona iray ‘ka mampifaly azy tanteraka’, dia mety hanapa-kevitra ilay olona hoe hanokana ny fiainany ho an’Andriamanitra sy hatao batisa.​—Kolosianina 1:9, 10.a

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe inona no azontsika ianarana avy amin’ny batisan’i Jesosy, ary inona no tokony hataon’ny olona iray mba ho vonona hatao batisa izy.

4. Inona no ianarantsika avy amin’ny batisan’i Jesosy?

Vakio ny Matio 3:13-17. Resahina ao ny tsipiriany momba ny batisan’i Jesosy. Iaraho midinika avy eo ireto fanontaniana ireto:

  • Zazakely ve i Jesosy tamin’izy natao batisa?

  • Ahoana no nanaovana batisa azy? Nofafazana rano fotsiny ve izy?

Nanomboka nanao ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy i Jesosy rehefa vita batisa. Vakio ny Lioka 3:21-23 sy ny Jaona 6:38, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no asa nifantohan’i Jesosy rehefa vita batisa izy?

5. Tanjona azonao tratrarina ny batisa

Mety hampahatahotra be ilay hoe manokan-tena sy atao batisa. Misy zavatra azonao atao anefa mba tsy hisalasala handray an’io fanapahan-kevitra lehibe io ianao. Inona, ohatra, no nataon’ny olona sasany? Alefaso ilay VIDEO.

VIDEO: Miezaha Hinamana Amin’i Jehovah (1:11)

Vakio ny Jaona 17:3 sy ny Jakoba 1:5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no hanampy ny olona iray ho vonona hatao batisa?

A. Vehivavy iray manokan-tena ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. B. Ilay vehivavy teo ihany aroboka ao anaty rano ka lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa.
  1. Manokan-tena isika rehefa milaza amin’i Jehovah hoe te hanompo azy mandrakizay

  2. Rehefa atao batisa isika, dia mampiseho amin’ny olona hoe efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra

6. Lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah isika rehefa vita batisa

Lasa anisan’ny fianakaviana iray maneran-tany isika rehefa vita batisa. Mitovy daholo ny zavatra inoantsika sy ny fitsipika arahintsika, na inona na inona fiaviantsika na zavatra niainantsika. Vakio ny Salamo 25:14 sy ny 1 Petera 2:17, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Lasa manao ahoana ny fifandraisan’ny olona iray amin’i Jehovah sy ny mpanompony hafa rehefa vita batisa izy?

Sary: Anabavy iray vita batisa faly misaintsaina ny fiarahany amin’ny namany eo anivon’ny fiangonana. 1. Milaza ny fihetseham-pony amin’ny anabavy iray izy. 2. Manampy anabavy be taona iray mitondra tehina izy. 3. Miara-misakafo amin’ny namany be taona sy tanora izy. 4. Mitory amin’ny lehilahy iray izy ary misy anabavy iray miaraka aminy. 5. Miara-maka sary amin’ny anabavy roa tsy mitovy firenena aminy izy any amin’ny fivoriambe.

MISY MITENY HOE: “Izaho mbola tsy vonona hatao batisa.”

  • Izany koa angamba no tsapanao. Hitanao ve anefa hoe tanjona tena tsara ny batisa?

FAMINTINANA

Nilaza i Jesosy hoe tsy maintsy atao batisa ny Kristianina. Raha te hatao batisa ny olona iray, dia tokony hoe tena mino an’i Jehovah izy, manaraka ny fitsipiny, ary manokan-tena ho azy.

Famerenana

  • Ahoana no tokony ho fanaovana batisa, ary nahoana ny batisa no zava-dehibe?

  • Inona no ifandraisan’ny hoe manokan-tena sy ny hoe atao batisa?

  • Inona aloha no mila ataon’ny olona iray, vao afaka manokan-tena sy atao batisa izy?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Misy fanazavana bebe kokoa momba ny batisa ato.

“Inona no Atao hoe Batisa?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Inona no tokony hataon’ny olona iray mba ho vonona hatao batisa izy?

“Haniry Hatao Batisa Ianao Raha Tia An’i Jehovah” (Ny Tilikambo Fiambenana Martsa 2020)

Inona no nandrisika ny lehilahy iray hatao batisa?

“Izaho Mihitsy no Tian’izy Ireo Hahita ny Marina” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2013)

Nahoana no tanjona tena tsara ny batisa, ary inona no hanampy anao ho vonona amin’izany?

“Tokony Hatao Batisa ve Aho?” (Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, toko 37)

a Mbola tokony hatao batisa ny olona iray, na dia efa vita batisa tany amin’ny fivavahana hafa aza. Nahoana? Satria tsy nampianatra ny marina ao amin’ny Baiboly ilay fivavahana.​—Jereo ny Asan’ny Apostoly 19:1-5 sy ny Lesona 13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara