FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/6 p. 32
  • Hanao Ahoana ny Hoavin’ny Tanintsika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hanao Ahoana ny Hoavin’ny Tanintsika?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/6 p. 32

Hanao Ahoana ny Hoavin’ny Tanintsika?

“Tsy misy mihitsy taonjato hafa teo amin’ny tantara ka mitovy amin’ny taonjato faha-20, raha teo amin’ny herisetra sivily baribariàna sy teo amin’ny isan’ireo fifandonana natao, teo amin’ny fisian’ny andiana mpitsoa-ponenana tsy hita pesipesenina, teo amin’ireo olona an-tapitrisany maro maty tamin’ny ady sy teo amin’ireo fandaniana be ho an’ny ‘tafika’ ”, hoy ny World Military and Social Expenditures 1996. Hiova ve izany toe-javatra izany indray andro any?

Nampahatsiahivin’ny apostoly Petera toy izao tamin’ny Kristianina ny fampanantenana iray nomen’Andriamanitra, taonjato maro taloha kokoa: “Misy lanitra vaovao sy tany vaovao izay andrasantsika, araka ny fampanantenan[’Andriamanitra], ary tsy maintsy hitoeran’ny fahamarinana ireo.” (2 Petera 3:13, NW ). Anisan’ny faminanian’i Isaia ireo teny ireo tany am-boalohany. (Isaia 65:17; 66:22). Ny Isiraely fahiny no nahatanterahan’izy io voalohany, rehefa naverina tany amin’ilay tany nampanantenaina azy ilay firenena, taorian’ny fahababoana tany Babylona nandritra ny 70 taona. Rehefa namerina nilaza ilay fampanantenana “lanitra vaovao sy tany vaovao” i Petera, dia nasehony fa ilay faminaniana dia mbola ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe kokoa mihitsy aza — haneran-tany!

Sitrapon’Andriamanitra ny iorenan’ny toe-piainana marina manerana ny tany manontolo, ary hanatanteraka izany ny Fanjakany any an-danitra, izay manana an’i Kristy ho Mpanjaka. “Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” (Isaia 2:4). Izany fiadanana sy filaminana tanteraka eto an-tany izany no nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy, mba hantenainy sy hangatahiny amin’ny vavaka, araka ilay vavaka mahazatra ny miantso azy hoe Rainay Izay any An-danitra, na Vavaka Nampianarin’ny Tompo, manao hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9, 10.

Ho tianao ve ny hiaina eo amin’ny tontolo iray misy fahamarinana toy ny any an-danitra? Izany no fanantenana atolotry ny Baiboly ho an’izay rehetra miezaka hahafantatra an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy hiaina mifanaraka amin’ny lalany marina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara