FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 12, 13. a) Nahoana no hoe tsy misy manampy i Jehovah? b) Ahoana no amonjen’ny sandrin’i Jehovah, ary ahoana no anohanan’ny fahavinirany azy?

      12 Hoy ny tohin’ny tenin’i Jehovah: “Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talanjona Aho, satria tsy nisy hanohana,—ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy. Ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.

  • Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • Isaia 63:5,

  • Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 13 Tsy hisy olombelona hanampy an’i Jehovah, ka ho afaka hihambo ho nampihatra ny andro famaliany lehibe. Tsy mila olombelona hanampy azy hanatanteraka ny sitrapony koa i Jehovah.c Mahavita tsara io asa io ny herin’ny sandriny tsy hay tohaina. (Salamo 44:3; 98:1; Jeremia 27:5) Zava-dehibe kokoa aza ny fanohanan’ny fahavinirany azy. Ahoana izany? Tsy fihetseham-po tsy voafehy akory ny fahavinirany, fa fahatezerana ara-drariny. Miorina amin’ny fitsipika marina foana ny fahavinirany, ka izany no ahafahany mandatsaka ‘ny ran’ny’ fahavalony “amin’ny tany.” Izany no manosika azy handringana azy ireo, ka hitondra fahafaham-baraka sy faharesena ho azy ireo.—Salamo 75:8; Isaia 25:10; 26:5.

  • Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • c Gaga i Jehovah satria tsy nisy vonona hanampy azy. Mety hahagaga tokoa ny mbola anoheran’ireo manan-kery eto an-tany ny sitrapon’Andriamanitra, 2 000 taona aorian’ny nahafatesan’i Jesosy.—Salamo 2:2-12; Isaia 59:16.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara