Tadidinao Ve?
Moa ve ianao nieritreritra tamim-pitandremana momba ireo nomerao farany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy, dia azo inoana fa hahaliana anao ny hahatsiaro izao manaraka izao:
▫ Inona moa ilay “famantarana mampiseho hatsaram-po” izay ataon’i Jehovah ho an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy? (Salamo 86:17, NW ).
Izany dia ny “hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina” izay nanatanjaka ireo Kristiana voalohany mba hiaritra ireo karazam-panenjehana samihafa izay mahazo azy. (1 Tesaloniana 1:6). Mitovy amin’izany ihany izy io amin’izao andro izao, ary i Jehovah, ilay Mpanome “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”, dia faly manome “ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy”. (Jakoba 1:17; Lioka 11:13). Ny hafaliana avy amin’ny fanahy masina àry no “famantarana mampiseho hatsaram-po” ho an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy. — 15/12, pejy faha-18.
▫ Nahoana no tena zava-dehibe ny hanekentsika ny fomba fijerin’Andriamanitra momba ny lainga?
Ny Salamo 5:6 dia milaza fa Andriamanitra dia ‘handringana ny mpiteny lainga’. Ny Apokalypsy 21:8 koa manampy izany ka milaza fa ny miandry ny mpandainga rehetra dia “ny fahafatesana faharoa”. Noho izany, ny fanekentsika ny fomba fijerin’Andriamanitra momba ny lainga dia manome antsika antony mafy hilazana ny marina sy hahazoana ny fanomezany fiainana. — 15/12, pejy faha-23.
▫ Inona no nahaforona ny fanompoam-pivavahana samaritana? (Jaona 4:20).
Ireo Samaritana, tao amin’ny fanompoam-pivavahany nifangaro, dia tsy nanaiky ho Soratra Masina afa-tsy ireo boky dimy voalohany nosoratan’i Mosesy, izany hoe ny Pentateuque. Tany amin’ny taonjato fahefatra al.f.i. tany ho any, dia nanangana tempoly iray teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima izy ireo, ho fifaninanana tamin’ny tempolin’Andriamanitra tao Jerosalema. Na dia rava aza io tempolin’ny Samaritana io, hatramin’izao izy ireo dia mankalaza ny Paska isan-taona ao Gerizima. — 1/1, pejy faha-25.
▫ Takina amin’ny Kristiana ve ny hampirisihany ny hanarahana fandaharana manohitra ny fandotoana?
Fony teto an-tany i Jesosy, dia tsy nanandrana nandamina ireo zava-manahirana ara-tsosialy rehetra tamin’ny androny. Rehefa hampihatra ireo fotopoto-pitsipiny marina manerana ny tany manontolo amin’ny alalan’ny Fanjakany Mesianika i Jehovah, dia ho voalamina amin’ny fomba maharitra ireo zava-manahirana momba ny tontolo iainana. Noho izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandray fomba fijery voalanjalanja momba izany. Ny fitiavany ny namany dia manosika azy ireo haneho fanajana ny fananan’ny hafa. Kanefa mametraka ara-drariny ny fitoriana ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany izy ireo. (Matio 6:33, NW ). — 1/1, pejy faha-31.
▫ Tamin’ny fomba ahoana avy no naha-mpitondra fahazavana an’i Jesosy? (Jaona 8:12).
Nanokan-tena mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. (Lioka 4:43; Jaona 18:37). Nanala sarona ireo fampianaran-diso ara-pivavahana koa izy, ka nanome fahafahana ara-panahy an’ireo izay voahazona ho babo ara-pivavahana. (Matio 15:3-9). Ny tena niavaka dia ny nisehoany ho ny fahazavan’izao tontolo izao tamin’ny nanomezany ho sorona ny ain’olombelona tanteraka nananany. (Matio 20:28; Jaona 3:16). — 15/1, pejy faha-10-11.
▫ Antony sasany inona avy no mahatonga antsika hanana adidy haneho fanekena an’i Jehovah Andriamanitra?
I Jehovah no Tompom-piandrianana eo Amin’Izao Rehetra Izao, ary noho izany antony izany dia manana adidy haneho fanekena azy isika. Fanampin’izany, satria tsitoha i Jehovah, dia tsy misy afaka manohitra azy amim-pahombiazana. Noho izany, dia tsy afaka ny hody tsy hahafantatra ny tokony hanekentsika azy isika. Ireo zavaboary manan-tsaina rehetra dia noforonina mba hanatanteraka ny fikasan’ilay Mpanao azy, ary izany dia mahatonga azy rehetra ireo hanana adidy hanaiky an’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra. — 1/2, pejy faha-10-11.
▫ Inona no nanampy an’i Josefa tsy hijangajanga tamin’ny vadin’i Potifara?
Nanana hery natanjaka iray nanetsika ny sainy i Josefa. Takany tsara ny fifandraisany tamin’i Jehovah ary fantany fa ny fijangajangana dia ho fanotana, tsy tamin’ny vadin’io vehivavy io fotsiny, fa tamin’Andriamanitra, izay zava-dehibe kokoa. — 15/2, pejy faha-21.
▫ Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe: “Izaho no (...) fahamarinana”? (Jaona 14:6).
Tsy niresaka na nampianatra momba ny fahamarinana fotsiny i Jesosy; niaina azy io izy ary izy mihitsy no fisehoany velona. Noho izany, dia tsy hevitra fotsiny ny Kristianisma marina fa fomba fiaina. — 1/3, pejy faha-15.
▫ Fianarana feno fampiononana inona no raketin’ny Salamo faha-51?
Io salamo io dia manampy antsika hahatakatra fa, raha solafaka isika ka manota kanefa mibebaka marina, ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra dia hahare antsika mitalaho famindram-po ary hamonjy antsika tsy ho voan’ny famoizam-po. Kanefa, tokony hiahy voalohany indrindra ny amin’izay fahafaham-baraka nentintsika ho an’ny anaran’i Jehovah isika. — 15/3, pejy faha-18.
▫ Inona no asehon’ny batisa ao anaty rano?
Ny batisa dia marika ivelany mampiseho ny nanoloran’ny olona iray tena ho an’i Jehovah Andriamanitra. Ny fanitrihana ao anaty rano dia mampiseho fa ireo izay atao batisa dia maty raha ny amin’ny fomba fiaina nifantoka tamin’ny tenany. Ny fanarenana azy avy ao anaty rano dia mampiseho fa velona izy izao mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra, ka hametraka izany eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany. (Matio 16:24). — 1/4, pejy faha-5, 6.