FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Tsy Fohy ny Tanan’i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho.’” (Romana 11:26, 27)

  • Tsy Fohy ny Tanan’i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 19. Inona no fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely ara-panahy?

      19 Nanao fanekena tamin’ny Isiraely ara-panahy i Jehovah izao. Izao no vakintsika: “Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.” (Isaia 59:21) Tsy fantatra raha tanteraka tamin’i Isaia ireo teny ireo na tsia; fa azo antoka kosa fa tanteraka tamin’i Jesosy izy ireo, ary nahazo toky i Jesosy fa ‘hahita ny taranany.’ (Isaia 53:10) Nilaza ireo zavatra nianarany avy tamin’i Jehovah izy, ary teo aminy ny fanahin’i Jehovah. (Jaona 1:18; 7:16) Mety àry raha mahazo ny fanahy masin’i Jehovah koa ireo rahalahiny sady mpiray lova aminy sy anisan’ny Isiraely ara-panahy, ka mitory hafatra izay nianarany avy tamin’ny Rainy any an-danitra. Samy “nampianarin’i Jehovah” izy rehetra. (Isaia 54:13; Lioka 12:12; Asan’ny Apostoly 2:38) Na tamin’ny alalan’i Isaia, na tamin’ny alalan’i Jesosy izay nifanitsy tamin’i Isaia, dia nanao fanekena i Jehovah mba tsy hanolo azy ireo fa hampiasa azy ireo ho vavolombelony mandrakizay. (Isaia 43:10) Iza kosa ilay taranak’izy ireo izay handray soa avy amin’io fanekena io koa?

      20. Tamin’iza avy no tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah tamin’i Abrahama, tamin’ny taonjato voalohany?

      20 Nampanantena an’i Abrahama toy izao i Jehovah fahiny: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 22:18) Nankany amin’ny firenena maro àry ny sisa tamin’ny Isiraelita ara-bakiteny nanaiky ny Mesia, mba hitory ny vaovao tsara momba ny Kristy. Nisy Jentilisa tsy voafora maro ‘notahina’ tamin’ny alalan’i Jesosy, ilay Taranak’i Abrahama, ka i Kornelio no voalohany tamin’izany. Tonga anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra sy tapany faharoa amin’ny taranak’i Abrahama izy ireo. Anisan’ny ‘firenena masin’i’ Jehovah izy ireo, ary nirahina mba ‘hilaza ny hatsaran’Ilay niantso azy hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.’—1 Petera 2:9; Galatiana 3:7-9, 14, 26-29.

      21. a) Iza ireo ‘taranaka’ azon’ny Isiraely ara-panahy amin’izao andro izao? b) Inona no toky azon’ireo ‘taranaka’ avy amin’ilay fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely ara-panahy?

      21 Toa efa feno ankehitriny ny isan’ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra. Na izany aza, dia mbola tahina ihany ireo firenena, ary amin’ny ambaratonga lehibe mihitsy. Nahoana? Satria nahazo ‘taranaka’ ny Isiraelin’Andriamanitra, dia mpianatr’i Jesosy koa, nefa manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany zary paradisa. (Salamo 37:11, 29) Ampianarin’i Jehovah ny amin’ny lalany koa ireo ‘taranaka’ ireo. (Isaia 2:2-4) Tsy natao batisa tamin’ny fanahy masina izy ireo, na tafiditra ao amin’ny fanekena vaovao, nefa hatanjahin’ny fanahy masin’i Jehovah mba handresy ny vato misakana rehetra anoheran’i Satana ny asa fitoriana ataony. (Isaia 40:28-31) Efa miisa an-tapitrisa izy ireo izao, ary mbola mitombo ihany, satria izy ireo indray no mahazo taranaka. Ny fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny voahosotra dia manome toky an’ireo ‘taranaka’ ireo fa hanohy hampiasa azy ireo ho mpitondra teniny mandrakizay koa i Jehovah.—Apokalypsy 21:3, 4, 7.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara