FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w02 15/12 p. 30
  • Tadidinao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahafaly ny Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1981
  • Tena Ilaina ve ny Mianatra Teny Hebreo sy Grika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
w02 15/12 p. 30

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Afaka miaro anao ve ny ‘fahaiza-misaina’?(Ohabolana 1:4)

Mampitandrina antsika amin’ny loza ara-panahy izy io. Mahatonga antsika hieritreritra izay zavatra mahasoa tokony hataontsika koa izy io, toy ny fanalavirana ny fakam-panahy haloto fitondran-tena any am-piasana. Manampy antsika hahatakatra koa izy io fa tsy lavorary ny Kristianina namantsika. Hisakana antsika tsy hanao zavatra maimaika izany rehefa tezitra isika. Izy io koa dia mahatonga antsika tsy ho resin’ny fitaomana hanankarena, izay mety hanosika antsika hiala amin’ny lalana tokony halehantsika.—15/8, pejy faha-21-24.

• Ahoana no ahafahan’ny olona iray ho tonga mpifanila trano sarobidy?

Ilaina ny ho tia manome sy hahay hankasitraka mba ho mpifanila trano tsara fanahy. Tena sarobidy ny mpifanila trano tsara fanahy rehefa misy loza. Miezaka ny ho tsara fanahy amin’ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelon’i Jehovah ka mampitandrina ny olona fa hamarana tsy ho ela ny faharatsiana Andriamanitra.—1/9, pejy faha-4-7.

• Iza moa ireo tena olo-masina, araka ny Baiboly, ary ahoana no hanampiany ny olombelona?

Olo-masina ny Kristianina voalohany rehetra. Tsy olona na fikambanana no milaza azy ireo ho masina fa Andriamanitra. (Romana 1:7) Rehefa hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra ireo olo-masina, dia hiara-miasa amin’i Kristy mba hitahy ireo olo-mahatoky eto an-tany. (Efesiana 1:18-21)—15/9, pejy faha-5-7.

• Nahoana no sarobidy amin’ny Kristianina ny mahafantatra ny momba ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena tany Gresy fahiny?

Nisy fanoharana miorina amin’ny lalao fahiny ny zavatra nosoratan’ny apostoly Petera sy Paoly. (1 Korintiana 9:26; 1 Timoty 4:7; 2 Timoty 2:5; 1 Petera 5:10) Tena nilain’ireo atleta fahiny ny nanana mpanazatra nahay. Nilain’izy ireo koa ny nifehy tena sy nanao ezaka nisy zava-kendrena. Mitovy amin’izany koa ny ezaka ara-panahy ataon’ny Kristianina ankehitriny.—1/10, pejy faha-28-31.

• Inona ny olana sy ny valisoa entin’ny fitaizan-janaka any an-tany hafa?

Mora mahay kokoa fiteny vaovao noho ny ray aman-dreniny ny ankizy maro. Mety tsy ho takatr’ireo ray aman-dreny àry ny fomba fisainan’ny zanany sy ny fihetsik’izy ireo. Mety ho sarotra amin’ny ankizy ny mahatakatra ny fampianaran’ny Baiboly amin’ny fitenin’ny ray aman-dreniny. Hihamatanjaka anefa ny fatoram-pianakaviana rehefa mampianatra ny fiteniny amin’ny zanany ny ray aman-dreny. Amin’izay dia mety hahay fiteny roa sy hifankazatra amin’ny kolontsaina roa ny zanany.—15/10, pejy faha-22-26.

• Nahoana no tena ilaina ny miala tsiny?

Matetika ny fialan-tsiny avy amin’ny fo no ahafahana mampihavana indray ny olona tsy nifankahazo. Aseho ao amin’ny Baiboly fa manan-kery ny fialan-tsiny. (1 Samoela 25:2-35; Asan’ny Apostoly 23:1-5) Matetika no samy diso ny olona roa tsy mifanaraka. Tsy maintsy mifandefitra sy miala tsiny àry ny roa tonta.—1/11, pejy faha-4-7.

• Nahoana no ratsy ny miloka na dia vola kely fotsiny aza no ampiasaina?

Mahatonga ny olona ho tia tena sy ho tia mifaninana ary hierina ny filokana. Melohin’ny Baiboly ireo. (1 Korintiana 6:9, 10) Mpiloka maro no mbola kely dia efa nanomboka niloka. Vola kely no nilokan’izy ireo tamin’izay.—1/11, pejy faha-31.

• Koa satria boky maro ao amin’ny Baiboly no nosoratana tamin’ny teny grika, nahoana no mbola nilaina nadika tamin’io teny io ihany ny Baiboly, ary inona no vokatr’izany?

Zara raha mitovy ny teny grika maoderina sy ny teny grika nampiasain’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo mba handikana ny Soratra Hebreo. Toy izany koa ny teny grika nanoratana ny Soratra Grika Kristianina sy ny teny grika maoderina. Nandritra ireo taonjato faramparany, dia imbetsaka no nandramana nadika ho amin’ny teny grika fampiasa isan’andro ny Baiboly manontolo na ny sasany taminy. Misy fandikan-tenin’ny Baiboly 30 amin’ny teny grika izao, ka na izy manontolo izany na tapany. Mora amin’ny Grika ny mamaky azy ireny sady mazava aminy. Miavaka amin’ireny Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, navoaka tamin’ny 1997.—15/11, pejy faha-26-29.

• Nahoana no tsy takina amin’ny Kristianina ny ampahafolon-karena?

Nanampiana ny fokon’i Levy sy nikarakarana ireo mahantra ny ampahafolon-karena, teo ambanin’ny Lalàna nomena ny Isiraely fahiny. (Levitikosy 27:30; Deoteronomia 14:28, 29) Nandrava ny Lalàna sy ny fitakiana ampahafolon-karena ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona. (Efesiana 2:13-15) Samy nanome araka izay nananany sy izay ninian’ny fony ireo Kristianina voalohany. (2 Korintiana 9:5, 7)—1/12, pejy faha-4-6.

• Milaza ve ny Apokalypsy 20:8 fa tsy tambo isaina no ho voafitak’i Satana amin’ilay fitsapana farany?

Milaza ilay andinin-teny fa ho “tahaka ny fasiky ny ranomasina” ny isan’ireo voafitaka. Ao amin’ny Baiboly, io teny io matetika dia manondro isa tsy voafaritra, nefa tsy voatery hoe tsy tambo isaina. Fantatra tatỳ aoriana, fa ankoatra an’i Jesosy Kristy, dia miisa 144 000 ny taranak’i Abrahama nolazaina fa ho “tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina.” (Genesisy 22:17; Apokalypsy 14:1-4)—1/12, pejy faha-29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara