FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Miravoravoa Mandrakizay, Satria Mahary Izany Aho”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 18. Inona sisa no hotsaroana amin’ireo nandao an’i Jehovah, ary inona no mety ho hevitry ny fampiasana ny anaran’izy ireo ho fiozonana?

      18 Hoy ny tohin’ny tenin’i Jehovah tamin’ireo nandao azy: “Hamela ny anaranareo ho fiozonana amin’ireo voafidiko hianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;

  • “Miravoravoa Mandrakizay, Satria Mahary Izany Aho”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • Isaia 65:15,

  • “Miravoravoa Mandrakizay, Satria Mahary Izany Aho”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • Rehefa ho ringana ireo nandao an’i Jehovah, dia ny anaran’izy ireo sisa no hotsaroana. Mba hiozonana na hanaovana fianianana sisa no hampiasana azy ireny. Mety hidika izany hoe ny olona mianiana na mivoady amin’ny fampiasana izany anarana izany dia toy ny milaza hoe: ‘Raha mivadika amin’ny fianianako aho, dia aoka hahavoa ahy ny sazy nanjo an’ireny mpivadi-pinoana ireny.’ Mety hampiasaina an’ohatra koa angamba izany anarana izany, toy ny hoe Sodoma sy Gomora, izay nanjary nanondro ny famaizan’Andriamanitra ny ratsy fanahy.

      19. Inona no hevitr’ilay anaram-baovao hiantsoana ny mpanompon’Andriamanitra, ary nahoana izy ireo no hatoky tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

      19 Ho hafa tanteraka noho izany ny ho hitan’ny mpanompon’Andriamanitra! Hantsoina amin’ny anaram-baovao izy ireo, izany hoe hahazo fitahiana sy voninahitra indray, rehefa tafody any an-tanindrazany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara