FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 66
  • Tena Misy ve ny Afobe? Inona no Atao hoe Afobe Raha ny Baiboly no Jerena?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Misy ve ny Afobe? Inona no Atao hoe Afobe Raha ny Baiboly no Jerena?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Toerana fampijalijaliana mandrakizay ve ny afobe?
  • Ahoana ilay fanoharan’i Jesosy momba an’ilay mpanankarena sy Lazarosy?
  • Midika ve ny afobe hoe tafasaraka amin’Andriamanitra ny olona iray?
  • Efa nisy olona tafavoaka avy any amin’ny afobe ve?
  • Iza no Mankany Amin’ny Afobe?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Mandoro Tokoa ve ny Afobe?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Inona Marina moa ny Afobe?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Karazan-toerana manao ahoana moa ny fiainan-tsi-hita na afobe?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 66
Sary mampiseho olona mijalijaly any amin’ny afobe.

Tena Misy ve ny Afobe? Inona no Atao hoe Afobe Raha ny Baiboly no Jerena?

Valiny ara-baiboly

Misy Baiboly tranainy maromaro mampiasa an’ilay teny hoe “helo” na afobe, ao amin’ny andinin-teny sasany. (Salamo 16:10; Asan’ny Apostoly 2:27a) Asehon’ilay sary ato amin’ity lahatsoratra ity ny zavatra inoan’ny olona maro momba ny afobe. Toerana misy afo mirehitra mandrakizay, hono, izy io ary any no sazina ny ratsy fanahy. Izany ve anefa no ampianarin’ny Baiboly?

Ho hitantsika ato ireto:

  • Toerana fampijalijaliana mandrakizay ve ny afobe?

  • Ahoana ilay fanoharan’i Jesosy momba an’ilay mpanankarena sy Lazarosy?

  • Midika ve ny afobe hoe tafasaraka amin’Andriamanitra ny olona iray?

  • Efa nisy olona tafavoaka avy any amin’ny afobe ve?

  • Andinin-teny momba ny afobe, na Fasana

  • Teny tany am-boalohany

  • Ny tantaran’ny afobe

Toerana fampijalijaliana mandrakizay ve ny afobe?

Tsia. Midika hoe “Fasana”, izany hoe ny fasana misy ny maty rehetra, ireo teny tany am-boalohany nadikan’ny Baiboly tranainy sasany hoe “helo” na afobe (Hebreo: “Sheôl”; Grika: “Haides”). Resahin’ny Baiboly hoe tsy misy intsony ny olona rehefa lasa any amin’io “Fasana” io.

  • Tsy mahalala na inona na inona ny maty ka tsy mahatsapa fanaintainana. “Tsy misy afaka miasa, na mikasa hanao zavatra, na mahazo fahalalana, na maneho fahendrena, any amin’ny Fasana halehanao.” (Mpitoriteny 9:10) Tsy toerana feno feon’olona mitaraindraina àry ny afobe. Milaza kosa ny Baiboly hoe: “Enga anie ny ratsy fanahy hatao afa-baraka, ary hatao tsy mahateny intsony ao amin’ny Fasana!”​—Salamo 31:17; 115:17.

  • Fahafatesana no nataon’Andriamanitra sazin’ny fahotana fa tsy fampijalijaliana any amin’ny afobe. Nilaza tamin’i Adama, ilay lehilahy voalohany, Andriamanitra hoe fahafatesana no ho saziny raha tsy mankatò ny lalàny izy. (Genesisy 2:17) Tsy niresaka momba ny fampijalijaliana mandrakizay any amin’ny afobe mihitsy izy. Rehefa nanota i Adama tatỳ aoriana, dia izao ny sazy nolazain’Andriamanitra taminy: “Vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray.” (Genesisy 3:19) Lasa tsy hisy intsony i Adama. Raha tena nalefan’Andriamanitra tany amin’ny afobe tokoa i Adama, dia tsy maintsy ho niresaka an’izany izy. Tsy niova ny sazy omen’Andriamanitra an’izay mandika ny lalàny. Izao no nasainy nosoratan’ny mpanoratra Baiboly iray, ela be taorian’ny nanotan’i Adama: “Fahafatesana no tambin’ny ota” (Romanina 6:23) Tsy misy antony tokony hanomezana sazy hafa intsony, satria “izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.”​—Romanina 6:7.

  • Maharikoriko an’Andriamanitra ilay hoe fampijalijaliana mandrakizay. (Jeremia 32:35) Mifanipaka amin’ny zavatra ampianarin’ny Baiboly ny hevitra hoatr’izany. Milaza mantsy ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tiany raha fitiavana no antony anompoantsika azy, fa tsy tahotra hoe sao dia hampijalijalina mandrakizay.​—Matio 22:36-38.

  • Mankany amin’ny afobe ny tsara fanahy. Resahin’ireo Baiboly mampiasa an’ilay teny hoe “helo” na afobe fa nisy mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika naniry ho any. Anisan’izany i Jakoba sy Joba. (Genesisy 37:35; Joba 14:13) Na i Jesosy Kristy aza voalaza hoe tany amin’ny afobe, teo anelanelan’ny fotoana nahafatesany sy nananganana azy tamin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 2:31, 32) Mazava àry fa rehefa mampiasa an’ilay teny hoe “helo” na afobe ireo Baiboly ireo, dia Fasana no tiany holazaina.b

Ahoana ilay fanoharan’i Jesosy momba an’ilay mpanankarena sy Lazarosy?

Fanoharana nolazain’i Jesosy izy io ary hita ao amin’ny Lioka 16:19-31. Natao mba hampianarana lesona momba ny fitondran-tena sy ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny fanoharana. Tsy hoe tantara tena nisy akory ilay fanoharana momba an’ilay mpanankarena sy Lazarosy. (Matio 13:34) Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’io fanoharana io ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza Ilay Mpanankarena sy Lazarosy?”

Midika ve ny afobe hoe tafasaraka amin’Andriamanitra ny olona iray?

Tsia. Mifanipaka amin’ny Baiboly ilay fampianarana hoe mbola afaka mahatsapa ny maty hoe tafasaraka amin’Andriamanitra izy. Milaza mantsy ny Baiboly fa tsy mahalala na inona na inona intsony ny maty.​—Salamo 146:3, 4; Mpitoriteny 9:5.

Efa nisy olona tafavoaka avy any amin’ny afobe ve?

Ie. Misy olona sivy tantarain’ny Baiboly hoe efa tany amin’ny Fasana (adikan’ny Baiboly sasany hoe “helo” na “afobe”), nefa natsangana tamin’ny maty dia velona indray.c Raha nahatsiaro saina ry zareo tany, dia tsy maintsy ho nitantara momba an’izay zavatra niainany tany. Tsy nisy tamin-dry zareo anefa niresaka fampijalijaliana na nitantara zavatra hafa. Fa nahoana? Satria araka ny ampianarin’ny Baiboly dia hoe tsy nahalala na inona na inona ry zareo, fa hoatran’ny olona “matory” be.​—Jaona 11:11-14; 1 Korintianina 15:3-6, fanamarihana ambany pejy.

a Tsy mampiasa an’ilay teny hoe “helo” ny ankamaroan’ny Baiboly amin’izao, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:27. Misy, ohatra, mampiasa an’ilay hoe “toeran’ny maty” (Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara), “fitoeran’ny maty” (Fandikan-teny Katolika), na “fiainan-tsi-hita.”​—Fandikan-teny Protestanta.

b Jereo ilay efajoro hoe “Teny Tany Am-boalohany.”

c Jereo ny 1 Mpanjaka 17:17-24; 2 Mpanjaka 4:32-37; 13:20, 21; Matio 28:5, 6; Lioka 7:11-17; 8:40-56; Jaona 11:38-44; Asan’ny Apostoly 9:36-42; 20:7-12.

Andinin-teny momba ny afobe, na Fasana

Joba 14:13: “Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana mantsy ianao, ... Ary raha mba misy fotoana mantsy efa noferanao ho ahy, mba hahatsiarovanao ahy!”

Inona no dikan’izany? Fantatr’ilay lehilahy tsy nivadika antsoina hoe Joba fa hitsahatra ny fanaintainany rehefa any amin’ny afobe (Fasana) izy. Fantany koa hoe mbola afaka mamerina azy avy any Andriamanitra dia ho velona indray izy.

Salamo 145:20: “Miaro an’izay rehetra tia azy i Jehovah, fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.”

Inona no dikan’izany? Haringan’Andriamanitra ny ratsy fanahy, izany hoe hataony tsy misy intsony. Tsy hoe havelany ho velona any amin’ny afobe ry zareo mba hampijalijalina.

Mpitoriteny 9:10: “Tsy misy afaka miasa, na mikasa hanao zavatra, na mahazo fahalalana, na maneho fahendrena, any amin’ny Fasana halehanao.”

Inona no dikan’izany? Tsy mahalala na inona na inona izay lasa any amin’ny Fasana, ka tsy afaka ny hahatsiaro hoe mijaly. Ankoatr’izay, dia miharihary hoe natao ho an’ny olona tsara fanahy koa ireo tenim-pahendrena nosoratan’ilay mpanoratra Baiboly ireo.

Asan’ny Apostoly 2:31: “Hitsangana amin’ny maty i Kristy ary efa niresaka momba an’izany izy. Noresahiny hoe tsy nafoy tao amin’ny Fasana i Jesosy.”

Inona no dikan’izany? Lasa tany amin’ny afobe (Fasana) i Jesosy Kristy rehefa maty.

Romanina 6:23: “Fahafatesana no tambin’ny ota.”

Inona no dikan’izany? Fahafatesana no sazy vokatry ny ota fa tsy fampijalijaliana any amin’ny afobe.

Apokalypsy 20:13: “Namoaka ny maty tao aminy koa ny fahafatesana sy ny Fasana.”

Inona no dikan’izany? Maty ireo olona any amin’ny afobe. Mbola ho velona indray izy ireo rehefa hatsangana amin’ny maty.

Apokalypsy 20:14: “Natsipy mafy tany amin’ny farihy afo ny fahafatesana sy ny Fasana.”

Inona no dikan’izany? Tsy hisy olona intsony any amin’ny afobe (Fasana) rehefa hatsangana ny maty. Hofoanana mandrakizay izy io avy eo, ka hoatran’ny hoe ho levon’ny afo. Tsy hisy intsony àry aorian’izay ny hoe maty vokatry ny fahotan’i Adama.​—Romanina 5:12.

Teny tany am-boalohany

Asehon’io lisitra eo ambany io hoe nampikorontan-tsaina ny olona ny zavatra nataon’ny mpandika Baiboly sasany. Samy manana ny heviny mantsy ireo teny tany am-boalohany nefa nadikan-dry zareo foana hoe “helo.” Hita mihitsy indraindray hoe hoatran’ny ataon-dry zareo izay hinoan’ny olona hoe tsy haringana ny ratsy fanahy fa hampijalijalina mandrakizay.

  • Gehena (Grika γέεννα)

    Hevitr’ilay teny: Fandringanana mandrakizay.​—Matio 5:30.

    Fomba nandikana azy: Gehen’afo (Fandikan-teny Katolika); lohasahan’afo (Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara); helo (Fandikan-teny Protestanta)

  • Tartara (Grika ταρταρόω)

    Hevitr’ilay teny: Fietrena mahazo an’ireo anjely ratsy antsoina hoe demonia.​—2 Petera 2:4

    Fomba nandikana azy: Toeran’ny maty (Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara); helo (Fandikan-teny Protestanta)

Ny tantaran’ny afobe

Avy amin’ny mpanompo sampy: Nino ny Ejipsianina fahiny fa misy ny afobe. Resahin’ny Boky Ȧm-Ṭuat, izay lazain’ny mpahay tantara hoe nosoratana tamin’ny taonjato faha-16 T.K., fa hisy olona “hatsipy any an-davaka mirehitra afo; ary ... tsy ho afa-mandositra ny lelafo ao amin’izy io.”​—The Egyptian Heaven and Hell.

Tsy nampianarin’ny Kristianina voalohany: “Tsara homarihina fa tsy hitantsika ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] ny hoe anisan’ny fitorian’ny Kristianina tany am-boalohany ny afobe mirehitra.”​—A Dictionary of Christian Theology.

Nihanahazo vahana ny filozofia grika: “Nanomboka nampiasa ny filozofia grika ny Kristianina sasany nahay azy io, mba hanazavana ny zavatra inoan’ny Kristianina. Teo antenatenan’ny taonjato faharoa izany no nanomboka. ... Ny fampianaran’i Platon no hitan’izy ireo fa nety tsara mba hanaovana izany.” (Encyclopædia Britannica) Anisan’io fampianarana io ilay hoe ampijalijalina ao anaty afo ny olona rehefa maty. “Amin’ireo filozofa grika rehetra, dia i Platon no tena nahatonga olona maro hino ny Afobe.”​—Histoire des enfers.

Natao mba hanalana tsiny ny fampijaliana olona: Nodorana teo amin’ny tsato-kazo izay voaheloka ho nivadi-pinoana, nandritra an’ilay vanim-potoana antsoina hoe Fitsaran’ny Katolika An’izay Nivadi-pinoana Tany Espaina. Amin’izay, hono, tsapan’ilay olona tsara hoe “hoatran’ny ahoana izany any amin’ny afobe mirehitra mandrakizay izany”, dia hibebaka izy alohan’ny hahafatesany. (The Spanish Inquisition, nosoratan’i Jean Plaidy) Protestanta 300 eo ho eo koa no nodoran’i Marie I, mpanjakavavin’i Angletera, teo amin’ny tsato-kazo. Nilaza, hono, izy hoe: “Hodorana mandrakizay any amin’ny afobe ihany ny fanahin’ireo mpivadi-pinoana ireo amin’ny hoavy, ka hitako fa mety raha manahaka ny famalian’Andriamanitra aho, ka mandoro azy ireo dieny eto an-tany.”​—Universal History, nosoratan’i Alexander Tytler.

Fiovana tatỳ aoriana: Nanalefaka ny fampianarany momba ny afobe ny fivavahana sasany satria te hampifaly ny mpivavaka ao aminy, fa tsy hoe te hiala amin’ny fampianaran-diso akory. (2 Timoty 4:3) “Andriamanitra tsara fanahy sy mora hatonina izao no tadiavin’ny olona ... Efa tsy malaza intsony izany miresaka momba ny fahotana sy heloka izany.”​—Profesora Jackson W. Carroll.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara